« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
Nanaitra ny mpanao politika sy ny ankamaroan’ny mpandala ny ara-dalàna ny fandraisan’andraikitry ny CEDEAO tamin’ny fanonganam-panjakana tany Mali farany teo. Roa herinandro monja manko dia tafaverina tamin’ny sivily ny fitondrana ary efa mivonona sahady hiroso amin’ny fifidinana izy ireo ankehitriny. Ny antsika Malagasy anefa , na dia samy fanonganam-panjakana izao aza, telo taona aty aoriana dia tsy mbola hita ihany izay mety ho lalana ivoahana amin’ny krizy.
Tolom-bahoaka … Ny vahoaka manomboka eto no tompon’izay fomba itondrana ny tolona. Manaporofo izany ny tazana teny Ivandry. Na dia fantatry ny rehatra aza fa tsy vondrom-pirenena misy an’i Madagasikara ny CEDEAO dia nanao sora-baventy miantso azy ireo ny mpitolona mba ho fampitan-kafatra any amin’ny SADC. Izay nantenaina hiara-mitantana rahateo manao be marenina ka dia miverina any amin’ny vahoaka ny fanapahan-kevitra satria izy ireo no andria-manjaka amin’ny tany demokratika.
«Ny fanonganam-panjakana nataon-dRajoelina tamin’ny 2009 no fototry ny olana rehetra eto Madagasikara » hoy Raveloson Constant raha niresaka mikasika ny fitsarana ny raharaha BANI ny tenany. Nambarany fa « mamikitra mafy amin’ny hena an-tanan-tsaka » ny mpanongam-panjakana ka « na ny Filoha lanim-bahoaka naongany, na ireo rehetra manelingelina azy dia aripany avokoa ». Nomarihiny fa tsy hitondra filaminana sy fitoniana eto Madagsikara velively ireny didim-pitsarana ireny.
Noho ny tsy fahafahan’ny FATE mifampiresaka sy mihaino ny tsy mitovy hevitra aminy no nahatonga ireto manamboninahitra ireto tonga saina fa « tsy maintsy rombahina ny hena vao ho afaka eny amin’ny saka ». Raha ny tokony ho izy araka ny fanazavan’ity mpitari-tolona ity dia « tokony higadra mandra-pahafatiny koa Rajoelina » satria izy no fototry ny olana eto amin’ny Firenena ary « raha tsy nisy ny fanonganam-panjakana nataony dia tsy nivondrona teny amin’ny BANI ireo miaramila samy hafa firehena ireo ny novambra 2010 ». Teo am-pamaranana moa dia notsorin’i Constant fa « tsy mamitrana ny samy Malagasy ary tsy mitsinjo ny Firenena iaraha-manana velively i tgv sy ny ekipany ».
Izay rehetra mihetsika ankehitriny dia ahian’ny FATE hanongana azy avokoa ary dia atao hazalambo mihitsy. Araka ny hevitry ny lehiben’ny delegasiona avy amin’ny ankolafy Zafy dia « tsy misy fanjakana tokony haongana akory eto ». Nambaran’ny Pr. Miandrisoa fa raha nisy izany dia tsy nivoaka amin’ny makarakara toy izao ny harem-pirenena Malagasy. Nomarihiny fa ny mahatonga an’i tgv matahotra mafy ny haongana dia ny fahalalany ny tsy mety nataony tamin’ny Filoha RAVALOMANANA ka atahorany ny hiverenan’izany.
Sinema ve ? Dimy volana latsaka izao no nanendrena ny Praiministra Beriziky izay natolotry ny Ankolafy Zafy Albert. Hatreto dia tsy mbola nanambara ampahibemaso ny tsy fahatokisany an’i Beriziky intsony ny mpitarika ity ankolafy politika ity. Tsy mbola vitan’io praiministra io anefa ny nampanatanteraka ny tondro zotra hatreto. Raha ny andiny faha-20 indray dia fantatra fa na ny ankamaroan’ny mpikambana ao amin’ny kabinetran’i Beriziky aza dia tsy mankasitraka izany. Midika izany fa ny fanakianana izay ataon’ity Ankolafy ity aty ivelan’ny rafitra itondrana ny tetezamita dia manahiran-tsaina ny mpanara-baovao politika ihany. Miandry izay havoakan’ny dinikin’ny samy Malagasy izay karakarain’izy ireo ato ho ato ny olom-pirenenasatria heno fa mitady hivoy mafy ny fanjakana mizakatena ity ankolafy ity.
FIALAN-TSINY :
Miala tsiny indrindra amin'ny tsy fahampian’ny vaovao zaraina amintsika andro vitsy izao noho ny olana misy eo amin'ny tambazotra "internet" eto Madagasikara. Hiverina amin'ny laoniny avy hatrany izany raha vantany vao mivaha io olana io. Misaotra antsika rehetra amin'ny fahatokisana ny Collectif-gtt.org.
Fomba fijery hafa noho izay efa nambaran’ny mpanao politika Malagasy hatrizay no entin’ny loholona Rakotoamboa Jean Louis ho soso-kevitra farany hivoahana amin’ny krizy. Aminy dia kapoka ihany no hany sisa fomba firesahana haingana sy mahomby indrindra amin’ny olona minia mikipy sy manampin-tsofina. « Ilaina ny fifandonana » hoy izy « rehefa miziriziry amin’ny heviny ny andaniny ». Arakan y fanazavany dia io teotra tia amboletra sy feno fitiavan-tena eo amin’ny mpitondra ankehitriny io no tena mampikatso ny fifampiresahana sy izay mety ho fiaraha-mitady vahaolana rehetra.
Nomarihiny anefa fa tsy sanatria hifamono akory ny Malagasy fa tsy maintsy misy ny hetsika ,hanehoana ny herin’ny zanak’i Dada hahafahan’ny mpiray tanindrazana sy izao tontolo izao mandrefy ny herin’ny foto-kevitra voizin’ny firehena politika isan’isany.
Ala nenina farany … Hatramin’ny fotoana niresahana taminy dia mbola nampahatsiahy Rakotoamboa Jena Louis fa ny fanilihana olom-pirenena iray dia miteraka krizy vaovao eto amin’ny tany sy ny Firenena. Niverina tamin’ny tantaran’i Madagasikara ny tenany ary nilaza fa tao antin’ny famahana krizy hatramin’ny 1975 no mankaty dia nisy hatrany ireo vondron-kery politika nahatsiaro voahilika hany ka nikotrika alahelo sy kendry tohina ho an’izy eo amin’ny fitondrana. Notsoriny ary fa ny fiziriziriana tsy hametraka fitoniana politika eto Madagasikara dia tsy hahitam-bokan-tsoa velively. « Tsy hisy fifidianana vanona eto » hoy izy « raha mbola misy sesitany sy gadra politika tsy afaka mandray anjara an-kalalahana amin’izany».
Hiatrika filan-kevitry ny governemanta hiavaka ny mpikambana ao amin’ny governemanta Beriziky ny Talata ho avy izao. Io fivoriana io no hamaritra ny tohin’ny tolona ataon’ny légaliste. Fantatra mantsy izao raha ny nambaran’ny Ihanta Randriamandranto fa « dia mivonona handray andraikitra ireo ministra avy amin’ny ankolafy Ravalomanana raha tsy misy ny fanatanterahana ny andininy faha 16-17-18-20 ao amin’ny tondrozotra ».
Raha ny nambaran’ity ministry ny fiompiana ity manko dia efa 90% ireo ministra no manaiky ny fanatanterahana ny tondrozotra amin’ny ankapobeny. Nampanantena anefa Ihanta Randriamandranto fa dia « tsy hanao kobaka am-bava ary tsy hiray petsapetsa amin’ny mpamorika ny firenena ». Efa misy lamina napetraka eo anivon’ny mpikambana ankolafy Ravalomanana rehetra ka tsy ho dila ny herinandro izany.
« Tsy vonona ny hamaly faty ny filoha Ravalomanana raha tonga eto fa kosa hanankina tanteraka ny fiainana ho amin'ny fampandrosoana ny firenena ». Fanambarana nataon'ny mpitondra teniny izany raha nitafa tamin'ny mpanao gazetin'ny collectif ny tenany. Raha ny fantatra dia tsy ho ela dia hiverina an-tanindrazana Marc Ravalomanana ary tsy hisy hahasakana azy ho amin'izany. Tsy hitovy tamin'ny fitsenenana ny zanany lahy haivo sy Guy Rivo Andrianarisoa anefa ny fahatongavany fa dia ho makotroka. Mahaksika izay fiverenan'ny filoha izay ihany dia mahatsapa Guy Rivo Andrianarisoa fa « efa feno ny fepetra rehetra hiverenany, raha ny tondro zotra no arahina nefa io no fototra ijoroan'ny tetezamita amin'izao ».
Efa niditra governemanta sy ny parlementa ny ankolafy ary nivonona ny hiara-hiasa amin'ny nanogam-panjakana ka efa dingana lehibe no vita. Na izany aza anefa dia nampitandrina ity mpitondra teny ity fa dia hiala tsy handray anjara raha tsy azo ny zavatra notakiana ato anatin'ny telo herinandro.
Niteraka savorovoro be tsy tahaka izany ary mety hiafara amin'ny fisaraham-bazana mihitsy ny mahakasika ny nandrafetana ny lisitr'ireo mpikambana ao amin'ny andrim-panjakana roa amin'ny tetezamita. Niala andraikitra ireo mpitari-tolona sasany ka nanipy ny baolina tany amin'ny Guy Rivo Andrianarisoa. Mazava ny nambaran'ity mpitondra-tenin'ny ankolafy Ravalomanana ity « tsy nitondra lisitra avy amin'ny filoha Ravalomanana ny tenako, ary tsy nitondra lisitra avy any Afrika Atsimo ». Nanamafy ny tenany fa hijery ny zava-misy marina eto M/car ny tenany satria dia misy ny tatitra vilana tonga any amin'ny filoha Ravalomanana. Marihina fa isan'ny tena nahatonga ny olana dia ny famerenana indray ireo olona mpikambana teo aloha izay tsy hita « tableau » nandritra ny 3 taona anatin'ny lisitra. Na izany na tsy izany dia nanentana ny vahoaka mpitolona Guy Rivo Andrianarisoa ho tony.
Isan’ny reharehan’ny Distrikan’Atsimondrano ny fijoroan’ny foiben’ny orinasa TIKO ao amin’ny Kaomina Tanjombato. Nitondra soa sy fidiram-bola ho an’izany Kaomina izany ity orinasa isan’ny lehibe indrindra teto Madagasikara ity nandritran’ny taona maro niorenany tao Atsimondrano. Minitra vitsy monja anefa dia nirodana sy kilan’ny afo izany orinasa izany ary nihemotra niaraka tamin’izany ihany koa ny fampandrosoana ny kaomina Tanjombato no ny toe-tsainaory hava-manana.
« Dada miverina ihany no vahaolana… » Maro ny fandeferana nataon’ny Filoham-pirenena RAVALOMANANA Marc tao anatin ‘izao famahana ny krizy izao nanomboka tamin’ny taona 2009. Ny filazana fa sakana ny Ankolafy tarihiny dia ahitana soritra ny finiavana tsy hamaha krizy eo amin’ireo mitana ny fahefana amin’izao fotoana. Ny ampihimamba ataon’izy ireo amin’ireo Ministera lehibe no tena miteraka fikatsoana amin’izao dingana misy ny fanatanterahana ny tondro zotra izao. Raha tokony ny praiministra no tompon’ny teny farany amin’ny fandrafetana ny governemanta dia i TGV no misora-tena ho lanim-bahoaka ka miady ho manan-jo nanao didikofehy lehibe tamin’ny fananganana izany andrim-panjakana izany. Ho an’ny vahoaka eny Atsimondrano, arakin’ny nampitain’ny mpanolo-tsaim-paritra voafidy tao aminy, dia tsy misy ankoatran’ny fiverenan’ny Filoha RAVALOMANANA Marc eto an-tanindrazana ihany no vahaolana ary tsy miamboho adidy amin’ny andraikitra tokony raisina rehetra hanatanterahana izany Atsimondrano satria ny mahasoa ny Firenena no banjinina ary hiverina hoazy ny fampandrosoana ny fiharian’ny tsirairay.
Teti-panorona handrangitana korontana ny antony nahatonga ny ministeran’ny ati-tanin’ny FATE namoaka ny naoty mandrara ny fivoriana fanehoan-kevitra politika. Raha ny fanazavana nentin’ny Depiote Zafilahy Stanislas anefa dia “tsy manan-kery intsony iny naoty iny noho ny governemanta Vital efa nametra-pialana tamin’ny 17 oktobra lasa teo”. Ny talen’ny kabinetra izay manao sonia io naoty io dia notendrena amina toerena politika fa tsy teknisiana noho izany manaraka ny ministra izay efa nametra-pialana ny fahefana nananany. “Farafaharatsiny ny sekretera jeneraly no nanao sonia izany satria teknisiana kokoa ny toerany”.
Mitohy Magro Tsy hampihemotra ny hetsika eo amin’ny Magro izany satria efa zatra nampitahorina ny mpandala ny ara-dalàna sady mijoro amin’ny heviny ka tsy azo hozongozonina amina naoty toy ireny. Mitohy hatrany arak’izany ny fihaonan’ny vahoaka manohana ny Filoha RAVALOMANANA Marc eo amin’ny Kianjan’ny Finoana ary tsy hitsahatra izany raha tsy tonga an-tanindrazana ny Filoham-pirenena ary mihatra avokoa ireo fepetra hametrahana tontolo feno fahatoniana eto Madagsikara.
Telo taona latsaka taorian’ny nisian’ny fanonganam-panjakana teto Madagasikara dia mbola manamafy ny fikambanana MAMIFI fa tsy mbola misy ny mahavita ny nataon’ny Filoha RAVALOMANANA raha ny fampandrosoana no resahina. Sahin’ireo mpikambana ny mijoro vavolombelona fa niadana lavitra noho izao ny vahoaka Malagasy tamin’ny fotoana nitondran’ny Filoham-pirenena sady tsy niasa saina loatra tamin’ny resaka fandriam-pahalemana. Noho izany dia manantitra ny fitakian’izy ireo ny hiverenan’ny Filoha RAVALOMANANA haingana an-tanindrazana izy ireo satria izay ihany no ahafahana mamaha izao krizy politika lavareny bodoin’ny FATE izao
Manao antso avo amin’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena noho izany izy ireo mba hanao ny fomba rehetra hanamorana ny fanatanterahana izany fiverenan’ny Filoham-pirenena Malagasy izany.
Ankoatr’izay dia takian’ireo mpikambana MAMIFI ihany koa ny amoahana tsy misy hatak’andro ireo gadra politika rehetra mba ahitana marina ny tena fahatoniana mialohan’ny hiatrehana ny tetamita tena izy. Nambaran ‘izy ireo moa fa satria maharary sy mahamenatra aza ny tsy fahafahan’ny samy Malagasy mamaha ny olana dia tena ilaina tokoa ny fahatongavan’ireo iraka miaramilan’ny TROIKA teto amintsika mba hanitsy ny fitondran-tenan’y foloalindahy Malagasy izay tsy nitsahatra ny nijoro ho hery famoretana ny mpiray tanindrazana manohitra ny FATE.