« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
Miaiky ny fahendren'ny Filoha RAVALOMANANA mivady ny ankamaroan'ny Firenena manerana ny tany. Izay no azo lazaina taorian'ny ny fampitam-baovao nentin'ny Filoha RAVALOMANANA tamin'ny vahoaka teo amin'ny Magro androany. Nambarany fa antso an-telefonina avy tamina Filoham-pirenena maro indrindra manerana an'i Afrika no nitso-drano izany fiverenan'ny Renin'ny Malagasy izany. Nambaran'izy ireo fa "fanapahan-kevitra feno fahendrena izany ary manaporofo fa tsy ianao no tsy te-hody any Madagasikara" hoy ireo olo-manan-kaja ireo araka ny nampitain'ny Filoha RAVALOMANANA ihany. Efa fantatry ny SADC sy ny TROIKA ihany koa izao fanapahan-kevitra izao sady nahazo ny fankatoavan'izy ireo ary nidera ny faneken'ny Filoha RAVALOMANANA ny fandaminana mikasika ny fiverenany an-tanindrazana ihany koa izy ireo.
Mikasika ny dian'i Neny kosa dia nambaran'ny Filoha RAVALOMANANA fa efa tomombana avokoa ankehitriny ny mikasika izany ary tsy misy atahorana satria efa nahazo ny fanomezan-toky avy amin'ny tomponandraikitra isan-karazany na any ivelany na aty Madagasikara. Nankasitrahin'ny Filoham-pirenena ny fanomanana ny fitsenan'ny vahoaka Malagasy azy ary mbola namafisiny ny tokony hitoeran'ny fahendrena hatrany amin'ny mpandala ny ara-dalàna. Noderain'ny Filoha RAVALOMANANA moa ny finiavana sy ny fahavitrihan'ny vahoaka tao anatin'ny telo taona maninjitra nitakiana ny fiverenan'ny ara-dalàna mba ahafahana mampandroso indray ny tanindrazana iombonana. Naverimberiny ihany koa fa afaka mifampiresaka amin'ny hery velona rehetra Lalao RAVALOMANANA indrindra raha ny famerenana ny ara-dalàna sy ny hampandrosoana an'i Madagasikara no fototry ny fifanakalozana. Nampahatsiahivin'ny Filoha koa fa efa nandray anjara tamin'ny raharaha politika i Neny tamin'ny ezaka nazahoana ireny fanampiana ho fampitomboana ny fidrana an-tsekoly ho an'ny zaza Malagasy ireny ary isan'ny antony nananganana ny fikambanana "Viavy Tiako" izay tarihiny ny hanamora ny fiainan'ny zaza amam-behivavy eto Madagasikara.
« Tsy miraharaha » mahafehy ny toetran’ny FATE hatramin’ny 2008 no mankaty izany raha ny zava-bitany no jerena. Tsy mba mitsinjo ny mpiara-belona sy ny tanindrazana fa ny mahasoa azy ireo manokana no imasoany. Madiva hifarana anefa izany ankehitriny satria ny zatra mikitrana dia tsy mahay mandamina velively. Amin’izao fotoana izao dia mizotra mankany amin’ny fandresen’ny mpandala ny ara-dalàna ny toe-draharaham-pirenena raha ny fijery azy. Ny fiverenan’ny vadin’ny Filoha RAVALOMANANA ohatra dia hanaporofo amin’izao tontolo izao sy amin’ny Malagasy mbola misalasala fa tena vonona hiverina an-tanindrazana ny Filoha sy ny fianakaviany saingy ny FATE no manao izay tsy hahatanteraka izany.
Tao anatin’ny telo taona mantsy izao dia narangarangan’ny FATE fa matahotra ny fitsarana Malagasy ny Filoha RAVALOMANANA ka tsy sahy miverina fa mamita-bahoaka fotsiny ary nahazakan’izy ireo ny marivo salosana rehetra izany tsaho izany. Ankehitriny dia inoana fa tsy hanao sorona ny vadiny velively ny Filoha fa tsy maintsy hiverina tsy ho ela. Efa nanambara izany rahateo ny tenany androany raha nitafa tamin’ny vahoaka mpandala ny ara-dalàna. Hifarana hatreo ny ny fanjakazakan’ny FATE satria hatramin’ny amboletra rehetra nataony aza efa manomboka tratra avokoa. Miampy ny tahotra ny Filoha RAVALOMANANA izany dia hitarika azy ireo any amin’ny fahaverezana lalindalina kokoa.
Ny Filoham-pirenena RAVALOMANANA vady andefomandriny no nanamabara izany am-pahibemaso androany teo amin’ny Kianjan’ny Finoana Magro Behoririka rehefa nitafa tamin’ny vahoaka. “Malahelo ny vahaoaka Malagasy izy noho ny fahoriana niaretana tao anatin’ny telo taona” hoy ihany ny Filoha RAVALOMANANA. Nambarany fa ny zoma hoavy izao farafahatarany no hamafisiny amin’ny vahoaka Malagasy ny andro sy ny ora hiverenan’I Lalao RAVALOMANANA an-tanindrazana. Nankasitraka ny fahatsiarovan-tenan’ny ankamaroan’ny foloalindahy ny Filoha ary manentana ireo vitsy an’isa mbola mamikitra fatratra amin’ny mpanongam-panjakana mba hieritreritra ny hoavin’ny taranaka faramandimby.
Mikasika ny raharaham-pirenena ankapobeny dia nambaran’ny Filoha RAVALOMANANA fa nihaona tamina mpitondra fanjakana sy tomponandraikaitra iraisam-pirenena maro ny tenany tany Addis-Abeba ary nifampizara vaovao tamin’izy ireo. Ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena dia nanantitra tamin’izany fihaonana izany fa tsy hisy ny fanampiana ny fitondrana raha tsy tafaverina an-tanindrazana ny Filoha RAVALOMANANA satria mariky ny fitoniana isany sady dingana lehibe amin’ny famahana ny krizy. Niantso ny finiavan’ny mpanao politika Malagasy hatrany ny Filoha RAVALOMANANA mba hametraka ambony ny fitiavan-tanindrazana fa tsy hanaiky ho baikon’ny fitiavan-tseza n any fitiavam-bola.
Tao tsy mbola tonga saina tsara amin’ny fahamarinana ny ankamaroan’ny vitsy an’isa mpomba an’I tgv. Ataon’izy ireo izay mampihisatra ny famotsoran-keloka faobe mba hibahanany ny Filoha RAVALOMANANA sy hamoretany ireo nampidiriny am-ponja rehetra. Araka ny fanazavana izay nozarain’ny mpiara-mitolona avy any andrefan’Iarivo anefa dia I tgv sy ny ekipany mihitsy no tena mila izany famotsoran-keloka izany. Vao tsy ela akory izay no notsarovana ny faha-telo taonan’ny alatsinainy mainty na dia tsy nasian’ny FATE resaka mihitsy aza ny momba izany.
Tamin’io andro iray io fotsiny dia analiny ny Malagasy mpiray tanindrazana no notsofin’I tgv rano mba handroba sy handoro ary nentiny natao sorona hanamafy ny herin’ny ratsy tompoiny. Misy ny horonan-tsary manaporofo izany ary ny faharavana rehetra vokatr’io andro ratsy io dia mbola vavolombelona hita-maso isan’andro na ny eto an-drenivohitra na ny any amin’ny Faritra. Mazava izany fa izy ireo no tena mila io famotsoran-keloka io noho izany fandrangitana asa ratsy nataony izany. Tsy vitan’izany fa ny andron’ny 07 febroay dia mbola nanambara am-pahabemaso I tgv fa “omena ny vahaoaka ny lapan’Ambohitsorohitra satria an’ny kaomina” dia nanamafy ihany koa ilay praiminisitry ny lalana fa “handeha haka an’Ambohitsorohitra isika izao”. Fiakaran-dapa ny anaran’izany ary melohin’ny lalàna sady manome zo ny mpiambina hampiasa ny fitaoavana eo am-pelatanany hanakanana izay mety ho fakana an-keriny ny toerana saro-pady sy fanadraisana fanapahan-kevitra toa ireny.
Mbola maro ny lesoka azo resahina araha ny fanomanana sy ny fandrindrana ny fitsenana ny Filoha RAVALOMANANA ny 21 janoary teo no resahina. Na ny lafiny fanamafisam-peo na ny fifampifehezana eo amin’ny mpiara-mitolona sy izay mety ho mpanakorontana. Maro ohatra ny niharan’ny harom-paosy tao anatin’ny vahoaka ary voalaza fa ny sasany tamin’ireo tanora nisalotra ny fitafian’ny mpandrindra ny filaminana no tratra nanao izany. Nisy manko olon’ny “192 fokontany” no nantsoina hanampy tamin’izany fotoana izany ary dia tsy voafehy ny sasany tamin’izy ireo fa nihoa-pefy.
Nanome toky ny mpandrindra ny filaminana androany fa hisy fanatsarana ny mikasika izany rehetra izany mba hafahan’ny mpitolona rehetra sy ny vahoaka mifantoka amin’ny andraikitra manandrify azy amin’ny fahatongavan’ny Raiamandreny fa tsy voatery hiambina ny manodidina azy indray. Iray volana sisa raha be indrindra satria alohan’ny 29 Febroary dia tsy maintsy hampihatra ny traikefa rehetra azo nandritra ny fotoana nanomanana io andro malaza io ny tsirairay ka tokony ho vonona sy ho tony mba ho afaka hiatrika izany tsara.
Tato ho ato dia malaza tokoa ny fanazaran-tena ataon’ny ekipan’ny Jly Baomba eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato eny. Isan’ny mampametram-panontaniana ny maro ny momba ny traikefa momba ny fiarovana amin’izany fanazaran-tena aseho masoandro lava izany. Isaky ny hanao izany manko izy ireo dia manasa ny mpanao gazety rehetra haka sary sy hanadihady momba ireny “manoeuvres” ireny. Inoana fa raha tena fiarovana no tanjona dia tsy havoaka velively izay fanazaran-tena atao. Raha ny fahitana azy dia fampitahorana sy fanimbana saim-bahoaka no tena anton’ireny. Ezahina lemena ny sain’ny mpandala ny ara-dalàna mba hino fa tena tsy maintsy ho voasambotra tokoa ny Filoha RAVALOMANANA rehefa tonga eny Ivato na dia tsy marina velively aza izany.
Ny tena marina dia ireo manam-boninahitra mbola migoka ny volan’I tgv no tena miseho dadany amin’izao fandemen-tsaina izao satria matahotra mafy ny fiverenan'i Dada fa raha ny sarababen’ny tafika dia mbola mino fa ny Filoha RAVALOMANANA ihany no tena afaka mampandroso ny firenenatsika indrindra amin’ny fanarenana ny vokatry nny hadalan’ny mpnanongam-panjakana. Ireo manam-boninahitra voalaza ireo anefa dia nisy tsy tompon’ny tenany intsony ny sabotsy 21 janoary noho ny zava-pisotro maha-mamo sotroiny natay fe-potoana fiasana hany ka dia nifampisintona teo ny lehilahy ary latsaka mihitsy ny “lance grenades” teny an-tanany tamin’izany. Izany no fitondran-tenan’ny be galona Malagasy.
Anjomara fahatelo vao tena izy … Tsy mitsahatra mifanentana ny mpitolona rehefa tafahaona eo amin’ny kianjn’ny Finoana satria “ity fahatelo ity no tena fandresena”. Ny fiverenan’ny Filoha RAVALOMANANA no resahina eto mazava ho azy. Nentin’ny mpitarika nankahery ny vahaoaka androany ny sarintsary mikasika ny sidina hitondra ny Filoha : tamin’ny 19 febroary 2011 dia tsy afaka niondrana akory ny Filoha sy ny mpanara-dia azy. Ny 21 janoary 2012 dia efa aty anaty habakabaka Malagasy ny fiaramanidina vao naverina. Amin’ny fahatelo izany dia inoanan’ny mpandala ny ara-dalàna rehetra fa hifandray tanana amin’ny Filoha RAVALOMANANA izy ireo ary handray am-pifaliana sy am-pahendrena ny valin’ny tolona natao nandritra ny telo taona.
Vao tafaverina avy tany Afrika Atsimo, izy ireo dia efa nanomboka sahady ny fanaparitahana lainga sy fanelezana tsaho. Mazava anefa ny tatitra nataon’ny Ankolafy RAVALOMANANA sy ny fampitam-baovaon’ny SADC fa afaka mody malalaka ny Filoha RAVALOMANANA ary ny fampitsaharana ny fanenjehana politika , araka ny andininy faha-16 ao amin’ny tondro zotra, no manery ny FATE hanamora izany. Ankoatra izany anefa dia efa mazava ao anaty tondro zotra ihany koa fa mody tsy misy fepetra ny sesitany rehetra ary isan’izany ny Filoha RAVALOMANANA.
Miasa sahady … Raha tokony nihaona tamin’ny vahoaka teo amin’ny Kianjan’ny Finoana ny delegasiona avy amin’ny Ankolafy RAVALOMANANA dia nampitondra fialan-tsiny tamin’ny Depiote Mamitiana Ravelonanosy. Nambaran’ity farany ary fa am-perinasa tanteraka mikarakara antotan-taratasy ilaina any Addis-Abeba ireto delegasiona ireto amin’izao fotoana izao. Mivory any Etiopia manko ny vondrona afrikana amin’izao fotoana izao ary inoana fa isan’ny hiresahina ny momba an’I Madagasikara indrindra taorian’ny fanodikodinana fiaramanidina nataon’ny FATE ny sabotsy lasa teo. Raha ny fanantenan’ny mpomba ny ara-dalàna moa dia tokony afaka miaro ny zony manoloana ireo tomponandraikitra afrikana ireo ny Filoha RAVALOMANANA indrindra mikasika ny tsy nahafahany niverina an-tanindrazana ny sabotsy teo.
Mbola maro tamin’ireo mpitolona avy any amin’ny Faritra no, mbola nijanona eto an-drenivohitra taorian’ny 21 janoary. Mbola nanantena izy ireo fa ao anatin’ny herinandro no hahatongavan’ny Filoha RAVALOMANANA rehefa nahodikodin’ny FATE ny fiaramanidina nitondra azy tamin’ny sabotsy. Ankehitriny anefa dia efa fantatra fa alohan’ny 29 febroary no hahatanterahan’izany koa dia hanapa-kevitra hody kely aloha izy ireo. Ankoatra ny komity manokana mikarakara ireto mpitolona avy amin’ny Faritra ireto dia misy ny mila fanampiana manokana satria tena lavitra loatra ny fiaviany. Isan’izany ny avy any amin’ny distrikan’I Marovoay. 25 000 ariary isan’olona no saran-dalana miverina ho azy 36 mianadahy.
Noho ny lesoka teo amin’ny fifampitondran’ny mpandala ny ara-dalàna any an-toerana dia nanaovana latsa-kemboka teo amin’ny kianjan’ny Finoana izy ireo mba hahafahany mody any Marovoay. Nahatratra 106 170 Ariary ny voatsirambin’ny tanana tamin’izany ary ankoatra izany dia misy malala-tanana efa hiantoka saran-dalana ho an’ny efatra amin’izy ireo. Misy ihany koa ny mpiara-mitolona avy any ivelany nanome 50 000 Ariary ho fanampiana ireo avy any amin’ny faritra mbola tafajanona eto Antananarivo ary ny mpiasan’ny TIKO dia nanome vary 50 Kg ho azy ireo ihany koa. Izany rehetra izany dia sady manamafy ny firaisan-kinan’ny mpomba ny Filoha RAVALOMANANA no manaporofo ihany koa fa tsy misy vidiam-bola ny mpara-dia azy fa resy lahatra amin’ny zava-bitany hatrizay ary mbola vonona hanampya azy hanao misimisy kokoa.
Araka ny vaovao voaray avy any Afrika Atsimo dia hody alohan’ny 29 febroary ny Filoha RAVALOMANANA ary ny SADC mihitsy no hiandraikitra ny fiarovana azy akaiky. Noho izany ary dia efa hamerina sahady ny fanentanana any amin’ny mpiara-monina nny vahoaka mpandala ny ara-dalàna. “Ilaina maro lavitra noho ny tamin’ny 21 janoary isika” ho ny depiote Mamitiana Ravelonanosy “mba hahafantaran’izao tontolo izao ny lanjan’izany mpandala ny ara-dalàna eto Madagasikara izany”.
Na izany aza dia nambaran’ity olom-boafidy TIM ity fa “tsy tokony hitondra ny tetezamita intsony I tgv”. Nazavainy fa ny zava-nitranga tamin’ny sabotsy dia fandikana mihoa-papana ny tondro zotra izay nametraka azy ho filoha na dia mpanongam-panjakana aza. Rehefa manitsaka ny tondro zotra izany I tgv dia manala tena tsy ho filohan’ny tetezamita avy hatrany.
Fitoniana : hiandry SADC indray ??? Raha 26 minitra zo hamaly an’I Voninahitsy no nifanarahana tamin’ny TVM ny alatsinainy teo dia nandalo sivana ny fanadaharana. Ora iray no lany nandraisana ny sary sy ny feo saingy rehefa nifarana ny vaovao an-tsary hariva dia tsy nandeha ny fandaharana. Tany amin’ny misasakalina latsaka vao nandeha izany ary zara raha nahita 13 minitra sisa satria dia notapatapahina avokoa izay resaka “manelingelina” nataon’Ihanta randriamandranto sy ny Me. Hanitra Razafimanantsoa.
Raha fahafahana madiodio indray no voarakitra anaty tondro zotra dia famindran-toerana no nomena ireo gadra politika sasany alina. Misy ireo manamboninahitra nampangaina tamin’ny raharaha BANI no nalefa ao Antanimora raha tany Tsiafahy taloha. Ny raharaha FIGN kosa dia,nozarazaraina Antsirabe, Arivonimamo ary mbola misy enina mirahalahy najanona ao Tsiafahy.
“Sarintsarim-pitoniana izany” hoy Ignace avy any Moramanga “fa aoka tsy hifanadala”. Nambarany ary fa tsy manaraka ny nifanarahana ao anaty tondro zotra izany rehetra izany ka tsy azo ekena. Nanaitra ny fandraisan’andraikitry ny olom-boatendry rehetra ny tenany hanery ny fanitsiana izao fihetsika tsy mety izao. Nanentana ny mpanao politika nahatsapa ny ratsy nataon’I tgv ihany koa izy mba tsy hijanona ho fanambarana ihany izany fa havadika ho asa ka tanjona voalohany tokony iaraha-manatratra izay mitondra mankany amin’ny fifampihavanana dia ny fitoniana politika sy sosialy.