« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
Tamin’ny taona 2008 dia betsaka no velom-panontaniana ny amin’ny antony nanakatonan’ny filoha Ravalomanana ny Fiangonana Protestanta Vaovao Malagasy (FPVM) fantatry ny maro amin’ny hoe Antaninanandrano. Izany moa no isan’ireo antony nahatonga ireo olona mpino tao amin’ity fiangonana ity tonga maro teny amin’ny Kianjan’ny 13 Mai, nanohana ny TGV ny taona 2009. Ary dia notenenin-dratsy mihitsy moa ny filoha Ravalomanana, lazaina fa devoly, mpilalao ody, .... Ary dia mpiandry avy tamin'ity FPVM ity mihitsy aza moa no isan'ireo namaky ireo ministera niaraka tamin'ny olona avy amin'ny HAT, ary namaky lay tao amin'ny lapan'Ambohitsorohitra.
Telo taona aty aoriana, mivoaka ny marina. Ao ampiangonana, toerana masina, ambara fa itoeran'Andriamanitra ve dia tokony hanaovana zavatra mamoafady sahaka amin'izao?
Sary mety hanafintohina!! Attention des images peuvent heurter la sensibilité de certaines personnes!!
Hatramin’izay nipoiran’ny maso mbola tsy nahita zavatra mamoa-fady sahala amin’izao, indrindra moa fa dia ao ampiangonana no nanaovana azy.
Sary mety hanafintohina!!
Attention des images peuvent heurter la sensibilité de certaines personnes!!
Sarotra be ny hitsara, fa aoka ny rehetra no handinika sy handray ny tandrify azy amin’ity raki-tsary ity. Sanatria tsy natao hanalana baraka olona fa kosa, hampibaribariana ny zava-misy marina, ny Fahamarinana.
Sary mety hanafintohina!!
Attention des images peuvent heurter la sensibilité de certaines personnes!!
Ny tsirairay no aoka hisintona lesona, amin'izao ankatoky ny Noely izao.
Résumé en VF et VA (Traduction libre)
FPVM Antaninanandrano: de l'exorcisme au Visa A Bon nombres de chrétiens se sont interrogés sur la cause de la fermeture de l'église protestante du renouveau malagasy FPVM appelée communément Antaninanandrano. Ravalomanana en personne a été pointé du doigt. Cette église a été fermée en 2008, sous le régime Ravalomanana puis réouverte illico dès l'accession au pouvoir par la force de Andry Rajoelina. En effet en 2009, les membres de cette communauté ont été les fervents partisans de la lutte populaire de TGV sur la place du 13 Mai. Les ''mpiandry'' de cette église ont participé dans toutes les actions initiées par Andry Rajoelina comme la prise des ministères et le palais d'Etat d'Ambohitsorohitra. Ce sont eux qui ont déclarés urbi et orbi que « Ravalomanana était le disciple direct de Satan » en se basant sur quelques objets retrouvés au Palais. Mais ces vidéos démontrent que des ''choses'' se passent au sein de cette FPVM, des ''choses inqualifiables, indignes du nom de Jésus-Christ'', une offense pour les chrétiens, un véritable défi pour ceux qui croient en la Rédemption. Mais ces vidéos démontrent également à quel point les droits de l'Homme et surtout de la femme sont bafoués à Madagascar. Nous ne porterons aucun jugement sur ces ''choses '' mais tout un chacun peut en prendre acte et adopter une position adéquate.
FPVM Antaninanandrano: of the exorcism to the Visa A A lot of Christians wondered about the cause of the closure of the Protestant church of the revival malagasy FPVM called collectively Antaninanandrano. Ravalomanana personally was pointed by the finger. This church was closed in 2008, under the diet Ravalomanana then opened again straightaway from the entry in the power by the strength of Andry Rajoelina. Indeed in 2009, the members of this community were the partisan lovers of the popular fight of TGV on the square of May 13th. The "mpiandry" of this church participated in all the actions introduced by Andry Rajoelina as the taking of ministries and palace of State of Ambohitsorohitra. It is them who declared urbi et orbi that " Ravalomanana was the direct follower of Satan " by basing itself on some objects found to the Palace. But these videos demonstrate that "things" take place within this FPVM, " unqualifiable, despicable things of the name of Jesus Christ ", an insult for the Christians, a real challenge for those who believe in the Redemption. But these videos also demonstrate in which point human rights and especially of the woman are scoffed in Madagascar. We shall concern no judgment these "things" but everyone can note it and adopt an adequate position.
Potika amin’ny 60% ny tananan’i Moramanga raha ny tatitra nataon’ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy any an-toerana. Ankoatra ny fahasimbana ara-materialy dia nisy ny mpiray tanindrazana namoy ny ainy tany an-toerana. Raha ny tatitra vonjy maika dia enina no isan’izy ireo hatramin’ny androany. Ahiana anefa ny hitomboan’izany afaka andro vitsy satria mananosarotra ny famonjena ny tra-boina amin’izao fotoana. Mitambesatra amin’ny FATE ny tsy fisian’ny fanampiana avyany ivelany ary mihatra amin’ny vahoaka izany ankehitriny satria isan’ny manampy betsaka amin’ny fotoanan’ny andro ratsy toa izao izany nefa dia sarotra ny manantena noho ny tsy maha-ara-dalàna ny mpitondra.
Manana vaomiera manokana misahana ny vonjy taitra ihany ny vondrona iraisam-pirenena isan-tokony saingy tsy hahasahana manontolo ny filan’ny Malagasy izany. Araka ny nampitain’i Randriamamizafy Ignace ary dia ny mpiara-monina ihany no hijery ny fomba hifamonjena sy hifanampiana satria miezaka mitana ny soatoavina Malagasy izy ireo ka miara-miaina « toy ny trano atsimo sy avaratra, izay tsy maha-len-kialofana » .
BILAN GIOVANNA Situation du 16 Février 2012 à 13h00
• Nombre total des communes victimes au niveau des districts sinistrés : 657 • Nombre de communes ayant fournies des données : 66
Tamin’ny lahateny nataony nnadritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2012 teo amin’ny andrim-panjakana dia nentim-po i tgv ka nirehareha fa afaka manakana rivotra. Nolazainy tamin’izany fa na rivotra inona na rivotra inona rehefa mitondra ratsy ho an’ny Firenena dia ho sakanany. Tsy zakany mantsy ny lahatenin’i Mamy Rakotoarivelo nanambara avy hatrany fa ho avy tsy ho ela ny Filoha RAVALOMANANA koa dia nampitoviny tamin’ny rivodoza ny Filoha RAVALOMANANA ary sahy niantsy ny natiora sy Andriamanintra nanao izao rehetra izao izy. Iray volana mahery aty aoriana dia nasehon’ny Nahary azy fa tsy azo atao ny mifaninana sy manao vava tsy voahevitra mikasika ny natiora sy ny namorona azy.
Tsy vitan’i tgv ny nisakana an’i Giovanna. Ary na ny fiomanana amin’ny fandalovany aza dia tsy tontosany. Efa andro maro tokoa manko no fantatra fa handalo eto amintsika io rivodoza io saingy raha ny fantarra sy ny hita maso tamin’ny 14 febroary dia tsy niomana tamin’izany velively ny FATE. Porofon’izany ny tsy fahazahoan’ny mpiray tanindrazana maro ny vaovao marim-pototra mikasika ny fandalovan’izany rivo-doza izany noho ny fahatapahan’ny hainoamanjerim-pirenena fotoana naharitra tamin’io andro io. Azo lazaina fa tsy fahaizana mitondra ihany koa ny fahataran’ny fampandrenesana ny olona amin’ny tokony hivatsiana tahiry isan-tokantrano tamin’io andro io. Efa ny 13 febroary tamin’ny 09 ora alina manko vao namoaka fanambarana momba izany ny fiadidian’ny praiministra raha tokony andraikitr’Ambohitsorohitra ny manao izany. Izany rehetra izany dia nitarika fahafatesan’ny mpiray tanindrazana 17 sy tsy manan-kialofana an’arivony na dia mbola tombana vonjy maika ihany aza izany. Asa na mba afaka mandray anatra amin’izany ny FATE na tsia fa hita fa manomboka tsy manome rariny azy ihany koa ny natiora hatreto.
Mitaraina ireo mpianatra ao amin'ny "Faculté des Sciences" eny Ambohitsaina satria tsy mbola misy tokontaniny ny momba ny fanadinan'izy ireo. Ny an'ny sampam-pampianarana hafa anefa dia efa vita tanteraka ary misy ny hiatrika ny fiodianana faharoa amin'ny Alatsinainy izao. Mahatsiaro tena tsy misy miraharaha ireto mpianatra ireto noho izany ka manome hatramin'ny Alatsinainy izao hamahan'ny FATE sy ny SECES ny olana eo amin'izy ireo mba tsy ho ny mpianatra no hatao takalonaina toy izao. Tsy eken'izy ireo ihany koa ny ampibabena azy ireo ny vokatrin'ny fivakisana eo amin'ny mpampianatra mpikaroka fa rehefa tsy mianatra dia miara-tsy mianatra ary amin'izao zava-mitranga eny Ambohitsaina izao dia tokony hampitoviana ny zava-bitan'ny sampana rehetra izay vao mitokona ny mpampianatra raha hanao izany. Hiatrika fivoriam-be ireto mpianatra ao amin'ny siansa ireto ny Alatsinainy ho avy izao handraisany fanapahan-kevitra amin'ny fepetra ho raisin'izy ireo manoloana izao mahazo azy izao.
Ho anay Mpiasampanjakana dia midika ho TENA TSY FIRAHARAHINA anay iny fampisondrotana 7% - 15% ny karama iny. Ny farany ambany tamin'ny fanondrota-karama hatramin'izay dia mba nifanahatsahana tamin'ny sondrobidim-piainana, fa tamin'ity taona ity kosa dia tena nifanalavitra be tamin'izany fisondrotry ny vidim-piainanana izany. ...
“Ny tsy fahaiza-mitantana ao amin’ny fitondrana no fototry ny olana ety Ankatso” hoy ny solotenan’ny mpianatra. Nanao sonia ny minisitry ny vola tamin’ny fiandohan’ny taona mikasika ny hamoahana ny vola ho entina mampiodina ny anjerimanontolo saingy tsy voatana hatramin’ny farany izany satria misy ireo sampam-pampianarana tsy mbola manana “budget de fonctionnement” ary ny karaman’ny mpampianatra mpikaroka dia tsy mbola voaefa ara-dalàna nefa isan’ny vondrona mampiodina ny tontolon’ny fampianarana ambony. Samy melohin’ny mpianatra avokoa ny fihetsiky ny mpitondra sy ny fihetsiky ny mpampianbatra mpikaroka noho ny tsy fitsinjovana ny fianaran’ny mpianatra.
Raha ny kajy nataon’ireo mpianatra anefa dia 0,2%n’ny tetibolam-panjakana monja ny an’ny fampianarana ambony.
Misy fizarazarana eo amin’ny mpianatra
Misy fahasamihafana raha ny fahitana ny fomba fitondana ny hetsika eny amin’ny anjerimanontolo satria toa misy ny vondrona sasany te-hivatratra ary misy kosa ireo maka milamina ary miandry sy mitazana ny zava-mitranga. Raka ny vaovao voaray dia saron-tava ihany ny an’ireo miseho mahery fihetsika satria mandry vola avy amin’ny olona akaiky ny FATE ary natao « handamina » ny hetsika eny Ambohitsaina. Nahagaga tokoa fa tamin’ny 11 ora atoandro teo ho eo dia nanapa-kevitra ireto « mahery fihetsika » ireto fa hanantona ny ny filohan’ny oniversite satria « manana vaovao » hambara amin’izy ireo hono izany tompon’andraikitra izany.
Tsy mbola naverin’ny fanjakana sy ny fitantantanana ny oniversite ny vola 10000 Ariary isaky ny mpianatra hatramin’izao. Tamin’ny fidirana 2010-2011 dia nampiakarina ny saran’ny fisoratana anarana hiditra eny amin’ny anjerimanontolo. Noho ny fahataran’ny fidirana anefa dia nampiaka-peo ny mpianatra ary isan’ny notakian’izy ireo ny famerenana io ambony apanga tamin’ny fisoratana anarana io. Nanaiky izany ny ministra tomponan’andraikitra tamin’izany fotoana saingy hatramin’izao dia tsy mbola voarain’ny mpianatra izany volany izany. Isan’ny fitakiana entin’ny mpianatra ankehitriny ny famerenana izany volan’izy ireo izany mba ho marikiny ny fanajana ny teny nifanomezana .
Hidina … “esplanade” farafahakeliny ! Manoloana ny fikatsoana tanteraka eny amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony dia nanapa-kevitra ny handray andraikitra indray ny “associations pédagogiques” eny Ambohitsaina. Amin’ny Alarobia ho avy izao dia hanatanteraka fivoriam-be miaraka amin’ny mpianatra rehetra izy ireo handraisana fepetra manoloana izao toe-draharaha izao. Isan’ny tena mikaikaika amijn’izao fotoana ireo mpianatra avy any amin’ny Faritra mandranto fianarana eto an-drenivohitra na ny mifamadika amin’izany. Tao anatin’ny fitokonana nataon’ny mpampianatra mpikaroka mantsy dia tsy mbola fantatra mazava ny tetiandro amin’ny fiatrehana ny fanadinana isan-karazany. Noho izany dia tsy afaka miverina amin’ny Faritra niaviany ireo mpianatra ireo ka voatery nanao fety lavitra ny fianakaviana.
Raha ny fantatra anefa dia tsy mbola ato ho ato no hiverina amin’ny laoniny ny fampianarana ambony satria, ankoatran’ny tambin-karama isan-karazany, dia mbola nisy tamin’ireo mpampianatra mpikaroka no tsy mbola nandray karama hatramin’ny volana jiona 2011 no mankaty. Hiatrika fivoriam-be nasionaly ihany koa noho izany ireo mpampianatra mpikaroka rahampitso talata 10 janoary ary handefa solontena avokoa ny oniversite dimy ankoatra an’Antananarivo mpampiantrano.
Tsy misy fifaliana ny fankalazana ny krisimasy sy ny taom-baovao amin’ity indray mitoraka ity raha ny fahitana ny eny an-tsena sy ny endrikin’ny renim-pianakaviana. Ireto farany dia mahatsapa fa efa mihatra any anaty vilany ny fahantrana ankehitriny noho ny krizy lava reny lalovan’I Madagasikara. Tsy mahavita mifantoka amin’ny fizarana fifaliana amin’ny fianakaviany intsony izy ireo fa mikatro-doha mitady izay hohanina isan’andro sy ny fomba hitantanana ny kely miditra ao an-tokantrano. Ny fianaran’ny ankizy rahateo ihany koa tsy mandeha amin’ny laoniny noho ny fiatoan’ireo fanampiana rehetra nomen’ny fanjakana tany alohan’ny 2009.
Ireo fanampiana ireo dia nanamora kokoa ny vesatra zakain’ny Ray aman-dReny ao anatin’ny ankohonana sady nanosika ny fahavitrihan’ny kilonga namonjy sekoly. Ny any amin’ny distrika ambanivohitra moa dia mbola ampian’ny fitaintainana amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Raha misy tanàna iray nilamina dia lasa mandry an-driran’antsy ankehitriny, raha hala-botry no hita tao taloha dia efa miakatra amin’ny vaky trano izy amin’izao fotoana, ary raha omby no nangalarin’ny dahalo taona vitsy izay dia efa manapitra aina izy ireo tato anatin’ny telo taona. Ohatra velona amin’izany ny ao amin’ny Faritra Bongolava. Izany no manamarika fa tany tsy misy lalàna Madagasikara hatramin’ny nisian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Izany rehetra izany dia manamafy ny hetahetan’ny vahoaka miandrandra ny fiverenan’ny Filoha RAVALOMANANA Marc mba hamerina amin’ny laoniny ny gaboraraka sy hanorina tontolo mendrika ny hasin’ny Malagasy tsirairay avy.
Herinandro izao no nifandrirotra lava ny mpitsara sy ny polisy noho ny raharaha iray izay namoizana ny ain’ny mpitsara iray tany Toliara. Polisy maromaro no volaza fa namono nahafaty azy taorian’ny hatezeran’izy ireo noho ny fampidirana am-ponja ny namany. Voarohirohy tamina fanafihana mitam-basy tany Toliara anefa ity polisy ity saingy notakian’ny namany ny famoahana azy.
An’iza ny lalàna ? Androany dia nentin’ny Polisy sy ny Zandary teny amin’ny lapan’ny Fitsarana ireo olona manan-draharaha ao amin’ny fitsarana ka tokony nalefa eny amin’ny fampanoavana. Nisy ny fihaonan’ny solotena avy amin’ny sindikan’ny mpitsara ary voalazan’ny avy amin’ny polisy sy zandary iraka avy amin’ny Jly Baomba dia ireo mpitsara no nilaza taminy hoe avoaho ireo efa notanana mihoatra ny 48 ora.
Taorian’ny fivoriam-be nataon’izy ireo kosa anefa dia nilaza ny tao amin’ny SMM fa tsy niteny izany velively fa “kajikajy avo lenta no anton’ny fihetsika nataon’ny EMMOREG androany”. Nomarihin’ny sindikan’ny mpitsara eto Madagasikara fa mbola manohy ny fitokonana izy ireo mandrapaha-tanteraka ny fitakian’izy ireo. Taorian’ity loza nitranga tany Toliara ity tokoa dia nitaky ny fialan’ny ministrin’ny filaminana anatiny sy ny fampidirana am-ponja ireo polisy nahavanin-doza ny SMM. Ankoatr’izay dia nomarihin’ny filohan’ny SMM fa tsy maintsy fivoriam-be ihany no manapaka ny fiverenana miasa satria io no nanapaka ny fanombohana ny fitokonana. Nomelohin’izy ireo moa ny tsy fandraisana andraikitra ataon’ny fitondrana foibe izay fositra nahatonga ny tantara hitatra toy izao.
Efa volana maro izao no niteraka fijaliana ho an’ny vahoaka Malagasy manerana ny Nosy ny fahatapahan-jiro lavareny . Toa tsy misy mijery anefa ny momba izany fa ny hanenjika ny toerana politika no mahamaika ireo rehetra mahazo ny departemanta misahana ity resaka jiro ity. Ny eto an-drenivohitra dia tsy misy andro mihiratra fa tsy maintsy misy fahatapahana izany jiro izany ary manodidina ny ora roa ka hatramin’ny adin’ny enina izany ankehitriny. Ny any amin’ny faritra moa dia maharitra hatramin’ny roa andro ny kitroka matetika.
Tsara ny manamarika fa efa nisy ny mpiara-monina amina fokontany maromaro nampiaka-peo ka nanao hetsika fanehoan-kevitra mikasika izany indray sabotsy saingy toa tsy nisy nanohy izany. Ity “délestage” ity anefa dia misy fiantraikany amin’ny fiainana an-davan’andron’ny Malagasy manomboka any amin’ny fihariany ka hatramin’ny fandriampahalena eny amin’ny manodidina ny tsirairay. Isan’ny manome vahana ny vaky trano sy ny fanendahana any anaty tanàna any tokoa ity zava-doza ataon’ny Jiro sy Rano Malagasy ity.
Vain-drahalahy tsy maharary Ny mahasorena ny mpanjifa matetika dia ny tsy fifampitsinjovana rehefa tojo fahasahiranana. Raha sendra tara ohatra ny fandoavanan ny volan’ny JIRAMA dia tsy misy hatak’andro avy hatrany ny fanapahana ny jiro ao an-tokantrano. Setrin’izany anefa dia haizina no omena ny mpiray tanindrazana amin’ny ora tena tsy mampety izany. Toa mandatsa ny ambany lanitra ny fahitana ireo takamoa (ampoules) mirehitra tontolon’ny andro eny amin’ireny andrin-jiron’ny kaomina ireny. Eto vao tsaroana fa toa ny PDS-n’Antananarivo renivohitra no filohan’ny filankevim-pitantanana an’ity orinasam-bahoaka ity ka ka izany no mety mahatonga azy misora-tena ho afaka manao izay danin’ny kibony.