« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
L'absolue priorité actuelle est donc, sans détour et se laisser influencer par les sirènes, d'accorder au Peuple Malagasy toutes ses chances de sortir dignement et avec succès de la crise dans laquelle, il a été trop injustement plongé, en mettant tout en oeuvre afin que le processus initié par la CNOSC, avec l'appui de la Communauté Internationale, aboutisse le plus rapidement possible.
Araka ny fahitan’ny Komity Miaro ny Fiainam-Bahoaka ny raharam-pirenena dia tsy maintsy nisy ny fifanazavana teo amin’ny mpitari-tolona sy ny vahoaka. Amin’izao daty manakaiky ny faran’ny volana febroary nomen’ny TROIKA izao manko dia maro ny fanontaniana any an-tsain’ny mpitolona any. Ny valan-dresaka narahina ady hevitra androany ary dia natrehin’ny solotenan’ireo mpitarika avy amin’ny Ankolafy RAVALOMANANA isaky ny andrim-panjakana. Fotoana natokan’ny KMFB hifanatrehan’ny roa tonta izany nahafahan’ny olom-boatendry nanazava ny dingana efa vitan’izy ireo sy ny mbola hatrehiny any amin’ny andrim-panjakana misy azy avy.
Ny vahoaka kosa dia afaka nametraka ny fanontaniana manitikitika azy mikasika indrindra ny famerenana ny ara-dalàna sy ny fampodiana ny Filoha RAVALOMANANA. Nambaran’ny KMFB moa fa mbola hanohy ny asa ifotony izay antom-pisiany izy ireo, ary hiha-mafy izany, mba handrindrana ny tolom-bahoaka.
Paika vaovao … Isan’ny nanatrika izao valan-dresaka izao ny loholona Jean Louis Rakotoamboa izay voatendry ho mpikambana ao amin’ny filan-kevitra ambonin’ny tetezamita na CST. Nazavainy fa voafetra ihany ny ady hevitra afaka entin’izy ireo any anatin’ny andrim-panjakana noho ny isa tsy mitovy. Na izany aza anefa dia nambarany fa vitan’izy ireo hatreto ny nitarika ny mpikambana hanaraka ny rivotry ny tolom-bahoaka. Tsy nisorona anefa Rakotoamboa nilaza fa tsy hanaiky ny hiverenan’ny Filoha RAVALOMANANA velively i tgv. Noho izany, hoy ihany ity CST ity, dia mila mijery paikady hafa sahady ny zanak’i Dada hanavotana ny Firenena izay efa anaty haizina tanteraka ankehitriny.
« Ny Malagasy mihitsy no mila mahalala ny lanjan’ny fifanarahana izay vao misy hirika hy hivoahana amin’ny krizy ». Isan’ny nambaran’ny Pr. Ranjeva Raymond io raha nanao famelabelarana ny tenany. Maro ny fihetsika tsy am-piheverana sy tsy misy fahazavan-tsaina amin’ny fitadiavana vahaolana eto amin’ny Firenena hoy izy. Isan’ny fahadisoana ny fiheverana fa an’ny mpanao politika irery ny famahana ny olana satria izy ireo dia efa be famaritra ka manadino ny fototra ahafahana miala amin’ny krizy. Raha ny fahitan’ny Pr. Ranjeva dia ny famerenana amin’ny laoniny ny fiainan’ny sarababem-bahoaka no tena tokony hibahana an-tsain’ny isam-batan’olona mba ahafahany mieritreritra ny tombontsoa iombonana.
Isan’ny nomarihiny manokana fa raha tsy ny fiverenan’ny sosialim-bahoaka no banjinina dia tsy ho tafavoaka isika. « Ny tondro zotra tsy misy hasiny raha tsy ny olom-pirenena no mahatsapa ny andraikitra ho raisiny ao anatiny» hoy izy. Aminy dia fototra ihany iny amin’ny fiaraha-mitantana fa ny fifampihavanana na « conciliation » no fanoitra ahafahana miainga amin’ny famahana ny krizy.
Misy mafy hatoka … Efa misy ny dingana fanatonana ireo mpandray anjara politika rehetra araka ny nambaran’ity mpitsara iraisam-pirenena ity. « Efa nanaiky izany izy telo mirahalahy Filoham-pirenena » hoy izy « saingy mbola misy koa ny miziriziry ». Araka ny fanazavana nentiny ary dia fanaganana tetezamita vaovao no tena ilaina amin’izao fotoana ka izay rehetra mitsipaka ny fiarahana sy ny fihavanana no tokony miala tsy handray anjara amin’izany. Hita ho tsy afaka nivalapatra tamin’ny fanehoan-kevitra ihany anefa ny Profesora satria mbola voafatotry ny didim-pitsarana manome azy fahafahana vonjimaika tamin’ny fiampangana azy ho nikotrika fanakorontanana niaraka tamin’ny zanany vavy.
Mbola mitady hanoratra ny tantaran’ny Malagasy ny Frantsay raha ny fahitan’ny maro azy. Niverina namahatra eto amin’ny Firenentsika indray ny tarazon’ny fanjanahana ka na dia any amin’ny anjerimanontolo aza dia ny fampianarana ny fipariahan’ny fanjanahana no betsaka fa tsy ny tantaran’ny Malagasy velively. Ny fisian’ireo miaramila menasofina misalotra fanamiana sy grady Malagasy dia efa manamafy izany. Paipaika entina hamaharana eto Madagasikara rahateo ireny satria raha nanao sonia fanamafisana fiaraha-miasa ny tafika roa tonta tamin’ny 2010 dia efa miraondraona any anaty toby ny bôtin’izy ireo ankehitriny. Isan’ny mahatonga ny FATE handrangitra ny ady an-trano io mba hahafahan’ireto mpikarama an’ady ireto miditra an-tsehatra « handamina » toy ny tany Côte d’Ivoire.
Tamin’ny lahateny nataony nnadritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2012 teo amin’ny andrim-panjakana dia nentim-po i tgv ka nirehareha fa afaka manakana rivotra. Nolazainy tamin’izany fa na rivotra inona na rivotra inona rehefa mitondra ratsy ho an’ny Firenena dia ho sakanany. Tsy zakany mantsy ny lahatenin’i Mamy Rakotoarivelo nanambara avy hatrany fa ho avy tsy ho ela ny Filoha RAVALOMANANA koa dia nampitoviny tamin’ny rivodoza ny Filoha RAVALOMANANA ary sahy niantsy ny natiora sy Andriamanintra nanao izao rehetra izao izy. Iray volana mahery aty aoriana dia nasehon’ny Nahary azy fa tsy azo atao ny mifaninana sy manao vava tsy voahevitra mikasika ny natiora sy ny namorona azy.
Tsy vitan’i tgv ny nisakana an’i Giovanna. Ary na ny fiomanana amin’ny fandalovany aza dia tsy tontosany. Efa andro maro tokoa manko no fantatra fa handalo eto amintsika io rivodoza io saingy raha ny fantarra sy ny hita maso tamin’ny 14 febroary dia tsy niomana tamin’izany velively ny FATE. Porofon’izany ny tsy fahazahoan’ny mpiray tanindrazana maro ny vaovao marim-pototra mikasika ny fandalovan’izany rivo-doza izany noho ny fahatapahan’ny hainoamanjerim-pirenena fotoana naharitra tamin’io andro io. Azo lazaina fa tsy fahaizana mitondra ihany koa ny fahataran’ny fampandrenesana ny olona amin’ny tokony hivatsiana tahiry isan-tokantrano tamin’io andro io. Efa ny 13 febroary tamin’ny 09 ora alina manko vao namoaka fanambarana momba izany ny fiadidian’ny praiministra raha tokony andraikitr’Ambohitsorohitra ny manao izany. Izany rehetra izany dia nitarika fahafatesan’ny mpiray tanindrazana 17 sy tsy manan-kialofana an’arivony na dia mbola tombana vonjy maika ihany aza izany. Asa na mba afaka mandray anatra amin’izany ny FATE na tsia fa hita fa manomboka tsy manome rariny azy ihany koa ny natiora hatreto.
Ny fomba fanaon’ny mpanongam-panjakana hatramin’ny 2009 dia misambotra izay manelingelina azy aloha vao mitady ny fomba hanamelohana azy ireo. Ny volana Aprily 2009 ohatra dia nosamborin’ny CNME notarihin’ny Cdt Charles tamin’izany fotoana izany ny olom-boafidy efatra mirahalahy avy any Vakinankaratra. Tamin’io fotoana nisamborana azy io dia nolazaina fa nizara vola sy basy teo Ambohijatovo izy ireo . Rehefa niakatra fitsarana anefa ny raharaha dia fanimbana fananan’olona no niampangana azy ireo ary tsy hita popoka ilay vavolombelona nolazaina fa nahita maso ny resa-bola sy basy.
Mitovy tsy misy valaka amin’izany ny fisavana natao andro maizina tao amin’ny tranon’i Tojo RAVALOMANANA.
Notapahina hatramin’ny jiro manazava ny tanàna mihitsy mba tsy hisy hahita ny teti-dratsy nokarakarain’i Nakany sy ny namany. Tao anatin’izany indrindra no namoronana ity fehin-drongony nolazaina fa hita tany amin’ny tranon-tsoavaly ity. Tsy vitan’ny tsy fanajana ny zon’ny tompon-trano ny tsy famelana azy hiantso ny mpisolovava azy farafaharatsiny fa manakana ihany koa ny fanamarinana ny zava-misy. Raha toa ka marina fa nisy rongony tao Manjakatompo dia tsy afaka niala tamin’izany Tojo RAVALOMANANA sy ny ankohonany raha nanatrika ny mpisolovava azy. Saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia ny DST no nanao izay saim-pantany tao amin’ny tananan’olona novakiany ary hitan’ny rehetra ihany koa ilay vehivavy nitondra fiara manokana niaraka tamin’ny fonosan-javatra iray ary nanolotra izany tamin’ireto polisy politika mandray baiko avy amin’i Haja Resampa ireto. Tokony maka toerana hisainana tsara ny Kaomisera Nakany Charly dia mieritreritra lalina sy manontany tena hoe iza no mety hino izay lazainy satria ny valiny dia … « tsy misy ».
Fiara telo an’ny olom-boafidy teo aloha avy ao Vakinankaratra no nataon’ny DST ampihimamba hatramin’ny taona 2009 no mankaty. Loholona, solombavam-bahoaka ary ben’ny tanàna no tompon’izy ireo. Tsy nisy taratasy na fampandrenesana ihany koa tamin’ny fakana azy fa avy hatrany dia nanaovana be midina dia nendahina teny amin’ny tompony tao an-tranony ny fanalahidy. Fomba efa nahafantarana ity polisy politika ity hatrizay moa izany ary fanttra fa i Haja Resampa sekretera jeneralin’i tgv no tena mpaniraka azy ireo manao izany fandrobana mitam-basy izany.
Na dia ao anatin’izao fanatanterahana ny tondro zotra izao dia tsikaritra fa isan’ny vondrona tsy voafehin’ny lalàna velona ny DST na dia isan’ireo voalohany tokony mampanaja izany aza. Vao herinandro izao no namaky trano tao Manjakatompo Andranomanelatra izy ireo ka nampihorohoro an’i Tojo RAVALOMANANA mivady. Miantso ny fahatsiarovan-tenan’ny lehiben’izy ireo ihany anefa ny Ankolafy RAVALOMANANA mba hamerina tsy misy hatak’andro ireo fananan’olona ireo satria dia tsy nahazahoan-dalana ny fakana izany sady tsy nanara-dalàna ihany koa. Ankoatra ny Faritra Vakinankaratra moa dia fantatra fa misy fiara tsy mataho-dalana iray an’ny depioten’Ambositra ihany koa gejain’izy ireo amin’izao fotoana izao. Ny tena manafitohina amin’izao tantara izao dia isan’ny fiara entin’ny DST sy ny Komisera Charly Nakanympitarika azy miriaria amin’izay tany misy azy ireo fiara nangalariny ireo.
Mandeha tsikelikely ny fanentenana any amin’ny Faritra ao amin’ny Tanora Tiako I Madagasikara. Misantatra izany ny eto Analamanga ka anatanterahana fihaonana isaky ny boriborintany eto an-drenivohitra mialohan’ny hitetezana ny Faritra Analamanga iray manontolo. Fotoana isian’ny fifanakalozana eo amin’ny mpandrindra sy ny mpikatroka mba tsy hahavery ny herin’ny rantsana sy ny antoko iray manontolo mihitsy. Nisy fanahiana ihany ny momba izany taorian’ny nisitahan’ny filoha nasionalin’ny tanora TIM teo aloha saingy efa miverina amin’ny laoniny izany ankehitriny noho ny fahatsapan’ny maintso volo fa izay toromarika avy amin’ny Filoha RAVALOMANANA ihany no itondrana ny tolona.
Mandram-pisian’ny kongresy nasionaly amaritana izay birao hitantana ny rantsana anefa dia ny mpandrindra eto amin’ny Faritra Analamanga no mifandray tsy tapaka amin’ny tanora any amin’ny Faritra hafa ka manao izay hampihodina ny tolona izay ataon’izy ireo. Araka ny nambaran’ny CT Fanja moa dia hery lehibe ho an’ny tanora ny fisian’ny fifanakalozan-kevitra sy ny fihainoana ny hetahetan’izy ireo. Tanora manko ny nahavanon-doza teto amin’ny Firenena tamin’ny 2009 ka ilaina ny mitaiza sy mamolaka ny mitovy aminy hanaja izany ara-dalàna izany sy hahay haneho hevitra am-panajana ary hankato ny fifandimbiasan-toerana demokratika mba tsy hilentika anaty lavaka toy izao indray Madagasikara any aoriana. « Ny hazo no vanon-ko lakana » rahateo «ny tany naniriany no tsara ».
Taorian’ny zava-nitranga tamin’ny fonenan’izy ireo tao Manjakatompo Andranomanelatra ny 06 febroary teo dia nanao fanambarana i Tojo RAVALOMANANA. Araka ny nambarany tao anatin’ny fanambarana nentiny dia mijoro amin’ny maha-Malagasy azy ny tenany ankehitriny ary maneho fa vizana tanteraka amin’ny krizy politika lavareny.Naseohony ny mpanao gazety sy ireo mpanatrika ny bala izay nitifirana ny alika niandry ny trano. Nambarany fa izay milaza fa mpitondra no tokony ho modely tsara ho an’ny vahoaka. Mampalahaelo anefa fa toa fampihorohoroana lalandava no iainan’ny Malagasy ary ireo manam-pahefana no tena manao izany.
« Tsy vao voalohany izao ary manahy aho fa tsy izahay no farany » hoy ihany ny zanaky ny Filoha RAVALOMANANA « noho izany dia manao antsoa avo amin’ny fianakviam-be iraisam-pirenena izahay amin’ny fampitsaharana ny krizy ». Notsoriny fa tratran’ny DST ny tanjony, ary nireharehany rahateo izany, satria nihorohoro izy ireo tamin’ny alin’ny 06 Febroary lasa teo ary mbola mandry tsy lavo loha. Tsy mitondra soa anefa izany fa vao maika mampiseho amin’izao tontolo izao ny tsy fisian’ny lalàna sy ny tsy fanajana ny zon’olombelona.