Édito

Te-hitondra kanefa tsy mahazaka

Miharihary imason'izao tontolo izao fa fanjakana nangalarina ka manao didijadona sy tsy azo hatokisana no misy eto Madagasikara. Miharihary imasombahoaka ankehitriny fa izay firenena rehetra mifampiraharaha amin'ity fanjakana halatra ity dia mirefarefa mitovy kilasy aminy !
Noporofoin'ny FAT indray androany fa ankolafy manaron-kenatra ny Firenena Malagasy tamin'ny fihetsika mamohehitra nasehony imason'izao tontolo izao izy : mandrara ny mpiray Tanindrazana aminy tsy hiditra an-Tanindrazany. Mbola nampiseho sy nanaporofo ihany koa ny FAT fa andian'olona tsy azo hatokisana satria mpivadi-dela manomboka amin'ny sefony, Andry Nirina Rajoelina ka hatrany amin'ny mpanara-baiko, i ramatoa Razanamahasoa : mandefa taratasy fisamborana kanefa izireo milaza ny hisambotra indray no mandrara ilay hosamboriny tsy hanatanterahan'izireo ny fikasàny. Midika izany fa andian'olona sady kanosa no tsy mandry eritreritra ny atao hoe FAT ; ary matoa tsy mandry eritreritra dia satria mahatsapa-tena fa nanao ota sy fady tamin'ny Firenena sy ny mpiara-belona aminy. Niseho androany 19 febroary 2011 ihany koa ny fahatahorany ny filohampirenena Marc Ravalomanana : ny hatahorana ihany mantsy no halavirina. Nataon'ny FAT daholo ny fomba rehetra tsy hahatonga ny filohampirenena Ravalomanana an-tanindrazana, eny fa hatramin'ny fomba mandrakotra henatra imason'izao tontolo izao ho azy aza : dia hitan'izao tontolo izao tokoa fa henatra no sahaza ny FAT tamin'ny fihetsika nataony anio.
Ny firenena manaiky ny hifampiraharaha amin'ny andian'olona tahaka ny FAT dia firenena mikorosy sy manambany ny fireneny ho mitovy kilasy aminy ary mpiray tsikombakomba amin'ny fomba ratsy rehetra nataon'ny FAT. Lafrantsa izay hany firenena misisika hanampy amin'ny lafiny rehetra izao "fanjakana" izao dia azo lazaina fa firenena manambany tena mitovy kilasy amin'ireo andian'olona izay tsy misy izay azo hanajàna azy. Andian'olona tsy nofidiam-bahoaka ka tsy azo lazaina velively hahazo hisolotena ny Vahoaka Malagasy sy ny Firenena Madagasikara. Te-hitondra Firenena kanefa tsy mahazaka ka manaonao foana, mitafy sy mapitafy henatra.

Fandresena lehibe

Fandresena lehibe kosa hoan'ny Vahoaka tan-dalàna no niseho anio 19 febroary 2011 fa nampiseho ny maha Vahoaka matotra sy Vahoaka tsy mpanao gidragidra na mpandroba tahaka ny mpomba ny FAT. Vahoaka aman'alina tokoa kanefa dia nanara-penitra ny fihetsika sy ny fahendreny. Nasehon'ny Vahoaka malagasy androany fa tsy avy aminy velively ny asan-jiolahy niseho teto amin'ny Firenena malagasy tao anatin'izay roa taona izay fa avy amin'ny andian-jiolahy voakarama hampihorohoro, handroba, hanapotika mba handrobàn'i Andry Nirina Rajoelina sy ireo mpiray tsikombakomba aminy ankehitriny ny fitondràna ara-dalàna izay nofidian'ny Vahoaka hitondra ny tany sy ny Firenena. Vahoaka analikisa kanefa dia nizotra ampilaminana ny hetsika nasehony hitsenana ny filohampirenena Marc Ravalomanana.

Rehareham-pirenena
Mahazo mirehareha ny filoha Ravalomanana manana mpomba misaina sy mahay miaina tahaka ny Vahoaka hitan'izao tontolo anio ny fihetsiny. Ary ny Vahoaka koa dia afaka mirehareha fa tsy diso safidy manana ny filohampirenena toa ny filoha Ravalomanana isan'ny Tia Tanindrazana tsy voavidy vola ary mitovy kilasy amin'ny Ralaimongo  sy ireo mahery fo ny Firenena tao amin'ny VVS sy MDRM.

Syndiquer le contenu