« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
Miaiky ny fahendren'ny Filoha RAVALOMANANA mivady ny ankamaroan'ny Firenena manerana ny tany. Izay no azo lazaina taorian'ny ny fampitam-baovao nentin'ny Filoha RAVALOMANANA tamin'ny vahoaka teo amin'ny Magro androany. Nambarany fa antso an-telefonina avy tamina Filoham-pirenena maro indrindra manerana an'i Afrika no nitso-drano izany fiverenan'ny Renin'ny Malagasy izany. Nambaran'izy ireo fa "fanapahan-kevitra feno fahendrena izany ary manaporofo fa tsy ianao no tsy te-hody any Madagasikara" hoy ireo olo-manan-kaja ireo araka ny nampitain'ny Filoha RAVALOMANANA ihany. Efa fantatry ny SADC sy ny TROIKA ihany koa izao fanapahan-kevitra izao sady nahazo ny fankatoavan'izy ireo ary nidera ny faneken'ny Filoha RAVALOMANANA ny fandaminana mikasika ny fiverenany an-tanindrazana ihany koa izy ireo.
Mikasika ny dian'i Neny kosa dia nambaran'ny Filoha RAVALOMANANA fa efa tomombana avokoa ankehitriny ny mikasika izany ary tsy misy atahorana satria efa nahazo ny fanomezan-toky avy amin'ny tomponandraikitra isan-karazany na any ivelany na aty Madagasikara. Nankasitrahin'ny Filoham-pirenena ny fanomanana ny fitsenan'ny vahoaka Malagasy azy ary mbola namafisiny ny tokony hitoeran'ny fahendrena hatrany amin'ny mpandala ny ara-dalàna. Noderain'ny Filoha RAVALOMANANA moa ny finiavana sy ny fahavitrihan'ny vahoaka tao anatin'ny telo taona maninjitra nitakiana ny fiverenan'ny ara-dalàna mba ahafahana mampandroso indray ny tanindrazana iombonana. Naverimberiny ihany koa fa afaka mifampiresaka amin'ny hery velona rehetra Lalao RAVALOMANANA indrindra raha ny famerenana ny ara-dalàna sy ny hampandrosoana an'i Madagasikara no fototry ny fifanakalozana. Nampahatsiahivin'ny Filoha koa fa efa nandray anjara tamin'ny raharaha politika i Neny tamin'ny ezaka nazahoana ireny fanampiana ho fampitomboana ny fidrana an-tsekoly ho an'ny zaza Malagasy ireny ary isan'ny antony nananganana ny fikambanana "Viavy Tiako" izay tarihiny ny hanamora ny fiainan'ny zaza amam-behivavy eto Madagasikara.
Nankasitraka ny vahaoaka Malagasy iray manontolo ny Filoha RAVALOMANANA androany. Nisaorany manokana ireo afaka nihazo ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena niandry ny fahatongavany na dia tsy nahomby aza izany noho ny hetraketraky ny mpanongam-panjakana. "Hatramin'izao izahay dia mbola toy ny tsy miala ao anaty fiaramanidna satria mbola hotely no ipetrahanay" hoy ny Filoha "satria niteny mazava aho fa tsy hiala anaty fiaramanidina raha tsy any Antananarivo".
Ankoatra izany dia niondrika am-panajana noho ny fahalasanan'ny mpiara-mitolona ny Filoha RAVALOMANANA ary nankahery ny fianakaviana mana-manjo. "Tsy ataontsika latsaka an-tany izany ràn'ny Malagasy tia tanindrazana izany" hoy ihany izy. Isan'ny fehezanteny naverimberiny ny hoe "tsy misy afaka hanala ny fitiavako an'i Madagasikara" ary nambarany fa efa nanao izay azo natao izy ireo saingy efa taty amin'ny habakabaka Malagasy no naverina an-tanin'olona. Nampitain'ny Filoha tamin'ny mpiara-mitolona rehetra ary fa misy ny fivoriana tsy ara-potoana izay tarihin'ny TROIKA manomboka rahampitso ary efa nampanantsoina hanatrika izany ny ankolafy politika Malagasy koa dia miandry izay vokany isika fa "tsy maintsy ho tonga i Dada" hoy ihany ny Filoha RAVALOMANANA.
Ao amin'ny Sheraton Hotel ao Johannesbourg, ny filoha Marc Ravalomanana sy ireo mpandeha ny Airlinks no mipetraka amin'izao fotoana izao. Ary ny fitondrana ao Afrika Atsimo no miantoka izay lany rehetra amin'izany. Tsy maintsy hiverina any Madagasikara izahay hoy filoha Marc Ravalomanana satria efa azonay ny tapakilanay. Fantatra fa manao ny atao hoe « refulling » ilay fiaramanidina, ary miandry ny fanapahan-kevitry ny kaompania-pitaterana dia mipody an-tanindrazana.Raha tsiahivina dia efa minitra sisa tsy hidinan'ny fiaramanidina teo amin'ny seranan'Ivato no nilatsaka ny Notam avy amin'ny Andry Rajoelina. Tamin'ny 14H10no tokony hidina ny seranan'Ivato ny fiaramanidina, tamin'ny 14H no nilatsaka ny Notam.Izany hoe 10 minitra no noterena nakatona ireo seranam-piaramanidina 5 eran'ny Madagasikara.
“Tonga ny fotoana , amin’ny Alarobia izao dia ho lazaiko aminareo ny andro hahatongavako”. Namaly ny fiandrasan’ny vahoaka mpandala ny ara-dalàna tonga maro teo amin’ny Kianjan’ny Finoana ny fanambarana nataon’ny Filoha RAVALOMANANA Marc ary noraisin’ny vahoaka tamin-kafaliana tokoa. Fotoana iray tsy maintsy andraisana fanapahan-kevitra izao araka ny fanazavany satria efa diso mijaly loatra ny mpiray tanindrazana. Fahatelo alohan’ny farany amin’ny Firenena mahantra indrindra manerana ny tany no misy antsika amin’izao fotoana. Nihaona tamina mpitondra Afrikana maro ny tenany nandritra ny fankalazana ny tsingerintaonan’ny ANC tao Afrika Atsimo ,araka ny nambaran’ny Filoha RAVALOMANANA, ary talanjona amin’ny tsy mbola mahatafaverina azy aty an-tanindrazana ny ankamaroan’izy ireo.
Nijoroany vavolombelona ny traikefa nozarain’ny Filohan’ny Burundi taminy. Nolazain’ity farany fa mbola henjana lavitra noho ny tranga eto Madagasikara ny zava-nisy tany amin’io Firenena iray io saingy rehefa niroso tamin’ny fifampiresahana dia voavaha hatrany. “Tapakevitra aho” hoy ny Filoha “fa tsy maintsy hasehoko an’izao tontolo izao ny finiavako hamaha ny olana eto Madagasikara”. Nanteriny fa ny Alarobia ho avy izao no hambarany amin’ny vahoaka Malagasy ny andro hiverenany ary mpanao gazety iraisam-pirenena am-polony maro no hiara-dia aminy hijery ny zava-misy marina eto Madagasikara.
Amin’izao faran’ny taona 2011 izao dia nitondra firarian-tsoa ho an’ny vahoaka Malagasy ny Filoha RAVALOMANANA. “Manantena isika fa hitondra ho avy mamiratra io taona 2012 io” hoy izy raha nitafa tamin’ny vahoaka teo amin’ny Kianjan’ny Finoana. “Efa nanankina ny fiainantsika tamin’Andriamanitra isika” hoy izy “ ka aoka ho tohizana izany”. Namafisin’ny Filoham-pirenena kosa fa efa tapa-kevitra ny hody ny tenany ary tsy miova hevitra ny amin’izany saingy tsy maintsy mifandamina amin’ny fanjakana Afrikana Tatsimo ho fanajana ny telo taona nampiantranoana azy sy ny fianakaviany tany an-toerana. Nampieritreritra tsara ireo rehetra avy amin’ny Ankolafy ihany koa izy miakasika ny filazana fa niditra ary sahy hiavoaka. Nambarany mantsy fa tsy mbola misy izany fankatoavana izany raha tsy izy tenany no tonga eto Madagasikara satria ny fianakaviam-be iraisam-pirenena ihany koa dia efa nanantitra fa araka ny fahatanerahan’ny tondro zotra no ijerena ny momba an’I Madagasikara. Mikasika ireo rehetra manenjika sy manakana ny fiverenany ary tsy mametraka fitoniana kosa dia nilaza ny Filoha RAVALOMANANA fa “fotoana tokony hisian’ny fahatongavan-tsaina izao sao hivaly amin’ny taranaka fara mandimby ny atao amin’ny vahoaka Malagasy”.
"Niakasa ny hanao Krismasy miaraka aminareo aho saingy Andriamanitra no mandahatra ny zavatra rehetra". Isan'ny hevi-dehibe nofonosin'ny hafatry ny Filoha RAVALOMANANA ho an'ny vahoaka Malagasy izany raha nitafa mivantana tamin'ny mpitolona tao amin'ny Magro ny tenany. Nambarany moa fa tokony ho tsapan'ireo mbola manao antsojay fa tsy azy ireo ny aina fa Andriamanitra no mandidy sy manapaka momba izany. Nitondra fankaherezana ho an'ny mpiray tanindrazana rehetra ny tenany amin'izao fankalazana ny nahaterahan'ny mpamonjy izao na dia ao anaty fahoriana sy tsy fahampiana tanteraka aza ny Malagasy noho ny hetraketraky ny mpanongam-panjakana. "Asandrato ny hira Krismasy satria efa nanankina ny fiainantsika tamin'Andriamanitra hatramin'ny voalohany isika" hoy ihany ny Filoha RAVALOMANANA. Nanteriny moa fa mitana ny toky nomeny amin'ny fiverenany tsy ho ela ny tenany ary nangataka ny hitondrana izany am-bavaka mba ahafahany mitory fifamelana sy firaisan-kina ary mampandroso indray ny Firenena iombonana.
Nitafa tamin’ny vahoakan’ny Kianjan’ny Finoana ny Filoha RAVALOMANANA androany taorian’ny herinandro maromaro tsy nitafany. Nikasika indrindra ny fanapahan-kevitra noraisin’ny CPS-UA no nitondrany fanazavana tamin’izany ka nanamafisany fa , ankoatran’ny famporisihina ny hamahana ny krizy sy ny fanatanterahana ny tondrozotra dia voamarika tsara ao anatin’ny fampitam-baovao avy amin’ny filan-kevitrin’ny fandriam-pahalemana sy ny filaminana fa fanalahidin’ny fankatoavana iraisam-pirenena sy ny fiverenan’I Madagasikara eo amin’ny toerany ao amin’ny Vondrona Afrikana ny fanatanterahana ny andininy faha-20 ao amin’ny tondro zotra. Nomarihin’ny Filoham-pirenena RAVALOMANANA Marc fa “efa maro ny tetikady nataon’ny mpanongam-panjakana azahoana izany fankatoavana izany saingy tsy misy ankoatran’ny fiverenako an-tanindrazana no hiverenan’izany ho an’ny Madagasikara”. Farany dia nankahery ny vahoaka Malagasy ny tenany indrindra amin’izao ankatokin’ny fankalazana ny tsingerin-taonany izao.
Efa faniriana niombonana manko ny hankalaza izany miaraka saingy nanamarika ny Filoha RAVALOMANANA fa “fikasana ihany ny an’ny olombelona fa Andriamanitra no mandahatra”. Nanome toky anefa ny tenany fa tsy maintsy hifanatrika amin’ny mpiray tanindrazana eo amin’ny Kianjan’ny Finoana ny tenany amin’ny andro mampety izany.
Nanameloka ny hetraketraka nokasaina hatao tamin'ny zanany ny Filoha RAVALOMANANA raha nitafa tamin'ny vahoaka mpandala ny ara-dalàna teo amin'ny Kianjan'ny Finoana androany. "Ankehitriny" hoy izy "dia any amin'ny trano fonenan'ny masoivoho iray eto Antananarivo no mialokaloka ny zanako ary tsy azo ekena izany satria manana ny maha-izy azy ny Malagasy". Noho ireo tranga rehetra ireo dia nanome toromarika ireo Ministra misolotena ny Ankolafy tarihiny ao anaty governemanta Beriziky ny Filoham-pirenena.
Nambarany fa noho ny fifampiresahana dia nanaiky niditra tao anaty governemanta ny Ankolafy RAVALOMANANA na dia efa nilaza tamin'ny fomba ofisialy ny fitsipahany izany aza ny tenany "saingy ankehitriny kosa raha tsy mazava ny fitsipi-dalao" hoy ny Filoha RAVALOMANANA "tsy hitako izay ijanonana ao anatin'io governemanta io". Nanentana ny vahoaka ihany koa ny tenany mba ho mailo hatrany satria tsy kely lalana ny ratsy ary namafisiny fa tsy maintsy hiverina haingana ny tenany satria vao maika nanaitra azy ny zava-nitranga hatramin'ny nahatongavan'ny lahy haivony eto an-tanindrazana
Manameloka ny fitiavan-tena be loatra sy ny fitiavan-tseza tafahoatra ataon’I TGV sy ny ekipany ny Filoha RAVALOMANANA Marc. Nambarany teo amin’ny Kianjan’ny Finoana androany fa “tsy araka ny voarakitra ao anaty tondro zotra ny fanendrena ireo minisitra napetraka ao anaty governemanta Beriziky”. Nohamafisiny fa tena tsy nalalaka mihitsy ity praiministra ity tamin’ny fisafidianana ireo mpiara-miasa aminy indrindra fa ireo hitana “ministères de souveraineté”. Ny fizarana ny andraiktra ao anatin’ilay goverenamanta rahateo efa tsy mampiseho sahady ny fisian’ny fifandajam-pahefana eo amin’ny FATE sy ny mpanohitra azy. Folo amin’ny dimy amby telopolo mantsy no mba nomena ny Ankolafy RAVALOMANANA sy Zafy fa ny ankoatra izay dia mpanompon’i TGV avokoa raha tokony maty sasaka izany mba hampifandanja tanteraka ny fahefana.
Tsy vitan’izany fa ireo mpanongam-panjakana mahery fihetsika dia naverina avokoa ary nisy mihitsy ny nampiakarina grady toa an’I Hajo Andrianainarivelo izay lasa praiministra lefitra. Namafisin’ny Filoha RAVALOMANANA ary fa « matoky tanteraka ny SADC isika amin’ny famahana ny olana ary efa nandefa taratasy mazava mirakitra ny tatitra momba iny fanendrena governemanta iny» any amin’ny TROIKA ny tenany . Niaiky ny Filoham-pirenena fa tena efa tsy misy lalàna intsony eto Madagasikara hany ka hararaotin’ny vahiny sasany ny fahantran’ny Malagasy ary dia tonga amin’ny fanalana ny ain’ny mpiray tanindrazana izany. Toky no nomeny mpiara-mitolona rehetra fa tsy hangina ny tenany raha tsy tafaverina eto Madagasikara ny ara-dalàna efa nimatesany hatrin’ny ela.