« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
27/01/2012 : TVM sy RNM : nodorana … gejaina (+vidéo)
Telo taona izao no nandorana sy nandrobana ny hainoamanjerim-panjakana Malagasy. Volana vitsy nialohan’ny 26 janoary 2009 no notokanana ny endrika vaovao an’izany TVM sy RNM izany ary nalaza ho hainoamanjery isan’ny raitra indrindra taty Afrika. Rehefa nampanantenain’I tgv fanovana anefa ny mpanara-dia azy dia ny fandringanana ny tsara rehetra no notanterahiny voalohany, mba tsy ilazana hoe izay no hany vitany tao anatin’ny telo taona. Isan’ny trano nodorana voalohany ny TVM sy RNM teo anosy ny andron’ny alatsinainy mainty rehefa nanao rodobe hanimba ny renivohitra sy izay mamofompofona “RAVALOMANANA” ny mpandrombaka fahefana.
Taorian’izany dia nanantena ny mpanara-dia an’I tgv fa tena halalaka tokoa ny fazahoana sehatra eo amin’izany hainoamanjerim-panjakana izany saingy vao maika nogejaina izany ankehitriny. Izay misolelaka ny FATE ihany no tena mahazo laka ao ary raha mba omena sehatra aza ny mpanohitra, indrindra ny Ankolafy RAVALOMANANA, dia mandalo sivana ny vokatra vao azo alefa ho an’ny vahoaka Malagasy. Tsy madio tanana amin’izany velively I tgv sy ny namany na dia miezaka lalandava ny hiala andraikitra aza. Niarahan’ny rehetra nahita ny horonan-tsary nahitana azy nitso-drano ireto “vahoakany” handroba sy hanapotika ny RNM, TVM sy izay rehetra fananan’ny Filoha RAVALOMANANA. Tsy vitan’izany fa ny harivan’ny 26 janoary rehefa niseho tamin’ny fahitalavitra ny tenany dia nilaza mazava fa “hatreo amin’ny 07 ora hariva mbola lefitra ihany…” izany hoe hatreo amin’ny fotoana naharingana ny fananan’ny Filoham-pirenena no noleferiny fa rehefa voakasika ireo orinasa frantsay sy karana sasantsasany dia tsy azony ekena intsony.