« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
26/01/2012 : Tsy mila « amnistie » ny Filoha RAVALOMANANA (+vidéo)
Manaiky ny TROIKA an’ny SADC fa tsy meloka ny Filoha RAVALOMANANA ka tsy mila famotsoran-keloka. Araka ny tatitra nataon’i Mamy Rakotoarivelo dia « tsy fepetra ara-pitsarana no ampodiana ny Filoha RAVALOMANANA fa ara-politika ». Tsy voatery maindry ny fandaniana ho lalàna ny famotsoran-keloka ny fiverenany fa ny fampiharana ny andininy faha-16 ao amin’ny tondro zotra dia manery ny FATE hamela azy hody malalaka. Ity andininy ity izay mandidy avy hatrany ny fampitsaharana ny fanenjehana rehetra eny amin’ny fitsarana manomboka amin’ny fotoana anaovana sonia ny tondro zotra.
Nangatahin’ny SADC mba hatao laharam-pahamehana arak’izany ny fampiharanany andininy faha-16,17 ary ny faha-20 satria tsy hisy fifidianana milamina eto Madagasikara raha tsy ireo fenitra momba ny fitoniana ireo no tanteraka ka afaka mahatsapa fahalalahana sy fitoniana ny olom-pirenena tsirairay. Arak’izany dia nampitain’ny delegasiona avy nivory tany Afrika Atsimo fa takian’ny TROIKA ho tanterahina mialohan’ny faran’ny volana febroary ihany koa ny famoahana ny gadra politika sy ny fanalalahana ny fazahoana maneho hevitra na ankalamanjana na amin’ny hainoamanjery. Manaraka izany avy hatrany ny fanokafana ireo radio sy televiziona nakatona rehetra tao anatin’ny nitondran’ny FATE.
Mbola “en transit” araka ny fiteny amin’ny fitaterana anabakabaka ny Filoha RAVALOMANANA hatreto satria tsy mbola vitan’ny Airlink ny anjarany amin’ny fifanarahana momba ny tokony nanaterana ny Filoha taty Madagasikara. Tsy sanatria akory filam-baniny fa zon’ny mpandeha izany amin’ny tranga toa ireny. Noho izany ary dia mbola any amina hotely iray ao Pretoria izy ireo no mipetraka hatreto.
Miverina mandray anjara asa ao amin’ny andrim-panjakana kosa ny Ankolafy RAVALOMANANA “noho ny fangatahan’ny TROIKA” hoy ny tatitra nentin’I Mamy Rakotoarivelo. “Noho ny fahatokisanay azy ireo dia ekenay izany” hoy ihany ny filohan’ny CT “ary enga anie tsy ho diso fanantenana izahay”. Araka ny fampitam-baovao ihany dia niangavy ny Ankolafy Zafy Albert ihany koa ny TROIKA mba hiditra anatin’ny fitantanana ny tetezamita. Ireto farany izay tonga nitsena ny solontenany teny Ivato ihany koa androany tolakandro.