Telo taona androany ny “Alatsinainy mainty” nandoran’ny mpanongam-panjakana ny hainoamanjerim-panjakana sy ny orinasan’ny fianakaviana RAVALOMANANA rehetra. Nandrasana ihany mandram-pilentiky ny masoandro fa na fehezanteny iray aza tsy niloaka ny vavan’ny FATE mikasika ity andro androany ity. Tsy maty kosehina eo amin’ny tantaran’ny Malagasy anefa io andro iray io satria aman’aliny ny mpiray tanindrazana no indray nizaka ny vokany tao anatin’ny indray mipi-maso. Tao anatin’ny ora vitsy monja dia fianakaviana Malagasy anarivony no indray tsy nanana fidiram-bola. Tao antin’ny segondra vitsy dia ripaka ny fiharian’ny olom-pirenena iray niaretany ny mafy am-polotaonany. Tao anatin’ny andro iray dia kila forehitra ny vakoka mikasika ny tantaran’I Madagasikara notehirizina tao amin’ny hainoamanjerim-panjakana. Tsy efapolo fotsiny ny aina nafoy noho ny zava-nitranga tamin’io “lundi noir” io ankoatran’ny mpiray tanindrazana niniana nodorana velona handotoana ny anaran’ny Filoha RAVALOMANANA Marc tamin’izany andro izany
Rahoviana ???
Baraingo lehibe ho an’ireo izay niharan’ny vokadratsin’izany andro maizina izany ny momba ny hoaviny. Tao anatin’ny telo taona dia nanampy isa ny mpivarotra amorin-dalana izy ireo. Tao anatin’ny telo taona dia nanatevin-daharana ny zaza mirenireny ny taranany. Tao anatin’ny telo taona dia tsy mbola mahita masoandro mihiratra ny andavanandrony. Isaky ny misy masoandro mihiratra kely amin’ny famahana ny krizy dia manantena sombiny amin’izany izy ireo saingy indrisy … mbola ireo nampilentika ny anjara masoandrony tamin’ny 26 janoary 2009 ihany no tsy mampihiratra izany hatramin’izao. Mandatsa azy ireo ny fahitana fa misy niharan-doza sasany indrindraina toy ny tsy nisafidy izany. Raha niaka-dapa anefa izy ireo dia sitrapony fa tsy noterena hiainany izany. Ny toerena nokasaina halaina rahateo efa fantatra fa faritra mena saingy nanaiky ho entina natao sorona izy ireo hanosehosena ny anaran’ny Filoham-pirenena tamin’izany fotoana mba ahafahana manongana azy. Dia nananganana tsangam-bato izy ireto ary mandray 200 000 Ariary isam-bolana nanomboka tamin’ny 2009 no mankaty. Rehefa ny an’ny hafa izany dia hamaivanina fa rehefa ny mpomba ny FATE izay nisafidy ny hatao
sorona hanomezana fahafaham-po an’I tgv dia iantrana sy andaniana volam-bahoaka.
Ho baben’ny tomponanadraikitra amin’izany hatramin’ny farany ny alahelon’ny “victimes du lundi noir” satria misy mizana tsindrian’ila amin’ny fitondrana ireo samy nitondra takaitra noho ny hetsiky ny mpanongam-panjakana. Mety ho zakany ve? Ny tantara no aleo hitsara !