« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
25/01/2012 : Nanao veloma an’i Njaka ny zanak’i Dada (+vidéo)
Natao veloma farany tao amin’ny FJKM Ambondrona Firaisana androany I Rabemiarana Njaka Lalaina izay namoy ny ainy ny sabotsy 21 janoary teo noho ny herisetran’ny EMMOREG an’ny FATE. Nandritra ny fotoam-pivavahana dia nankahery ny tolona amin’ny fitakiana ny hanasoavana ny mpiara-belona ny mpitandrina satria sitrak’Andriamaniatra izany ary adidy tokony hataon’ny mpino rehetra. Nambaran’ny mpitandrina nitarika ny fotoana ihany koa fa mbola nahavita nandahatra ny hira rehetra hatao amin’izao fotoam-bavaka izao I Njaka tao anatin’ny ora farany niainany tety an-tany.
Taorian’ny fotoam-bavaka dia nentina nandalo teo amin’ny Kianjan’ny Finoana Magro Behoririka ny vata mangatsiakan-dratompokolahy ary noredonina ny “Jesosy reherehako” izay isan’ny hira tena ankafiziny araka ny nambaran’ireo namany mpiaraka aminy eny am-pitolomana. Nentina am-bavaka fohy ny fialan-tsasatry ny Fanahiny sy ny fiononan’ny fianakaviana ary dia notsofin-drano ny adidy farany amin’ny fandevenana an’I Rabemiarana Njaka Lalaina.
Nanotrona ny fianakaviana hatrany ireo olom-boatendry avy amin’ny Ankolafy RAVALOMANANA sy ireo mpiara-mitolona iray tanjona amin’I Njaka. Araka ny filazan’ny namany mantsy dia tena isan’ny nilofosany sy antony nitolomany ny famarenena ny ara-dalàna sy ny fiverenan’ny Filoha RAVALOMANANA eto Madagasikara. Araka ny vaovao farany dia ahiliky ny Jly Baomba any amin’ireo fito mirahalahy nosamborina ny harivan’ny 21 janoary ny andraikitra nahafaty ity raim-pianakaviana ity. Ireo nanatri-maso anefa dia nanamafy fa notifirina baomba lakrimozena teo amin’ny lohany I Njaka ary elanelana 20 metatra no nisy taminy sy ny miaramila nanao izany. Tsy sanatria akory miantso tody fa tsy ho zakan’izay tomponantoka amin’izao fahoriana izao ny ranomason’ny ankohonana nilaozan’ny andry niankinany tampoka toy izao.