« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
09/09/2010 - TGV : Mpanjakan'ny fampisaraham-bazana sy ny fafy lainga(+Vidéo)
Efa sangy mihoatra ny loha ny zavatra miseho eto amin'ny firenena ankehitriny, hany ka niaka-pofona hatramin'ny mpanentana eo amin'ny Kianjan'ny finoana. « Mahagaga, fa ireo rehetra nanenjehana ny filoha Ravalomanana, ireo zavatra lazaina fa tsy mety no ataon'ny Fate ankehitriny, ary vao miha loza aza » hoy Eric. Raha ampahatsiahivina tokoa mantsy dia ny fanakatonana ny Viva TV no isan'ny antony fidinana an-dalambe nataon'ny olona tamin'ny izany. Fa raha tanisaina tokoa, firy moa izany ny isan'ireo radio sy Tv potika sy nohidiana nandritra ny tolona nataon'ny tgv sy nandritra ny fibodoany io fahefana io? Firy ny panao gazety nogadrainy? Firy ireo mpanao politika nampidiriny am-ponja? Marina loatra ny filazana fa raha nisy ny indro kelin'ny mpandrafitra vita tao anatin'izay 50 taona nahazaona ny fahaleovantena izay, dia vitan'ny TGV tanatin'ny volana vitsy monja. Ny mahagaga, ireo zavatra lazaina fa ratsy sy tsy mendrika nataon'ny dada no averina, ary ireo zavatra tsara tsy hita soritra. « Maka tahaka ny ratsy izany ve? » Porofo izao fa tsy mihevitra velively ny hitondra soa ho an'ny mpiray tanindrazana aminy ity Tgv sy ny forongony ity, fa dia ny hanapotika rano fotsiny. Vahotra ny lela, tsy hita izay tenenina fa dia ny hany azo atao « dia ny mivonona ho amin'ny fandrodanana ny mandan'olona adala » hoy Eric.