Herintaona sy tapany sahady izay no nandrobahan’ny TGV sy ny forongony ny fahefana teo am-pelatanan’ny olona nofidin’ny vahoaka maro an’isa. Herintaona sy tapany izao no niaretan’ny vahoaka tsy mandady harona ny hirifiry izay nampitondrain’ny TGV sy ny forongony. Izy ireo miha bolangona, ny vahoaka, zary lasa taolam-pifiaka sisa vokatry ny tebitebin-tsaina iainana isan’andro. Manjaka ny tsindrin’ny be sandry, mihatra eto amin’ny firenena ny tsindry hazo lena, halatra, vono, fampihorohoroana, ary tsy velona eto raha tsy ireo izay manana hery.
Maro ireo olona nanara-dia an’i TGV no diso fanantenana amin’ilaikely noho ny fampanantenana pôkaty nataony, herintaona sy tapany lasa izay. Aiza tokoa moa izao ilay fampandrosoana haingana? Menaka, vary, làlana, demokrasia? Mampiteny ny moana hoy ny fitenenana ny fahantrana eto. TGV anefa mibodo seza, mahita fy ery amin’izao fahantrana izao. Tsy manana paik’ady na sori-dàlana akory entina hivoahana amin’ny krizy fa dia mihaina amin’ny “ fiainana kisendrasendra”. Sori-dàlana inona tokoa moa no entiny eto amin’ny firenena ka na ny tenany aza “kisendrasendra” no nahatongavany teo amin’ny fahefana?
Nosoniaviny ny fifanarahana tany Maputo sy Addis-Abeba, sao dia kisendrasendra mba ahitana tombony, nolavina marin-drano anefa izany satria tsy mety indray.
Atao indray ny dinika santatra sao kisendrasendra misy fehin-kevitra ahafahany manamarin-toerana. Laviny indray fa dia naleony namory ireo mpanao politika leo laza amin’ny vahoaka, ary dia nanao fifanarahana tamin’ireo indray sao “kisendrasendra” io no ahazoana ny fankatoavana. Toa mitady tsy ho tafavoaka indray, dia naleo indray niantsampy tary amin’ny CNOSC ary nankahery ireto farany amin’ny fikaroham-bahaolana. Nitsefotra anefa ny teny Vontovorona satria didy jadona no nisy fa tsy fifanakalozan-kevitra.
Dia eo aloha izany aloha ny tantara, herintaona sy tapany izao no lasa, tsy manana hevitra TGV.
Miandry izay “kisendrasendra “ hafa indray…