09/03/2010 : FIGN : manao “menaces de guerre” ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena FATE (+Audios)

Gl. ZaferaNametra-pialana ny Jly Zafera Vienot, lehiben’ny FIGN, ary nampahafantariny ireo zandary ao Fort Duchesne izany androany maraina raha vao nigadona tao amin’ny toeram-piasany ny tenany. “Ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny Komandin’ny Zandary mihitsy no fototry ny olana” hoy ny Jly Zafera “ary tsy mendrika ho tompon’andraikitra eto amin’ny Firenena izy ireo”. Araky ny fanazavan’ity manam-boninahitra ity dia nivory niaraka tamin’ireto voatonona etsy ambony ny tenany ary tsy vahaolana no hita fa “menaces de guerre” no nataon’ny Jly Rakotonandrasana Noël.

Toa izao ny fanazavan'ny Jly Zafera Vienot :

 

FIGN2

“Tsy mila olon-kafa hitarika anay izahay” hoy ny solotenan’ireo zandary ao amin’ny FIGN. Nambaran’izy ireo fa ny Kol. Masindraha; lefitry ny Jly Zafera; avy hatrany no mandray ny “commandement” ao Fort Duchesne.

Manazava ny Kol. Jaonary Théodore sy ny Kol. Raymond :

 

FIGN1Andro maromaro izao dia nohamafisina ny fiarovana ny tobin’ny FIGN satria mandeha ny resaka fa mety hisy ny fanafihana azy ireo. Noho izany dia nandray fepetra ihany koa ireo manamboninahitra lefitra zandary ao amin’ity “corps” ity ka miantso ireo mitovy grady amin’izy ireo , miasa ivelan’ny toby, hiverina an-dakazery ao anaty 24 ora.

Fanambaran'ireo manam-boninahitra lefitra ao amin'ny FIGN: