09/03/2010 : Itw Rostan Mpanolotsaim-paritra Ihorombe

RostanMikorontana tanteraka ny tontolon’ny asam-panjakana amin’izao fotoana izao. Zandary, mpitsabo,mpitsabo mpanampy, mpampianatra FRAM  ary ny Mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Oniversite dia manana ny zavatra takiany amin’ny FATE avokoa. “Tsy nitsinjo lavitra ny HAT tamin’ny fanonganam-panjakana nataony” hoy Rostan “conseiller regional” ao Ihorombe. Raha ny fanazavan’ity olom-boafidy ity dia io no fototry ny olana mitranga amin’izao fotoana izao. Ahiany hitroatra tsy ho ela ny vahoaka raha toa ka mbola manamafy sofina ireo mpandroba fahefana.