09/03/10 : SECES: Omeo ny volanay!

SECES3.200.000 Ariary na 16 tapitrisa isaky ny mpampianatra. Io no vola tokony haloan’ny FATE amin’ireo mpampianatra mpikaroka izay nanomboka ny fitokonana fanairana ny 08 Mars lasa teo. Io vola io dia tambin’ny fikarohana na ny “indemnité de recherche” ireo mpampianatra mpikaroka mivondrona anatin’ny SECES, izay tsy voaloa nanomboka ny volana Oktobra 2009. Ny 06 Octobre 2009 mantsy dia nanambara ny ministry ny fampianarana ambonin’ny FATE fa hampiakarina ho 800.000 Ariary ity tambin’ny fikarohana ity raha 150.000 Ariary izany teo aloha. Tsy ankaterena anefa no nanaovany io fampiakarana io tamin’ny alalan’ny décret. Tonga ny 06 Febroary 2010 izany hoe telo (3) volana aty aoriana, namoaka décret vaovao indray ity ministra ity fa hahena ho 300.000 Ariary indray io tambin-karama io. Tsy manaiky ireo mpampianatra mpikaroka, fa dia mitaky avy hatrany ny fanafoanana ilay décret tamin’ny 06 Febroary ary hampihatra avy hatrany ny fanapahan-keviny tamin’ny 06 Octobre.

Fichier attachéTaille
SECES1.jpg1.06 Mo
SECES2.jpg918.04 Ko