09/03/2010 : Hetsiky ny mpitondra Fivavahana : “Handray anjara ny olo-marina”

HMF1“Aza matahotra, ny marina tsy mba maty”. Io indray no teny filamatra hanorenana ny hetsika karakarain’ny mpitondra fivavahana. Mila mijoro ny olona marina rehetra eto amin’ny firenena mba tsy handringanan’Andriamanitra ny firenena. Ny Alakamisy 11 Marsa izao dia hisy ny andro iray ho fijoroana vavolombelona na ny "journée des témoignages". Hijoro ny olona marina fa “misy tsy mety eto amin’ny firenena” ka noho izany dia hisy ny famantarana iraisan’ny rehetra. Fotsy no hanaporofoana ary fa “tofoka ny tsy fahamarinana manjaka eto ny rehetra”. HMF 2Malalaka ny safidy afaka manao akanjo fotsy, na manao satroka fotsy, na mitondra fehin-tanana fotsy, izany hoe rehefa ahitana ny famantarana ny loko fotsy eny amin’ny vatana na eny amin’ny fiara. Ity hetsika ity dia ialohavana fanompoam-pivavahana ao amin’ny FJKM Ambatomena. Fa ankoatr’izay dia io Alakamisy io ihany koa no fotoana hiomanana amin’ny fanompoam-pivavahana lehibe ho amin’ny Asabotsy 13 Mars izao. Ny kianjan’Ambohijatovo aloha no nangatahina fa dia ho hita eo indray raha hahazo alalana ity hestika ity.

Fichier attachéTaille
HMF.jpg1.64 Mo
prospectus_HMF.doc36 Ko