08/03/2010 : Femmes légalistes : Nahomby ny « démonstration de force » (+vidéos)


Départ MagroNa teo aza ireo lesoka madinidinika teo amin’ny lafin’ny fikarakarana dia fahombiazana tanteraka ilay fambolen-kazo nokarakarain’ny vehivavy mpandala ny ara-dàlana. Teny Ambatomanga no nifamotoana ny rehetra tamin’ity androany ity. Vao maraina dia efa nitomandavana teny amin’ny Kianjan’ny Fandresena ireo vehivavy maro be, nisy ihany koa ireo lehilahy maniry ny hahamaitso ny firenena, ary tsy diso anjara ireo ankizy izay ho avin’ity firenena ity.

Reportage Photos

Nahatratra teo amin’ny zato teo ho eo ireo fiara lehibe sy kely nitatitra olona nitanjozotra ho eny Ambatomanga izay manana ny tantarany teo amin’ny filoha Marc Ravalomanana sy Lalao Ravalomanana. Tamin’ny 12 ora atoandro vao tonga teny an-toerana ny ankamaroan’ ny fiara, satria lava dia lava ny filaharana. Teny amin’ny sisin-dàlana ihany koa dia tomefy olona nitondra an-kafaliana ny sarin’ny Filoha Marc Ravalomanana. Henin-kaja henim-boninahitra Amabatomanga ary tsy “mbola naresaka tahaka izao ity kaominina ity hatramin’ny nandehanan’ny filoha mivady”.

AmbatomangaTGV: Tsy mahazaka
Tamin’ny 12 ora atoandro mahery dia naharay baiko ny mpitarika fa tsy maintsy ravàna ny hetsika na dia maro aza ireo olona no tsy tonga teny an-kianja tokony hanaovana ireo fety maro. Ny antony dia olona napetraky ny TGV ilay “adjoint” ka io indrindra no nanome baiko handrava ity hetsika lehibe ity. Nanapa-kevitra ny mpitarika rehefa avy nahazo alalana tamin’ny mpitandrina ny FJKM Ambatomanga fa afindra eny amin’ny tokotany malalaky ny FJKM indray ny korana. Dia niara-niainga indray ny vahoaka an’arivony hihazo ny kianjan’ny FJKM sahabo eo amin’ny 1km miala ilay toerana nambolena hazo, tanaty orana nikija, nefa tamim-pifaliana. Tonga teo amin’ilay toerana voatondro indray dia fantatra fa notapahin’ny Kaominina indray ny jiro ka tsy afaka nande ilay fanamafisam-peo. Dia nirava maina teo ny hetsika rehetra, nody main any vahoaka, diso fanantenana, nefa mino fa tsy maintsy misy farany izao fanaparam-pahefana izao.