Manorohanta Cécile: vakiana fotsiny !

Villa ManorohantaTsapanao ve fa tena tsara tarehy ity trano ity? Tsy azonao veroka angamba hoe iza no tompony? Raha ny fanadihadiana nataon’ny mpanao gazety any Antsiranana dia Ramatoa Cécile Manorohanta no tompony ary dia 1miliara Ariary no vidiny.
Ny marina tokoa tsy mba maty. Herintaona taty aoriana dia nivoaka ny marina. Miteraka resa-be mantsy amin’izao fotoana izao ilay vola 2.500 miliara izay nomen’ny filoha Marc Ravalomanana ireo zandary ary nanjavona amin’izao. Villa Manorohanta 2Taorian’ny fanambaran’ny filoha Marc Ravalomanana ny mikasika ity vola ity, dia Cécile Manorohanta no voalohany nanambara am-pahibemaso fa “tsy nandray izany vola izany”. Somary gaga ihany ny mpanara-baovao tamin’izany fanambarany izany satria ny filoha Ravalomanana dia tsy nanonona velively ny anarany na ny anaran’ny olona hafa. Toa mahina ihany ny mpanao ratsy hoy ny rehetra. Miandry ny rehetra, hivoaka tsikelikely ihany ny marina. Vakiana fotsiny hoy ny tanora.