« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
L'absolue priorité actuelle est donc, sans détour et se laisser influencer par les sirènes, d'accorder au Peuple Malagasy toutes ses chances de sortir dignement et avec succès de la crise dans laquelle, il a été trop injustement plongé, en mettant tout en oeuvre afin que le processus initié par la CNOSC, avec l'appui de la Communauté Internationale, aboutisse le plus rapidement possible.
Tsy voahaja ny andininy faha 5 amin’ny tondrozotra, mikasika ny fanendrena ny praiministra, satria dia mbola olona avy amin’ny antoko manohana ny Fate ihany no napetraka eo. Omer Beriziky mantsy dia sekretera faha 3 amin’ny antoko Leader Fanilo, izay tsy zoviana amin’ny maro intsony ny fiandaniany amin’ny Rajoelina. Nivoaka ny efitrano ny ankolafy Ravalomanana alina raha vao naheno ny anaran’ny Omer Beriziky. Fantatra ankehitriny fa handray fanapahan-kevitra ny ankolafy Ravalomanana izay isan’ny voafitaka amin’ity raharaha ity, fa mialoha izay dia hangataka fanazavana amin’ny Profesora ZAfy Albert, sy amin’ny Troïka ary hanontany ny hevitry ny filoha Ravalomanana. « Tsy manana olana amin’ny ZAfy Albert sy Omer Beriziky ny ankolafy Ravalomanana, fa ilay tsy fanarahana ilay andininy faha 5 amin’ny tondrozotra no olana » hoy ny filohan’ny delegasaion’ny ankolafy Ravalomanana, Mamy Rakotoarivelo.
Le porte-parole de la mouvance Ravalomanana fait le point sur la situation de blocage initié par les putschistes au pouvoir pour détourner l'application de la feuille de route signé voici une semaine. Il est clair maintenant que la sortie de crise à Madagascar ne sera pas pour demain. La communauté internationale à une grosse part de responsabilité dans la recherche de solution que certains s'évertuent à éterniser pour préserver leurs intérêts acquis tout aussi illégalement que le pouvoir en place.
Amin’ny maha-fifanarahana politika ny tondro zotra natao sonia dia maka ny toeran’ny lalam-panorenena avy hatrany izy mandritran’ny fe-potoana itondranan’ny tetezamita iombonana. Midika izany fa rava niaraka tamin’ny fanaovana sonia iny tondro zotra iny ireo andrim-panjakana natsangan’ny FATE rehetra. Tsy filam-baniny sanatria fa fenitra iraisam-pirenena amina fifanarahana politika izany. Tsy manam-pahefana avokoa izany nanomboka ny 17 septambra 2011 teo ireo olona notendren’i TGV rehetra noho izany tsy manan-kery ihany koa ireo fanapahan-kevitra rehetra noraisin’izy ireo. Ankoatr’izay dia voafaritry ny andininy faha-23 ao amin’ny tondro zotra fa tsy misy afaka manana « droit de véto » amin’ny fomba fanatanterahana io tondro zotra io satria efa niaraha-nanaiky matoa nosoniavina teo imason’ny fiankaviam-be iraisam-pirenena.
Noho ireo fanazavana ara-teknika rehetra ireo dia mazava fa tsy manan-kery avokoa ireo lazaina fa fanapahan-kevitra entin’ny FATE mibahana ny fiverenan’ny Filoha RAVALOMANANA Marc eto Madagasikara. Ankoatr’izay dia tokony manaraka avy hatrany ny fanaovana sonia iny tondro zotra iny ny fametrahana fahatoniana ara-politika toy ny famoahana ireo gadra politika sy ny famelana malalaka ny fanehoan-kevitra na an-kalamanjana na amin’ny alalan’ny famohana ireo hainoamanajery nakatona rehetra.
Ny fizarana andraikitra Efa ela loatra no « ratsy tarehy » teo imason’izao tontolo izao I Madagasikara noho ny fanonganam-panjakana sy ny fiziriziriana tsy ara-drariny. Fotoana tokony hanehoana fahamendrehana manoloana ny fianakaviam-be iraisam-pirenena ny fizarana andraikitra amin’ny fananganana ny tetezamita. Ankoatra ny tondro zotra izay efa mametraka tsara ny tsy tokony hisian’ny fitanilana amin’ny fananganana ireo rafitra ireo dia misy ihany koa ny fenitra iraisam-pirenena sy traikefa ananan’ireo mpanelanelana amin’ny fananganana rafitra iombonana toy ireny. Araky ny fanazavana nentin’ny lohololona Ravatomanga Rolland dia “ankinina amin’ny fahendren’ny SADC tanteraka ny fitsinjarana izany”.
Nanapa-kevitra tsy nihaona tamin'ny Dr. Simao ny Ankolafy RAVALOMANANA androany. Raha tokony tamin'ny sivy ora maraina no nisian'izany fihaonana izany dia fanazavana tamin'ny mpanao gazety no nataon'ireo mpitari-tolona tamin'io fotoana io. Voaporofo ankehitriny, araky ny fanazavana nentin'ny Sekretera jeneralin'ny Tiako I Madagasikara, fa tsy nahazo fahefana avy amin'ny SADC hamita iraka aty amintsika ny Dr. SImao tamin'izao diany izao noho izany fisolokiana no ataony eto Madagasikara. Ny fanehoan-kevitra rehetra nataon'ity Mozambikana ity rahateo dia toa manilika ny Ankolafy RAVALOMANANA tsy handray anjara amin'ny rafitra tokony hajoro ao anatin'ny tetezamita tena izy.
Ny zoma 12 Aogositra teo vao mba afaka nihaona sy nifampizara vaovao ny mpikatroka Tiako I Madagasikara sy ny Ankolafy RAVALOMANANA any Moramanga. Olana lehibe tsy nahafahana nanatontosa izany hatramin'ny volana Oktobra 2009 ny fampitahorana nataon'ny lehiben'ny Distrika teo aloha. Rehefa nafindra toerana ity farany dia azo noresahina tsara ny nanolo-toerana azy ka izay afaka nanao hetsika tao amin'ny efitrano malalaka an'ny orinasa TIKO izao ny mpandala ny ara-dalàna.
Tena nanan-danja tamin'ny mpikatroka tany an-toerana ity fihaonana ity satria nahafahana nifampizara ny vaovao mahakasika ny raharaham-pirenena tamin'ireo mpiara-mitolona aman-jatony namaly ny antso. ankoatran'ny fanazavana nentin'i Ignace Randriamamizafy izay solontena avy aty an-drenivohitra dia niditra an-telefonina ihany koa ny Depiote Jules Andriamaholison sy Henri Randrianjatovo ary nitafa tamin'ireto mpiara-mitolona ireto. Koa satria efa eo am-panomanana ny fiverenan'ny Filoha RAVALOMANANA ny vahoaka Malagasy dia hetahetan'i Moramanga ny mba hidiran'ny Filoha RAVALOMANANA mivantana an-telefonina amin'ny hetsika manaraka hataon'izy ireo.
Nofehezin’ny Ankolafy RAVALOMANANA tao anaty fanambarana lehibe iray ny fanehoan-kevitra mahakasika ny raharaha mafampana eto amin’ny Firenena amin’izao fotoana izao. Teboka telo lehibe no nofakafakaina tao anatin’izany fanambarana izany fa ny tena lehibe indrindra dia ny mikasika ny fivorian’ny CPS-UA tany Addis-Abeba farany teo. Aely amin’ny mpiray tanindrazana indray manko ankehitriny fa nandalo fotsiny izany fivoriana izany fa tsy misy vokany ho an’i Madagasikara. Notsipahin’ny Ankolafy RAVALOMANANA izany ka nambaran’izy ireo fa hiverina hiatrika io vaomiera io indray i Chissano sy ny namany amin’ny 14 Jolay ho avy izao satria notsipahina ny tondro-zotra novolavolainy.
Voarakitra ao anatin’ity fanazavana ity ny antsipirihin’ny fanambarana izay navokan’ny fivoriana tao Sandton Afrika Atsimo. Izany no natao dia ny mba tsy hisian’ny fandikana vilana izay voalaza ao anatin’ny fanambaran’ny SADC. Mazava ho azy fa ny andininy lehibe indrindra ho an’ny vahoaka Malagasy dia ny fahafahan’ny Filoham-pirenena miverina an-tanindrazana. Aorian’izay ny tsy maintsy itondrana fanintsiana amin’ny sori-dalana sy ny fanamarihan’ny SADC fa « hamehana ny fiverenan’i Madagasikara amin’ny sehatry ny ara-dalàna araky ny fenitra manaraka ny lalam-panorenana ».
Niarahaba sahady ny reny mpiara-mitolona rehetra ny vadin’ny Filoha RAVALOMANANA androany. “Aza mitsahatra mivavaka ho an’ny Firenena” hoy Lalao RAVALOMANANA raha nitafa mivantana tamin’ireo rehetra nivory tao amin’ny foiben’ny Ankolafy RAVALOMANANA ny tenany. “Manana andraikitra lehibe eo amin’ny fanavotana ny firenena isika reny” hoy izy “koa mila mijoro hatrany hanabe ny mpiara-monina”.
Mba tsy ho ao anaty lonilony intsony … Nandritry ny dinidika ambany tafotrano nihaonan’ny vehivavy ao anatin’ny ankolafy RAVALOMANANA tamin’ireo mpitari-tolona dia nanamafy Ihanta Andriamandranto fa “raha ny faniriana dia tsy ho ao anaty lonilony toy izao intsony ny fetin’ny reny manaraka”. Nazavainy tamin’izany fa fanirian’ny tsirairay ny mba ho eo anilan’ny olona sarobidy aminy amin’izany fetin’ny reny izany saingy ankehitriny dia mbola misy Raiamandrenin’ny Malagasy tsy mbola tafaverina an-tanindrazana ka tsy afaka miara-miriaria amin’ny vahoaka. Ankoatr’izay dia maro ny reny Malagasy amin’izao fotoana izao no tsy miaraka amin’ny fianakaviany satria ny vadiny na ny zanany dia mbola any am-ponja noho ny fahasahiana mijoro amin’ny fahamarinana.
Manan-danja amin’ny fitantanana ny toro-hevitry ny vehivavy satria manan-tsaina mandinika sy mandamina izy ireo. Araky ny nambaran’ny loholona Ruffine Tsiranana dia “raha misy lehilahy Filoham-pirenena dia ny vehivavy no tena mitondra satria matetika ilaina ny heviny”. Nankahery ny vehivavy rehetra ao amin’ny Ankolafy RAVALOMANANA moa ny tenany amin’ny tolona izay atao indrindra amin’ny fitsapana maro noho izao krizy izao.
Mankasitraka … Nitondra ny tenin’ny Birao Politikan’ny Tiako I Madagasikara ny Depiote Jules Andriamaholison izay mpanolotsiana ao anatin’ny antoko. Nankasitraka ny herin-tsaina ananan’ny vehivavy ny tenany amin’ny fiatrehana ny tolona. “Raha tsy nisy anareo vehivavy angamba dia efa rava ity tolona ity” hoy izy. Nanentana moa ny tenany mba tsy hitsahatra izany fahavitrihana ananan’ny vehivavy izany.
Hetsika Nikarakara hetsika nifampizarana ny mamy moa ireto vehivavy TIM ireto amin’izao fankalazana ny fetin’ny Reny izao. Mofomamy aman-jatony no namidy tamin’ny vidiny mirary mba ahafahan’ny reny rehetra mifaly na dia misy azan y krizy. Hetsika nahafahana nanamafy ny firaisan-kinan’ny vehivavy ihany koa izy ity satria niaraha-nanatanteraka avokoa ny asa rehetra manodidina izany. Manodidina ny roanjato ny tapakila lafo rah any filazan’ny mpikarakara.