La liberté d'expression et de la presse est en danger à Madagascar : cela fait jours que les journalistes de la Radio Fahazavàna sont emprisonnés (alors qu'ils faisaient leur métier) ainsi que de simples manifestants. Libérez-les ! Libérez la démocratie !La liberté d'expression et de la presse est en danger à Madagascar : cela fait jours que les journalistes de la Radio Fahazavàna sont emprisonnés (alors qu'ils faisaient leur métier) ainsi que de simples manifestants. Libérez-les ! Libérez la démocratie !
Voarain’ny mpitarika ny GIC Joachim Chissano ny taratasy mirakitra ny fanazavana sy ny soso-kevitra avy amin’ny Tanora an’i Marc RAVALOMANANA. Tsy maintsy natao izany fametrahana fehi-kevitra izany mba ho fampahafantarana an’izao tontolo izao fa misy tanora mitsipaka ny fanonganam-panjakana nataon’i TGV sy ny mpanaraka azy. Rehefa noraisin’ireo mpiara-miasa akaiky tamin’i Chissano izany raki-kevitra izany dia afaka nihaona mivantana tamin’ity mpitarika ny mpanelanelana ity ireo mpitarika ny TMR androany. Nambaran’ireo mpitarika ny TMR fa efa eny am-peletanany ny taratasy araka ny nambaran’ny Filoha Mozambikana teo aloha Joachim Chissano.
Dinika Santatra : miverina Dada ‘zay vao afaka midinika ny TMR “Amboletra tanteraka ny fanatanterahana ny dinika santatra” hoy Aina solotenan’ny TMR sady mpitarika ny MATITA. Raha tena vahaolana no karohina hoy izy dia tokony havoaka daholo ireo gadra politika sy ireo mpanao gazety ary tokony ho afaka hiverina an-tanindrazana malalaka ireo “Chefs de file” izay sesi-tany tsy fidiny any ivelany. “Tokony ahemotra izany fifampidinihana izany” hoy ny Filohan’ny MATITA “fa tsy azo atao ny mifampidinika nefa tsy misy fitoniana ara-politika”.
“Tsy vahaolana ho an’ny Firenena ny fanatanterahana ny dinika santatra” araky ny nambaran-dRamatoa Clarisse. “raha mbola misy gadra politika sy sesi-tany politika dia tsy hivaha ny olana” hoy ity solotenan’ny vehivavy mpandala ny ara-dalàna ity. Izay no fototry ny filaminana raha ny filazany ary afaka hanombohana ny famahana ny olana miteraka ny krizy mangitsokitsoka mahazo ny tanindrazantsika.
Mikasika ny sosialy manokana dia nambaran’ity renim-pianakaviana ity fa “sahirana tanteraka ny fianakaviana Malagasy vokatry ny fanonganam-panjakana nataon’I TGV sy ny mpanaraka azy”. Nambarany fa efa nisy mihitsy ny zanaka Malagasy no tsy afaka niatrika ny fanadianana noho ny fahasahirana’ny Ray aman-dReniny.
Nihaona tamin’ny mpanao gazety io hariva io ny ankolafy telo mivondrona anatin’ny Mouvance Madagasikara. Teboka lehibe telo no nifantohan’izany resaka izany dia ny tsy fandraisana anjara ao amin’ny CENI noho io rafitra io tsy ara-dàlana, ny fitakiana ny mangaraharaha mikasika ny raharaha bois de rose izay malaza be amin’izao ary ny tsy handraisan’ny ankolafy telo anjara amin’ireo dinika santatra sy nasionaly”. Efa nahazo toromarika moa ny any amin’ny faritra rehetra fa tsy “mandray anajara amin’izany dinika izay tsy iarahana manapaka izany. Nanisy resaka manokana momba ilay famelan-keloka nataon’ny filohan’ny Fat ihany koa Fetison Rakoto Andrianirina izay mamintina ny dinika rehetra.
Izy no Guillaume R., fantatry ny mpitolona légalistes amin’ny solon’anarana hoe ‘’Ra-Guy’’. Andro vitsy izay no nivoahany ny fonjan’Antanimora, rehefa avy nanefa sazy an-tranomaizina telo volana, sazy mihatra avy hatrany ny tenany. Ny niampangana azy ? ‘’fihantsiana mpitandro ny filaminana sy fanapotehana voninkazo tamin’ny 29 Marsa’’. Ny 31 Marsa izy no nosamborina niaraka tamin’ny mpanao gazety iray, nandritra ny hetsika teny amin’ny 13 Mai. Tsy nandray anjara ra Guy fa nitrandraka vaovao araka ny fanaony. Navotsotra iny andro iny ihany ilay mpanao gazety, fa Ra-Guy kosa notazomina teny amin’ny Borigadin’ny zandarmariam-pirenena teny Betongolo.
Nogadraina tsy nisy porofo Ny 01 Aprily ihany dia efa nalefa teny amin’ny fampanoavana ra-Guy, « na dia tsy nipoitra aza ilay adjudant nilaza ho vavolombelona amin’ny fiampangana azy ». Nosoratan’ ny tompon’andraikitry ny fanadihadiana tsara tanaty PV alefa eny amin’ny fampanoavana io tsy fisiana vavolombelona io. Vita ny fanadihadiana teny amin’ny fampanoavana dia naiditra am-ponja vonjimaika Ra-Guy, ary ny 08 Aprily izy no niakatra fitsarana. Nivoaka ny didy ny 20 Aprily : “tsy maintsy miditra ery ambany atsinanana”.
Nolazaina fa ananan’ny FATE avokoa ny porofo rehetra iapangana an’ity
mpitolona ity. Vita ny fanadihadiana , vita ny fitsarana,
nozakain-dRaguy ny telo volana an-tranomaizina ary efa nivoka izy saingy
tsy mbola nisy nahita izay porofo nanamelohana azy.
Manao antso avo Raguy “Mafy izany telo volana an-tranomaizina izany” hoy ity zoky Raiamnadreny ity. “Miantso ny fahatsiarovan-tenan’ireo mitonona ho tompon’andraikitra eto amin’ny Firenena aho mba hamoaka ireo gadra politika rehetra” hoy izy “satria tsy rariny loatra raha tsy fitovian-kevitra no andaniana andro aman’alina any am-ponja”. Notononiny manokana tamin’izany moa Randrianantoandro Jules izay niara-niasa taminy tamin’ny fitandroana ny filaminana eo amin’ny tolonan’ny mpanadàla ny ara-dalàna. “Tokony hatao izay ivoahany” hoy izy “fa mijaly io rahalahy io any am-ponja any”. Tsy hadinony koa ireo mpanao gazety sy mpiasan’ny Radio Fahazavana izay efa mananika ny roa volana no nampidirana azy tany am-ponja”. Ra-Guy manokana dia nisafidy ny tsy hampiakatra ny raharaha.“Izay no mba hany hazo fijaliako amin’ity tolona ity” hoy izy. “Ho an’ny tanindrazana”!
Mardi 13 juillet à 18h, des associations africaines ont manifesté dans les artères parisiennes, leur désapprobation contre la françafrique et la volonté de la politique française menée par Sarkozy de vouloir une recolonisation du continent noir. En effet, depuis quand, un colonisateur se réjouit-il de l'indépendance de ses anciens colonisés en les invitant à défiler lors des festivités de la fête nationale du colon ? Des militaires de pays francophones africains dont les dirigeants collaborent activement jusqu'ici au soutien du système mafieux françafricain, défilent aujourd'hui 14 juillet sur les Champs Elysées, réaffirmant ainsi leur soumission et leur complicité à cette recolonisation voulue par la politique du gouvernement Sarkozy.
Des associations telles que Survie, ATTAC,... ont organisé cette manifestation d'hier 13 juillet, des membres des GTT et de la diaspora légaliste y ont participé, montrant aux yeux de l'opinion publique française que tous ne sont pas solidaires à cette politique françafricaine qui perdure, apportant son lot de dictateurs et de putschistes invétérés sur le Continent Africain.
Isan’ny mpitari-tolona manameloka ny fomba nankalazana ny faha-50 taonan’ny fahaleovan-tena ny Rev. Satrobory. Tsy nankasitrahany ny lanonana maro nandatsana ny mpiray tanindrazana. Nanana ny fomba nankalazany izany manokana ity mpitari-tolona ity sy ny mpikambana ao amin’ny antoko AMF/3FM tarihiny :
“Any am-paladihan’ny fety any Congo androany ny fankalazana ny fahaleovan-tenantsika” hoy Satrobory. Nambarany fa Filoham-pirenena am-polony no nanatrika izany fankalazana tany Congo izany ary nanatrika izany hatramin’ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana. “Ny antsika” hoy izy “mbola ny menasofina ihany no mitsolatsolana manatrika ny fety nokarakarain’ny foza”.
Efa nanao antso avo tamin’ny Filoham-pirenena frantsay Satrobory mba hanova ny fomba fijeriny ny toe-draharaha eto Madagasikara. Efa nanao antso avo koa ny tenany tamin’ny masoivohon’ny Vatikano eto an-tanindrazana maba handinika momba ny fiasan’ny tompon’andraikitra sasatsasany ao amin’ny Eglizy Katolika izay miasa eto an-toerana. “Toa misy manko ny manampy amin’ny hametrahana ny fanjanahana” hoy Satrobory “nefa efa manomboka mivaly amin’ny Frantsay ny alahelon’ny Malagasy nampijaliana noho ny fitiavan-tena”.
Manameloka tanteraka ny fanaovana antsojay amin’ny fiangonana eto an-tanindrazana ny “Représentant légal de l’Eglise Kibanguiste”. Nisy nandoro mantsy ny Eglizy Anglikana eny Andavamamba ary tsy fantatra na diso adresy ireo mpnao ratsy na tena io fiangonana io no nokendrena.
Farany dia nitondra fanazavana momba ny fizotry ny raharaham-pirenena ankehitriny ny Rev. Andriamanampy. “Efa nandefitra ny ankolafy telo nanaiky ny hitondran’I TGV ny tetezamita araky ny fifanarahana tany Maputo” hoy izy “ ankehitriny efa nanala tena izy koa tsy mendrika azy akory ny misafo ny andian-tafika Malagasy satria namerina ny tenany ho mpanongam-panjakana ity tovolahy ity”. Araky ny fanazavany ihany dia tsy mahalala afa-tsy ny Filoha RAVALOMANANA Marc ny tenany raha miresaka ny fitondrana ny tanindrazana. Voainy
Ny volana Novambra taona 2009 dia nandresy teo amin’ny Fitsarana ny orinasa TIKO rehefa nangataka ny hamelana malalaka ny fifamezivezen’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny toeram-piasan’ity orinasa ity, ny fampitsaharana ny fandrobana ireo fananan’ny orinasa ary nangataka ihany koa ny hanaovana ny kajy amin’ny fananana norobain’ny FATE sy ny vola mbola tokony haloa amin’ny fanjakana. Nikasa ny hanatanteraka izany didy izany ireo mpisolovavan’ity orinasa ity sy ny vaditany nantsoin’izy ireo tamin’ny herinandro teo.
Antony nahatapakevitra ireo tompon’andraikitra hanatanteraka ny didy ny fitohizan’ny fandrobana ao amin’ity sampan’ny orinasa TIKO ao Taomasina ity. Vao tsy ela akory izay dia menaka tsy voadio aman’aliny litatra maro no nangalarin’ny FATE tao amin’izany toerana izany ary ahiana ho natao anaty tavoahangy sy amidy amin’ny mpiray tanindrazana. Efa tapitra anefa ny fe-potoana afaka anjifana azy io ka hitera-doza ho an’izay mampiasa azy. Nandray andraikitra avy hatrany ary ny TIKO satria tarigetrany ny hanasoa ny mpiara-belona fa tsy hanapoizina mpiray tanindrazana akory.
Teo am-panatanterahana ny asa anefa dia nahazo baiko ny hampitsaharana izany ny “procureur général” ao Toamasina.
Rehefa nangataka taratasy mazava ny vaditany avy aty amin’ny TIKO dia nandefa TLO (télégramme lettre officielle) ity tompon’andraikitra ao amin’ny fitsarana ity. “suite aux instructions reçues” no antony voalaza ao anatin’ilay taratasy fa tsy maintsy ampitsaharana izany asa ataon’ny TIKO tany an-toerana izany.
Isan'ny nambaran’ny fitsarana tao Toamasina ho antony ampitsaharana ity fampiharana didy ity ihany koa ny fitandroana ny filaminam-bahoaka. Ny orinasa TIKO anefa dia mahatsapa fa mampilamina ny mpiara-belona ny fanatanterahana izany didy izany. Hitsahatra hatreo ny fivarotana entana tsy manara-penitra angalarina ao amin’ny TIKO Toamasina noh izany hihena ny mety ho tsy fahasalaman’ny mponina any an-toerana. Hampandry fahalemana ny fisian’ireo mpiambina hapetraky ny orinasa satria hitsahatra ny fangalarana. Ho an’ny TIKO arak’izany dia tsy mitombona velively ny “motifs” tao anatin’ilay LTO nalefan’ny fitsarana tao Toamasina.
Rehefa nikorontana noho izany ny Minisitry ny Fitsarana FATE dia nanome baiko ny “procureur general” eto an-drenivohitra. Nandefa taratasy tany amin’ny filohan’ny vaditany ary ity farany. Taratasy mandidy azy ireo tsy hanatanteraka ny “ordonnance N°67 du 14 Avril 2010”. Ity didy hitsivolana ity anefa dia manafoana ny fampiakarana nataon’ny TIKO momba ilay raharaha Magro Ankorondrano. Midika izany tsy mahazo manatanteraka ny asan’ny CCIAA momba ny eny amin’ny Magro Ankorondrano izany ny vaditany rehetra ary dia afaka miverina ao amin’izany toerana izany ny orinasa TIKO. Io ilay hoe rehefa diso matahotra loatra dia manaonao foana amin’ny farany.
Inona ary ny fepetra noraisin’ny vondrona TIKO momba ilay raharaha nitranga tany Toamasina ny herinandro lasa teo?
Ho an’ny “Mouvance Madagascar” avy any amin’ny Faritra SOFIA dia I Andry TGV sy ireo mpomba azy no fototry ny olana eto Madagasikara. TSy manaiky ny hiaraha-mitondra ao anatin’ny tetezamita izy ireo mba ahafahany manohy ny gaboraraka amin’ny fitantanana ny harem-pirenena. Mba ahatongavana amin’izany tanjona tsy mendrika izany dia vitan’izy ireo ny maniraka milisy hitifitra ireo vahoaka nanotrona ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana teny amin’ny Mozoley. Notafihina hatramin’ireo zandary ao amin’ny FIGN izay sahy nijoro niaro ireo rehetra mitaky ny fahamarinana araky ny nambaran’ny solotenan’ny Ankolafy telo any SOAFIA, Bitieny Clermont.
DE MADAGASCAR EN EUROPE : THIERA BRUNO ARTISTE PROFONDEMENT LEGALISTE VIENDRA SOUTENIR LES PATRIOTES
A LA SOIREE ORGANISEE PAR LE COLLECTIF-GTT TOULOUSE LE VENDREDI 28 MAI 2010 A 21 HEURES AU CHATEAU DE POMPIGNAN 82170 POMPIGNAN (route de Paris : N20 entre Montauban et Toulouse)