« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
Olona iray no naratra mafy teo amin'ny tongony teny Ambohijatovo androany vokatry ny tifitra nahazo azy. Tsy mbola fantatra aloha ny zavatra nahavoa azy na bala tena izy na tsia fa raha ny dian'ny ratra eny aminy dia tsy lehibe toy ny "grenade lacrymogène" no nahavoa azy fa toy ny diam-bala. Nijininika ny rà ary mpitolona niaraka taminy no niangavy fiara iray hitondra azy tany amin'ny toeram-pitsaboana akaiky indrindra. Ankoatra izay dia nirefodrefotra tsy nifankahitana ny baomba mandatsa-dranomaso nandravan'ny hery famoretana ny vahoaka nanotrona ny Pr. Zafy Albert. Rehefa tsy tafiditra tao anaty Kianjan'Ambohijatovo manko ity Filoham-pirenena teo aloha ity dia nitety ny toerana nisy ny vahoaka hanambara tamin'izy ireo fa "fanombohana ny androany fa tsy faran'ny tolona akory". Nandritra izay no nangatahan'ny vahoaka ny hidinana teny amin'y Kianjan'ny 13 May saingy nilaza ny Profesora fa "tsy mbola androany no hanaovana izany". Tao anatin'izany anefa dia efa raikitra ny tifitra lakrimozena sy poa-basy vitsivitsy ary dia voatery niparitaka ny vahoaka. Hatreto aloha dia tsy fantatra na nisy ny voasambotra na tsia fa io naratra iray io no fantatra fa nizaka ny herisetran'ny FATE indray amin'izao tsingerin-taona faha-telo nitokanan'i TGV ny "kianjan'ny demokrasiany" izao.
Hatreo amin'ny vavahadin'ny "demokrasia" ihany no azon'ny Malagasy aleha fa tsy azony atao ny miditra ao anatiny. Sary azo andikana ny zava-nisy teny Ambohijatovo androany izany ary namafisin'ny mpitari-tolona iray raha saika teo amin'ny tsangam-baton'ny 29 Marsa no nasain'ny hery famoretana nametraka fehezam-boninkazo izy ireo ka hoy izy hoe "Ato (Ambohijatovo) no kianjan'ny demokrasia fa tsy etsy (tsangambato 29 Marsa) koa aleo hapetrakay eo ambavahady ny voninkazo ho hitan'izao tontolo izao fa tsy misy demokrasia eto Madagasikara". Arak'izany dia tsy nosokafan'ny FATE ho an'ny Ankolafy ZAfy sy ny mpanara-dia azy ny kianjan'ny demokrasia izay notokanan'i TGV ho sehatra fanehoan-kevitra tsy mila fangatahan-dalana telo taona lasa izao. Rehefa nifampiresaka ny tomponandraikitra dia nilaza ny Jly Baomba fa tsy manana ny fanalahidy ahafahana mamoha izany kianja izany. Tsy vitan'izany fa ny Pr. Zafy sy ny lehiben'ny delegasiona ao amin'ny Ankolafy tarihiny ihany no afaka nanatanteraka ny fihetsika fa na ny mpiambina akaiky an'ity Filoha teo aloha ity aza dia noroahina tsy afaka miditra amin'ny faritra manoloana izany kianja izany.
Araka ny tatitra nataon'i Miandrisoa Jean Marcel dia nangataka ny hahita maso ny Jly Baomba ny Pr. Zafy rehefa noroahina ireo mpiambina azy. Izany dia mba hisian'ny fifamarafarana amin'ny fiantoahana ny fiaorvana ny tenany. Tsy nanaiky hatramin'ny farany moa ny lehiben'ny CIRGN ary valin-teny tsy mendrika manamboninahitra milaza fa tomponandraikitra eto amin'ny Firenena no nasesiny.
"Fanombohana ny androany fa tsy fiafarana" hoy ny Profesora raha nitafa tamin'ny mpanao gazety ny tenany. Notsoriny fa porofo mitohaka amin'ny tenda ny zava-misy androany raha ny fanosihosena ny demokrasia eto Madagasikara no resahina. "Ity kianja ity" hoy izy " dia notokanana mba azahoana maneho hevitra an-kalalahana tsy mila fangatahana fazahoan-dalana saingy rehefa tonga eo amin'ny fitondrana ny sasany telo taona aty aoriana dia mampihatra jadona". Nambarany moa fa midika avy hatrany fanaovana tsinontsinona ny praiministra izao fanakanana ny hetsika izao satria ity farany, izay tomponandraikitra voalohany amin'ny filaminana, dia efa nanome alalana azy ireo fony niarahaba azy nahatratra ny taona vaovao.
Tamin’ny 2 ora sy 45 minitra no nigadona teo amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena teny Ivato ny zanaky ny filoha Marc Ravalomanana Tojo Ravalomanana sy ny vady andefomandriny, narahin’ny mpitondratenin’ny filoha Ravalomanana, Guy Rivo Randrianarisoa. Tsy nisy olana ny fahatongavany na teo aza ireo olona voakarama nihogahoga ireto vahiny. Faly ny mpiray tanindrazana ary velom-bolo indray amin’ny fahatongavan’ny filoha Ravalomanana. Fanantenana vaovao be no nentin’I Tojo Ravalomanana sy Guy Rivo Randrianarisoa, fanantenana fa ho avy tsy ho ela dada, ary hivaha ny krizy.
Dia efa tsy manana henatra intsony fa dia tonga nanala baraka tena teny Ivato indray ny tarik’I complet gris, na I Etienne Ramamonjisoa, mpitarika ny AV7. Soratra baoritra peta-toko, misy teniteny foana tsy mifandraika amin’ny zava-misy mihitsy no nasehon’ny tarik’I complet gris, saingy sarona tanatin’ny fahendren’ny vahoaka Malagasy mandala fihavana izany.
Hita ho nila kisa sy nitady ady mantsy ireto olona voakarama ireto, saingy tsy namely ny olo-kendry fa nanindry fo na dia nanafintohina azan y nahita ireo olona sasany nentina zotra 133 roa izay tsy feno akory. Na izany aza nilefa toy ny tsy teo izy ireo satria nihamaro ny olona tonga nifanandrina taminy. Vao ny zanany lahy iray sy ny mpitondra-teniny no tonga dia efa nipararetra ny foza, mbola ho aiza re izany?
Ny zoma 12 Aogositra teo vao mba afaka nihaona sy nifampizara vaovao ny mpikatroka Tiako I Madagasikara sy ny Ankolafy RAVALOMANANA any Moramanga. Olana lehibe tsy nahafahana nanatontosa izany hatramin'ny volana Oktobra 2009 ny fampitahorana nataon'ny lehiben'ny Distrika teo aloha. Rehefa nafindra toerana ity farany dia azo noresahina tsara ny nanolo-toerana azy ka izay afaka nanao hetsika tao amin'ny efitrano malalaka an'ny orinasa TIKO izao ny mpandala ny ara-dalàna.
Tena nanan-danja tamin'ny mpikatroka tany an-toerana ity fihaonana ity satria nahafahana nifampizara ny vaovao mahakasika ny raharaham-pirenena tamin'ireo mpiara-mitolona aman-jatony namaly ny antso. ankoatran'ny fanazavana nentin'i Ignace Randriamamizafy izay solontena avy aty an-drenivohitra dia niditra an-telefonina ihany koa ny Depiote Jules Andriamaholison sy Henri Randrianjatovo ary nitafa tamin'ireto mpiara-mitolona ireto. Koa satria efa eo am-panomanana ny fiverenan'ny Filoha RAVALOMANANA ny vahoaka Malagasy dia hetahetan'i Moramanga ny mba hidiran'ny Filoha RAVALOMANANA mivantana an-telefonina amin'ny hetsika manaraka hataon'izy ireo.
Zaza amam-bolany roa no tsy nahatsiaro tena noho ny entona mahery vaika ampiasain’ny hery famoretana hanaparitahanan ny vahoaka. Taorian’ny fahatongavan’ny Pr. Zafy Albert teny Anosy dia niredona hiram-pivavahana ny vahoaka ary nametraka saina teo amin’ny fiaran’ity Filoham-pirenena teo aloha ity hafantarana ny fisiany eo amin’izany toerana izany. Tsy laitran’ny balan’ny fananarana anefa ny EMMOREG fa dia nadoboka tao ambanin’ny fiaran’ny Pr. Zafy mihitsy ny grenady maromaro voalohany. Tsy maintsy nentina niala ny toerana haingana arak’izany ny tenany mba hialana amin’ny mety ho tsy fahasalamana aterak’ity daroka lavareny ity.
Ankoatry ny vahoaka mpitolona dia maro ireo olon-tsotra tsy manam-po izany fihetsika feno habibiana ataon’ny mpomba ny FATE izany no mizaka ny vokany. Ireo zaza mena vava roa dia naterin’ny mpitolona nahafoy tena tao amin’ny HJRA avy hatrany. Nisy ihany koa ny ramatoa iray efa nahazo taona no tsy maintsy netina tao satria tsy nahatsiaro tena minitra vitsy noho ny fahaseporana. Ireo any anaty fiara fitateram-bahoaka moa dia efa tsy lazaina intsony fa dia tsy maintsy mijanona haingana satria na ny mpamily aza sepotra noho ilay entona mahery vaika. Asain’ny FATE mizaka ny herisetrany avokoa ankahitriny ny mpiara-belona rehetra ary efa ho isan’andro mihitsy izany fa tsy mba tsindraindray fotsiny.
Tratra ny tanjona hoan'ny hetsika androany na dia semban-drahona aza. Voatitra avokoa ireo taratasy rehetra fanehoana fitakiana ny hisian'ny rariny eto amin'ny firenena. Fitakiana telo sosona no noraiketina an-tsoratra ka naterina tamin'ireo tompon'andraikitra androany. Ny iray tao amin'ny biraon'ny filan-kevitry ny tetezamita an'ny FATE, ny faharoa natolotra ny mpitsara zokiolona sy ny "procureur de la République" teo amin'ny Lapan'ny Fitsarana Anosy ary ny fahatelo tao amin'ny RNM sy ny TVM.
Nandritra izany dian'ny delegasiona izany anefa dia "lacrymogène" no rivotra niainan'ny vahoaka tety ivelany. Nahatsikaiky ihany ny andiany voalohany tamin'ny "tsipoapoaka" satria ireo hery famoretana no nifandaroka vokatry ny fikoropahana saingy rehefa avy eo dia nataon'izy ireo hazalambo tamin'ny grenady mihitsy ireo mpitolona. Niverina tsikelikely anefa ny olona rehefa nahita ny Pr. Zafy tsy niala fa nijoro manolona ny fivarotam-boninkazo eo akaiky ny biraon'ny planina Anosy.
Rehefa nahita izany ireto hery famoretana dia nihodina manolona any hopitaly HJRA ary dia raikitra indray ny daroka vary raraka tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso. Niparitaka noho izany ny vahoaka ka ny Pr. Zafy sy ny mpiara-dia aminy akaiky sisa nianjadian'ny setroka teo. Hita ho tsy nahazo aina mihitsy ity Filoham-pirenena teo aloha ity vokatry ny herin'ny entona.Mpitolona iray indray hatreto no fantatra fa voasambotry ny EMMoREG io hariva io.
Raha ny fahenoana azy tokoa dia toa hafa noho ny nampiasain'izy ireo omaly ny androany. Mandoro tarehy sady manempotra ilay androany ary ny ati-tenda avy hatrany no hamaininy. Maro tamin'ireo mpitolona no mivatsy vinaigitra iadiana amin'ity fitaovam-piadiana ity toy ny mahazatra saingy tsy nandaitra intsony izany androany. Raha ny hita androany dia maro ireo tsy nahazaka ny herin'izany grenady izany eny na dia mpandalo tsotra aza. Raha ny filazan'ny mpitazana dia nisy zaza iray nijoro manoloana ny HJRA no tsy nahatsiaro tena avy hatrany ka voatery nampidirina tao amin'ity hopitaly ity hovonjena. Nisy koa ireo nandalo tamin'ny fiara fitanteram-bahoaka no nianjadian'ny entona ka safotra tao anatiny fa ny tena henjana dia ity tanora iray nadeha moto teny amin'ny manodidina no voatifitry ny grenady teo amin'ny kibony. Marina fa tsy mahafaty izy ireny saingy nitaraina kosa ity ranamana fa tena maharary azy ilay faritra nipetahan'ilay grenady.
Raha fintinina tsotsotra ny zava-nitranga teny Anosy dia tsy nahatohitra ny hamaroan'ny vahoaka ny hery famoretana ka tsy nanan-katokona afa-tsy grenady. 50 tany hoany ny "grenades lacrymogènes" nirefotra teny an-toerana. Tovolahy telo no nosamborin'ny ekiapan'ny Jly Ra-Bomba ary naratra avokoa izy ireo nandritry ny fisamborana. Izany hoe "resaka fotsiny no bobaka" hoy ny tanora fa tsy misy fahafahana izany eto Madagasikara.
Efa tamin’ny 09 ora maraina no nanomboka tonga teny Anosy ny vahoaka vonona hanao ny rodobe. Efa teny an-toerana ihany koa ny hery famoretana ary nivezivezy teny amin’ny manodidina an’Anosy. Niandry tamim-pilaminana ny fahatongavan’ny mpitarika izy ireo ary tsy nanakorontana velively. Tamin’ny 12 ora sy sasany tany ho any no nigadona teny an-toerana ireo mpitari-tolona. Isan’ny tazana teny Jean-Louis Rakotoamboa; Ihanta Randriamandranto, Ruffine Tsiranana, Prince Elakovelo, Zafilahy Stanislas, Guy Maxime Ralaiseheno, Pastera Edouard sy ireo mpitarika maro avy amin’ireo solotena isam-paritra tonga eto an-drenivohitra. Minitra vitsy taorian'izay no nigadona teny Anosy ny Pr. Zafy Albert. Teo dia nidina an-dalam-be avy hatrany ny Rodobe ary nihazo ny “ronds-point” manoloana ny Lapan’ny Antenimieran-doholona. Nahita izany ireo hery famoretana dia niantrana avy hatrany manoloana ny fivarotam-boninkazo teo aloha. Niala maina anefa izy ireo satria nihodina nihazo ny lalana mankany amin’ny Lapan’ny Fitsarana ny rodobe.
Teo anoloan’ny Lapan’ny Fitsarana no nifanatrika ny vahoaka sy ny EMMOREG ary teo no nandray fitenenana ny Pr. Zafy Albert. Nitondra fanazavana tamim’ny fanamafisam-peo ny tenany mikasika ny antom-pisian’ny rodobe androany. Teo ihany koa no nanambarany fa “hihazo am-pilaminana ny Radiom-pirenena ny vahoaka hitaky ny fazahoana maneho hevitra malalaka ao amin’izany hainoamanjerim-bahoaka izany”.
Minitra vitsy taorian’izany dia nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso nanaparitaka ireto vahoaka mitolona amin’ny fiverenan’ny ara-dalàna eto amin’ny firenena. Narahin’ny EMMOREG hatrany Antanimbarinandriana ny vahoaka ary tsy nitsahatra ny fitifirana grenady mandra-piparitak’izy ireo. Arahy ny nambaran'ny mpandrindra ny Rodobe dia maherin'ny 50 isa ireo grenady napoakan'ny hery famoretana tamin'ny vahoaka androany.
Rehefa afaka minitra vitsy anefa dia niverina nitangorona teo Anosy indray ny olona ary dia raikitra teo ny fisamborana. Tovolahy telo no naondran’ny hery famoretana ary naratra avokoa izy ireo tamin’ny fotoana nisamborana azy.
Araky ny filazan’ny renim-pianakaviana iray dia sendra nandalo nitazana izy ireo no noraofin’ny EMMOREG ny vadiny. Ity farany izay tsy salama fa hamonjy fodiana no nandalovany teny Anosy.
Mijoro… tsy matahotra Ilaina ny fijoroan’ny tanora hanatevin-daharana ny Rodobe satria izy ireo no hoavin’ny Firenena. Tokony ho modely hoan’ny maintso volo ireo Filoham-pirenena telo mirahalahy mitarika ny vahoaka amin’izao tolona izao. Na efa mahazo taona aza izy ireo dia tsy mitsahatra mitady izay mahasoa ny Firenena. Alevina im-pito mandifitra olona ny tahotra rehefa hiady ho an’ny Firenena izany ary mila mijoro an-kasahiana ny rehetra. Ny tanjona dia ny hamongorana ny mpanongam-panjakana izay mibodo toerana eo amin’ny fitondrana amin’izao fotoana izao.
Tsy hilatsaka any an-davaky ny bibidia Tokony mandray am-pilaminana ny toromarika avy amin’ny mpandrindra ny vahoaka manaraka ny Rodobe. Mahalala zavatra maro mikasika ny velam-pandrika ataon’ny FATE izy ireo saingy misy ny zavatra tsy azo ambara ny be sy ny maro mba hialana indrindra amin’ny tendrim-po tsy mba namana. Sarotra ny mitarika sy miahy ny ain’ny vahoaka ary mitsinjo ny tsy ahafaty ny tolona. Raha sanatria manko tafalatsaka amin’ireny velam-pandrika ireny dia manome fiadiana ho an’ny FATE handringanany ny tolona avy hatrany.
Diso lasibatra Tsy maintsy ho tanterahina ny rodobenn’y Vahoaka Malagasy ho an’ny Tanindrazana na dia tsy tanteraka androany aza. Tsy tokony hipetraka ho hery famoretana hoan’ny vahoaka intsony ny EMMOREG satria hetsika politika no hatao fa tsy fanakorontanana na fandrobana sanatria. Ireo toerana saro-pady no tokony harovan’izy ireo ialana amin’ny asaratsin’ny zatra ny lalan-dririnina.