Andriamatoa Mamy Rakotoarivelo,ianao dia President CT, filohan’ny Mouvance Ravalomanana ary sekretera jeneralin’ny Antoko TIM. Andriamatoa tankina sy menatra tanteraka izahay raha nahita anao niseho taminy fahita lavitra sy nivoaka taminy gazety samihafa fa nosaloran’ny FAT mariboninahitra enao. Aminay izany fanekena nisalotra an’io izany dia fanalana tanteraka ny Filoha Marc Ravalomanana sy ny mouvance Ravalomanana. Fantatrao tsara ve fa ny fotokevitra ijoron’izany mouvance Ravalomanana izany dia tsy manaiky ny fitondran’ingahy Andry Rajoelina izay nanongana ny fanjakana notarihan’ny filoha Marc Ravalomanana.
Ka ankehitriny dia ianao nahatokisan’ny Filoha Marc Ravalomanana indrindra ka nomeny hitarika ny ankolafy no nanaiky hosalorana mariboninahi tra nosoniavin’ Andry Rajoelina. Ka aminay zany dia famitahana tanteraka ny filoha Ravalomanana sy ny vahoaka Malagasy satria ianao tokony hanohitra sy hijoro amin’izao fitondrana sadasada izao indray no nakato azy ankehitriny koa dia manambara ampahibemaso izahay fa tsy mety amin’ny tolona izay nimatimatesan’ny vahoaka Malagasy ny nanekenao nandray an’io mariboninahitra avy aminy FAT io satria midika ho fankatoavana ny fanjakan’i Andry Rajoelina izany nefa i Dada mbola tsy tafody eto Madagasikara akory . Ka dia mieritrereta sy mandiniha tena tsara fa masina ny tanindrazana. Ary ny tolona izay natao nandritran’ny 3taona sy ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana dia efa mizotra mankany amin’ny fandresana.
Hetsiky ny Tanora Antsirabe