Hoan'ny Vahoaka malagasy anaty tebiteby,
Tamin'ny herinandro lasa dia nanontaniana ny fietsem-poko momba ny fiapangàna tsy mari-pototra izay natao ahy.
Hita miharihary toa vay an-kandrina fa mitohy ankehitriny ny fanamparam-pahefàna eo amin'ny sehatry ny fitsaràna eto amin'ny Tanindrazantsika. Tsy misy dikany amin'ity fahefàna tsy ara-dalàna tantànan'i Andry Rajoelina ity ny zavamisy sy nitranga, ary indrisy fa voahodina any amin'ny tsy ara-dalàna izany, ny tribonaly sy fitsarana eto amintsika amin'izao fotoana izao, raha nalalaka sy ara-dalàna tokoa izy tamin'ny fitondrana teo aloha.
Tao anatin'izay 18 volana lasa taorian'ireny raharaha mampalahelo ny 7 febroary 2009 ireny, dia tsy nitsahatra nanohana ny sosokevitra mangataka ny fanadihadiana mahaleotena hitadiavàna ny marina tamin'iny raharaha iny ny tenako. Nangataka tamin'ny vondron'ny firenena mikambana eoropeana sy ny SADEC aho hanao ny fanadihadiana mitambatra momba iny raharaha iny saingy nosakanan'ny fitondràna tsy ara-dalàna tarihan'ingahy Rajoelina ankehitriny izany fanadihadiana mahaleotena izany.
Inona no antony handavàny izany ? Noho ny fahitàna ny ankamaroan'ireo namohy ny ainy tamin'ny 7 febroary iny voatifitra avy an-damosiny ve ? Sa noho ny fahitàna fa ny rindrin'ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra ahitàna miharihary ireo diam-bala maro avy amin'ny tifitra avy any ivelan'ny vavahadin'ny lapa ? Sa kosa noho ny tenako izay tsy tao anaty lapam-panjakana tamin'ireny fitifirana ireny ?
Raha mbola mifikitra amin'io fitondrana tsy ara-dalana io ireo nandroba fahefàna ireo dia tsy ho hita ny marina. Manan-jo sy mila ampifantarina ny tena marina momba iny raharaha iny ny Vahoaka malagasy. Raha izay no tanteraka dia hiverina ny famatsiana avy any ivelany hamerina ny fampandrosoana ny toe-karena.
Marc Ravalomanana
Au peuple malgache plongé dans l'inquiétude,
La semaine dernière, on m'a demandé ma réaction après le jugement illégal qui
m'a condamné aux travaux forcés à vie.
Les abus sur notre système judiciaire continuent. Les faits n'ont que peu d'importance aux yeux du régime illégal d'Andry Rajoelina, et malheureusement notre système judiciaire, autrefois indépendant, a été corrompu.
Au cours des 18 derniers mois depuis les événements tragiques du 7 février 2009, j'ai soutenu la proposition d'une enquête indépendante pour établir les faits. J'ai demandé à l'Union européenne et à la SADC de mener conjointement cette enquête mais le régime de Rajoelina a empêché cette enquête.
Pourquoi ? Était-ce parce que la majorité de ceux qui ont péri le 7 février semblent avoir été victimes de tirs par derrière. Était-ce parce que la façade du Palais Présidentiel présente des traces de balles suggérant que les tirs venaient de l'extérieur de l'enceinte du Palais - et non de l'intérieur. Était-ce parce que je n'étais pas dans le Palais Présidentiel au moment des tirs ?
Tant que ce régime illégal continuera à s'accrocher au pouvoir, la vérité restera cachée. Le peuple malgache a besoin qu'on lui dise toute la vérité. Quand cela arrivera, les investissements reviendront reconstruire notre économie. Mais avant cela, rien ne se passera.
Marc Ravalomanana
(Traductions libres en français et malagasy de la lettre originale en anglais)