Fiarabàna ny faha 60 taonan'ny Filoha Ravalomanana : 12 desambra 2009

Noho ny fitsingerenan'ny faha 60 taona nahaterahanao, Filoha Marc Ravalomanana, ny collectif GTT Gasy Tia Tanindrazana dia faly miarahaba anao noho izany vanim-potoana manan-danja eo amin'ny fiainanao izany. Mirary soa ho anao, hifanatitra amin'ny vady aman-janakao anie ianao, hifanatitra amin'ny Vahoaka malagasy izay miandrandra sy maniry ny hiverenanao an-Tanindrazana, hanohy ny ezaka efa natombokao ho fampandrosoana ny Firenena sy ny Vahoaka Malagasy.

Tsy misy tsy mahalala izao tontolo izao ny fandavana sy fanetren-tena nasehonao ho fitsinjovana hatrany ny tombotsoam-pirenena tao anatin'izay folo volana mahery nisedran'ny Firenena sy ny Vahoaka malagasy ny mangidy izay. Voarakitra anaty Tantaran'ny Firenena tokoa ny soa vitanao noho ny fitiavanao ny Tanindrazanao.

Andriamanitra anie hitahy anao sy ny ankohonanao ary hanome hery sy tanjaka ho anao mba hanohy ny soa ho an'ny Firenena, izay mirary ny hiverenanao haingana an-Tanindrazana ary mivavaka sy mangataka amin'ny Tompo ny hahatanterahan'izany.

Collectif GTT