Fanambarana collectif GTT Gasy Tia Tanindrazana (09/01)

Izahay ato amin ‘ny collectif GTT Gasy Tia Tanindrazana dia manao izao fanambarana manaraka izao :

1- Izahay dia manamafy hatrany ny fanohananay tsy misy fepetra ny filoha Ravalomanana ary mitaky ny fiverenany tsy misy hatak’andro.

2- Izahay dia manamafy ny fitakianay ny fampiaharana ireo satan’i Maputo sy ny « acte additionnel d’Addis Abeba » ka noho izany :

· Mitaky ny fametrahana haingana ireo andrim-panjakana rehetra mitantana ny tetezamita ahafahana miroso amin’ny fifidianana malalaka sy mangarahara.

· Mitaky ihany koa ny fanasaziana ireo rehetra tsy manaraka ny fampiharana io sata io

3- Izahay dia tsy miombon-kevitra ary tsy afaka manambatra hery amin’ireo ankolafin-kery isan-karazany tsy manameloka ny fanonganam-panjakana izany hoe tsy mitaky ny ara-dalana.

4- Izahay dia manainga antsika rehetra tia tanindrazana, mitaky ny fiverenan’ny ara-dalana , mitaky ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana mba handray an-tanana ny fiainan’ny tanindrazana ary tsy hanaiky intsony ny tsindry hazo lena ataon’ny mpanjanaka.

Ny mpikambana ato amin’ny Collectif GTT Gasy Tia Tanindrazana