Fanambaràna nataon'i Co-président Fetison Rakoto Andrianirina 9 desambra 2009

Manoloana ny toe-draharaha eto amin'ny Firenena dia nanao fanambarana tao amin'ny Radio Fahazavàna ny Co-Président Fetison io hariva io. Izy moa dia isan'ireo delegasiona mbola tafajanona any Maputo noho ny hetraketraky ny HAT . Amin'izao fotoana izao dia fantatra fa misy ny didy fampisamborana hoan'ireo tompon'andraikitra ezahina atao sesi-tany tsy fidiny ireo.