Flash News: 
Confirmation de soutien au Président Marc Ravalomanana
HMF : fahasahiana no dingana manaraka (+vidéo)
Hetsika Free FM : atao haza lambo ireo mpitarika
Vondron’ny mpanohitra : tsy manaiky ny hamindrana ny Kianjan’ny Demokrasia (+vidéo)
19 Mey 2012 : faritra mena ho an’ny zanak’i Dada ny eny Ambohijatovo (+vidéo)
Radio Fahazavana : son directeur et Lolot Ratsimba condamnés …
VHF-TV : fanambaran-kery sy fiaraha-mihetsika … ho an’ny tetezamita vaovao (+vidéos)
Ry Malagasy, ahirato ny maso ... misy "mafia" eto amintsika
Ankolafy Zafy Albert : tsy hiray tsikombakomba amin’ny mpamita-bahoaka (+vidéos)
Vondron’ny mpanohitra : « Avereno amin’ny vahoaka ny Kianjan’ny demokrasia » (+vidéos)


Io tolakandro io no nigadona eto Antananarivo ny Dr. Simao iraka manokana avy amin’ireo mpanelanelana iraisam-pirenena. Nambarany teo am-pahatongavana fa tsy mivaona amin’ny fototra demokratika ny fitohizanan'ny fanelanelanana ary tsy maintsy hihaona amin’ireo herivelona politika rehetra izy mba ahafahany mandrefy ny fivoaran’ny toe-draharaha eto Madagasikara. Raha tsiahivina dia nandritry ny fihaonana teny Vontovorona no nandalovan’ity filohan’ny “Fondation Chissano” ity teto Madagasikara farany. Nanaraka izany hatramin’ny farany ny tenany sy ireo mpanara-dia azy ary inoana fa afaka nanao tatitra mazava momba ny fitondrantena politika tsy mendrika nasehon’ny sasany. Tsy mbola fantatra kosa hatreto ny daty handalovan’ny Filoha Chissano eto amintsika na izany aza dia manaraka akaiky ny fizotry ny iraka ny tenany.