« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
Isan’ny mpitari-tolona manameloka ny fomba nankalazana ny faha-50 taonan’ny fahaleovan-tena ny Rev. Satrobory. Tsy nankasitrahany ny lanonana maro nandatsana ny mpiray tanindrazana. Nanana ny fomba nankalazany izany manokana ity mpitari-tolona ity sy ny mpikambana ao amin’ny antoko AMF/3FM tarihiny :
“Any am-paladihan’ny fety any Congo androany ny fankalazana ny fahaleovan-tenantsika” hoy Satrobory. Nambarany fa Filoham-pirenena am-polony no nanatrika izany fankalazana tany Congo izany ary nanatrika izany hatramin’ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana. “Ny antsika” hoy izy “mbola ny menasofina ihany no mitsolatsolana manatrika ny fety nokarakarain’ny foza”.
Efa nanao antso avo tamin’ny Filoham-pirenena frantsay Satrobory mba hanova ny fomba fijeriny ny toe-draharaha eto Madagasikara. Efa nanao antso avo koa ny tenany tamin’ny masoivohon’ny Vatikano eto an-tanindrazana maba handinika momba ny fiasan’ny tompon’andraikitra sasatsasany ao amin’ny Eglizy Katolika izay miasa eto an-toerana. “Toa misy manko ny manampy amin’ny hametrahana ny fanjanahana” hoy Satrobory “nefa efa manomboka mivaly amin’ny Frantsay ny alahelon’ny Malagasy nampijaliana noho ny fitiavan-tena”.
Manameloka tanteraka ny fanaovana antsojay amin’ny fiangonana eto an-tanindrazana ny “Représentant légal de l’Eglise Kibanguiste”. Nisy nandoro mantsy ny Eglizy Anglikana eny Andavamamba ary tsy fantatra na diso adresy ireo mpnao ratsy na tena io fiangonana io no nokendrena.
Farany dia nitondra fanazavana momba ny fizotry ny raharaham-pirenena ankehitriny ny Rev. Andriamanampy. “Efa nandefitra ny ankolafy telo nanaiky ny hitondran’I TGV ny tetezamita araky ny fifanarahana tany Maputo” hoy izy “ ankehitriny efa nanala tena izy koa tsy mendrika azy akory ny misafo ny andian-tafika Malagasy satria namerina ny tenany ho mpanongam-panjakana ity tovolahy ity”. Araky ny fanazavany ihany dia tsy mahalala afa-tsy ny Filoha RAVALOMANANA Marc ny tenany raha miresaka ny fitondrana ny tanindrazana. Voainy