Efa volana maro izao no niteraka fijaliana ho an’ny vahoaka Malagasy manerana ny Nosy ny fahatapahan-jiro lavareny . Toa tsy misy mijery anefa ny momba izany fa ny hanenjika ny toerana politika no mahamaika ireo rehetra mahazo ny departemanta misahana ity resaka jiro ity. Ny eto an-drenivohitra dia tsy misy andro mihiratra fa tsy maintsy misy fahatapahana izany jiro izany ary manodidina ny ora roa ka hatramin’ny adin’ny enina izany ankehitriny. Ny any amin’ny faritra moa dia maharitra hatramin’ny roa andro ny kitroka matetika.
Tsara ny manamarika fa efa nisy ny mpiara-monina amina fokontany maromaro nampiaka-peo ka nanao hetsika fanehoan-kevitra mikasika izany indray sabotsy saingy toa tsy nisy nanohy izany. Ity “délestage” ity anefa dia misy fiantraikany amin’ny fiainana an-davan’andron’ny Malagasy manomboka any amin’ny fihariany ka hatramin’ny fandriampahalena eny amin’ny manodidina ny tsirairay. Isan’ny manome vahana ny vaky trano sy ny fanendahana any anaty tanàna any tokoa ity zava-doza ataon’ny Jiro sy Rano Malagasy ity.
Vain-drahalahy tsy maharary
Ny mahasorena ny mpanjifa matetika dia ny tsy fifampitsinjovana rehefa tojo fahasahiranana. Raha sendra tara ohatra ny fandoavanan ny volan’ny JIRAMA dia tsy misy hatak’andro avy hatrany ny fanapahana ny jiro ao an-tokantrano. Setrin’izany anefa dia haizina no omena ny mpiray tanindrazana amin’ny ora tena tsy mampety izany. Toa mandatsa ny ambany lanitra ny fahitana ireo takamoa (ampoules) mirehitra tontolon’ny andro eny amin’ireny andrin-jiron’ny kaomina ireny. Eto vao tsaroana fa toa ny PDS-n’Antananarivo renivohitra no filohan’ny filankevim-pitantanana an’ity orinasam-bahoaka ity ka ka izany no mety mahatonga azy misora-tena ho afaka manao izay danin’ny kibony.