Flash News: 
Confirmation de soutien au Président Marc Ravalomanana
HMF : fahasahiana no dingana manaraka (+vidéo)
Hetsika Free FM : atao haza lambo ireo mpitarika
Vondron’ny mpanohitra : tsy manaiky ny hamindrana ny Kianjan’ny Demokrasia (+vidéo)
19 Mey 2012 : faritra mena ho an’ny zanak’i Dada ny eny Ambohijatovo (+vidéo)
Radio Fahazavana : son directeur et Lolot Ratsimba condamnés …
VHF-TV : fanambaran-kery sy fiaraha-mihetsika … ho an’ny tetezamita vaovao (+vidéos)
Ry Malagasy, ahirato ny maso ... misy "mafia" eto amintsika
Ankolafy Zafy Albert : tsy hiray tsikombakomba amin’ny mpamita-bahoaka (+vidéos)
Vondron’ny mpanohitra : « Avereno amin’ny vahoaka ny Kianjan’ny demokrasia » (+vidéos)


Tsy voahaja ny andininy faha 5 amin’ny tondrozotra, mikasika ny fanendrena ny praiministra, satria dia mbola olona avy amin’ny antoko manohana ny Fate ihany no napetraka eo. Omer Beriziky mantsy dia sekretera faha 3 amin’ny antoko Leader Fanilo, izay tsy zoviana amin’ny maro intsony ny fiandaniany amin’ny Rajoelina. Nivoaka ny efitrano ny ankolafy Ravalomanana alina raha vao naheno ny anaran’ny Omer Beriziky. Fantatra ankehitriny fa handray fanapahan-kevitra ny ankolafy Ravalomanana izay isan’ny voafitaka amin’ity raharaha ity, fa mialoha izay dia hangataka fanazavana amin’ny Profesora ZAfy Albert, sy amin’ny Troïka ary hanontany ny hevitry ny filoha Ravalomanana. « Tsy manana olana amin’ny ZAfy Albert sy Omer Beriziky ny ankolafy Ravalomanana, fa ilay tsy fanarahana ilay andininy faha 5 amin’ny tondrozotra no olana » hoy ny filohan’ny delegasaion’ny ankolafy Ravalomanana, Mamy Rakotoarivelo.