Etsy sy eroa
“Inona akia ny malaza any aminareo, ny aty akia dia Mialy Radomm… hay azafady Mialy Rajoelina mitondra ankizy mandehandeha aty no maha be resaka. Izany ve no tena zava-dehibe amin’izao fotoanan’ny krizy izao?” Marina tokoa ny voalazany fa dia any toliara indray izao Ramatoa TGV no mandehandeha, mitondra ireo ankizy tsara naoty indrindra tamin’ny fanadinana BEPC teo. Dia lasa ihany ny saina hoe, “hahavaha ny krizy misy eto amin’ny firenena ve izany?”. Maro be ny hevitra mivoaka etsy sy eroa. “Tsy naleo ve ireo ray aman-dreny no nomena fanampiana ry Fitia (anaran’ilay fikambanana io), entina hiatrehana ny taom-pianarana vaovao”. Ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy anie efa misedra olana tsy hita pesipesenina noho ny nafitsokareo e! Raha vao tafaverina avy nanao ‘’folie’’ ireto zaza ireto ka miverina an-tokantranony dia adinony ianao sy ny Fitia-nao. Efa miverina amin’ny fiainany an-davan’andro izy, efa miaina ny fahoriana lalina ao an-tranony: dada sy neny tsy miasa, sakafo tsy zarizary. “tsy mahay mankasitraka kosa ianareo e!” hoy ny sasany. Inona moa no ankasitrahana ny olona nitondra fanapotehana ny Nosy. Tsy ny fitondrana ny zaza Malagasy manao vakansy anie no hamolavola ny ho aviny e, fa ny hahatomombana ny fiainam-pirenena ahafahany mianatra tsara. Miainga ao an-tokantrano ny famolavolana ny firenena. Eto am-panoratana ny tenako dia mby ao an-tsaiko ny fanenjehana an’I Dada, hoe “tsy mitsinjo vahoaka, fa ilaozana manao fandaniana tsy toko tsy forohana” tamin’ny fividianana ny Air Force Two io. “Vahoaka Malagasy sahirana, ianao ilaozanao mividy fiaramanidina” hoy ingahy TGV tamin’ny fotoan’androny. Ary izao mba ahoana? Ny vahoaka Malagasy efa tsy mandohalika intsony fa mandady tanteraka, ilazaonareo roa kely mitety faritra, manao propagandy mialohan’ny fotoana, mampanantena zavatra tsy ho vita, ary mampiasa vola sy fitaovana tokony ho zaraina amin’ny vahoaka. Maninona raha miezaka Fitia no mba mitsinjo ny reny tsy an’asa e? Maninona ireo vola be lany amin’ny fandehandehanana mitety faritra no tsy zaraina amin’ny vahoaka? Ilaina ihany angaha ry ingahy TGV ny fiaramanidina manokana ho an’ny mpitondra? Hay ve ny mpitondra ka tokony hihavaka amin’ny vahoaka fa tsy araka ilay nambaranao fahiny hoe “ tsy tokony hihavaka, tsy mila mitokana fa mila miaraka amin’ny sarababem-bahoaka e!” Raha zohina anie dia tian’ingahy TGV ihany ny nataon’ny dada e! Hitan’I TGV fa mety ny nataon’ I dada hany ka notsiriritiny fatratra ny toerany. Dia izao hitam-poko hitam-pirenena izao no vokany.