« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
Niarahaba sahady ny reny mpiara-mitolona rehetra ny vadin’ny Filoha RAVALOMANANA androany. “Aza mitsahatra mivavaka ho an’ny Firenena” hoy Lalao RAVALOMANANA raha nitafa mivantana tamin’ireo rehetra nivory tao amin’ny foiben’ny Ankolafy RAVALOMANANA ny tenany. “Manana andraikitra lehibe eo amin’ny fanavotana ny firenena isika reny” hoy izy “koa mila mijoro hatrany hanabe ny mpiara-monina”.
Mba tsy ho ao anaty lonilony intsony … Nandritry ny dinidika ambany tafotrano nihaonan’ny vehivavy ao anatin’ny ankolafy RAVALOMANANA tamin’ireo mpitari-tolona dia nanamafy Ihanta Andriamandranto fa “raha ny faniriana dia tsy ho ao anaty lonilony toy izao intsony ny fetin’ny reny manaraka”. Nazavainy tamin’izany fa fanirian’ny tsirairay ny mba ho eo anilan’ny olona sarobidy aminy amin’izany fetin’ny reny izany saingy ankehitriny dia mbola misy Raiamandrenin’ny Malagasy tsy mbola tafaverina an-tanindrazana ka tsy afaka miara-miriaria amin’ny vahoaka. Ankoatr’izay dia maro ny reny Malagasy amin’izao fotoana izao no tsy miaraka amin’ny fianakaviany satria ny vadiny na ny zanany dia mbola any am-ponja noho ny fahasahiana mijoro amin’ny fahamarinana.
Manan-danja amin’ny fitantanana ny toro-hevitry ny vehivavy satria manan-tsaina mandinika sy mandamina izy ireo. Araky ny nambaran’ny loholona Ruffine Tsiranana dia “raha misy lehilahy Filoham-pirenena dia ny vehivavy no tena mitondra satria matetika ilaina ny heviny”. Nankahery ny vehivavy rehetra ao amin’ny Ankolafy RAVALOMANANA moa ny tenany amin’ny tolona izay atao indrindra amin’ny fitsapana maro noho izao krizy izao.
Mankasitraka … Nitondra ny tenin’ny Birao Politikan’ny Tiako I Madagasikara ny Depiote Jules Andriamaholison izay mpanolotsiana ao anatin’ny antoko. Nankasitraka ny herin-tsaina ananan’ny vehivavy ny tenany amin’ny fiatrehana ny tolona. “Raha tsy nisy anareo vehivavy angamba dia efa rava ity tolona ity” hoy izy. Nanentana moa ny tenany mba tsy hitsahatra izany fahavitrihana ananan’ny vehivavy izany.
Hetsika Nikarakara hetsika nifampizarana ny mamy moa ireto vehivavy TIM ireto amin’izao fankalazana ny fetin’ny Reny izao. Mofomamy aman-jatony no namidy tamin’ny vidiny mirary mba ahafahan’ny reny rehetra mifaly na dia misy azan y krizy. Hetsika nahafahana nanamafy ny firaisan-kinan’ny vehivavy ihany koa izy ity satria niaraha-nanatanteraka avokoa ny asa rehetra manodidina izany. Manodidina ny roanjato ny tapakila lafo rah any filazan’ny mpikarakara.