Mbola maro tamin’ireo mpitolona avy any amin’ny Faritra no, mbola nijanona eto an-drenivohitra taorian’ny 21 janoary. Mbola nanantena izy ireo fa ao anatin’ny herinandro no hahatongavan’ny Filoha RAVALOMANANA rehefa nahodikodin’ny FATE ny fiaramanidina nitondra azy tamin’ny sabotsy. Ankehitriny anefa dia efa fantatra fa alohan’ny 29 febroary no hahatanterahan’izany koa dia hanapa-kevitra hody kely aloha izy ireo. Ankoatra ny komity manokana mikarakara ireto mpitolona avy amin’ny Faritra ireto dia misy ny mila fanampiana manokana satria tena lavitra loatra ny fiaviany. Isan’izany ny avy any amin’ny distrikan’I Marovoay. 25 000 ariary isan’olona no saran-dalana miverina ho azy 36 mianadahy.
Noho ny lesoka teo amin’ny fifampitondran’ny mpandala ny ara-dalàna any an-toerana dia nanaovana latsa-kemboka teo amin’ny kianjan’ny Finoana izy ireo mba hahafahany mody any Marovoay. Nahatratra 106 170 Ariary ny voatsirambin’ny tanana tamin’izany ary ankoatra izany dia misy malala-tanana efa hiantoka saran-dalana ho an’ny efatra amin’izy ireo. Misy ihany koa ny mpiara-mitolona avy any ivelany nanome 50 000 Ariary ho fanampiana ireo avy any amin’ny faritra mbola tafajanona eto Antananarivo ary ny mpiasan’ny TIKO dia nanome vary 50 Kg ho azy ireo ihany koa. Izany rehetra izany dia sady manamafy ny firaisan-kinan’ny mpomba ny Filoha RAVALOMANANA no manaporofo ihany koa fa tsy misy vidiam-bola ny mpara-dia azy fa resy lahatra amin’ny zava-bitany hatrizay ary mbola vonona hanampya azy hanao misimisy kokoa.