Flash News: 
Confirmation de soutien au Président Marc Ravalomanana
HMF : fahasahiana no dingana manaraka (+vidéo)
Hetsika Free FM : atao haza lambo ireo mpitarika
Vondron’ny mpanohitra : tsy manaiky ny hamindrana ny Kianjan’ny Demokrasia (+vidéo)
19 Mey 2012 : faritra mena ho an’ny zanak’i Dada ny eny Ambohijatovo (+vidéo)
Radio Fahazavana : son directeur et Lolot Ratsimba condamnés …
VHF-TV : fanambaran-kery sy fiaraha-mihetsika … ho an’ny tetezamita vaovao (+vidéos)
Ry Malagasy, ahirato ny maso ... misy "mafia" eto amintsika
Ankolafy Zafy Albert : tsy hiray tsikombakomba amin’ny mpamita-bahoaka (+vidéos)
Vondron’ny mpanohitra : « Avereno amin’ny vahoaka ny Kianjan’ny demokrasia » (+vidéos)


Inoana fa samy olom-pirenena sy tomponanandraikitra politika eto amin’ny tany sy ny fanjakana izay mikatsaka ny fivoahana amin’izao krizy mamaivay izao. Tokony hisarika fampieritreretana lalina kosa anefa raha izay nanampy ny FATE rehetra no ho raisina an-tanan-droa satria miseho ho teknisiana. Tokony tsy hatao zinona ny fiaretana maharary nitoloman’ny vahoaka nandritra izay telo taona latsaka izay ary tsy tokony hadinoina fa ny fametrahana olon’ny FATE hiara-miasa amin’ny TGV eo amin’ny toeran’ny Praiministra dia mivadika ho “légalisation du putsch” na fankatoavana ho ara-dalàna ny fanonganam-panjakana indrindra raha ankolafy iray avy amin’ny ankolafy telo no manolotra izany kandida ho PM izany. Aoka tsy hitombona ny ahiahin’ny maro an’isa hatrany am-boalohany ka ho voaporofo fa tsy hety mandrakizay ny fiarahan’ny ankolafy telo satria “alliance contre nature” noho ny tantara nifandimbiasan’ireo mpitarika ireto ankolafy ireto.