Nametraka ny fangatahana ny fanafoanana ny didy manakatona ny radio Fahazavana eny amin'ny filan-kevi-panjakana ireo mpanao gazety ao amin’ity onjam-peo ity. Rahampitso Sabotsy, dia hifamory eny amin’ny CEMDLAC Analakely ireo mpanao gazety. Mahatsapa mantsy izy ireo fa dia tadindomin-doza ity asa ity taorian’ny kaonferasa nasionaly. Dia ho sanatria ve efa noresahina ny fanagadrana mpanao gazety, ary mahatsapa fa mety ho voakasika izany avokoa ireo mpanao gazety ‘’ampombo’’ vao mihetsiketsika ? Misy zavatra hafahafa mby ao an-tsaina ihany. Ny taona 2003 dia nivondrona ireo fikambanana mpanao gazety ary namoaka fanambarana iraisana (vakio ny fanambarana).
Mpitari-bato...
Teny na fanambarana milaza am-pahibemaso ny zavatra tsy mety ataon’ny mpanao gazety no
nahatonga ity hetsika ity. Maromaro ihany ireo nanao Sonia, sy naneho ny heviny. Tamin’ny 2008, mbola maro tamin’ireo olona nanao sonia ireo no nitsangana nanohitra am-pahibemaso ny fanakatonana ny TV VIVA. Misy amin’ireo aza moa lasa mpiasan’ny tompon’io onjam-peo sy televiziona io ankehitriny. May anefa ny RNM, TVM, MBS, aiza ireto olona nanao sonia ireto? Norobaina ny Mada, aiza izy ireo? Nakatona ny fahazavana ary nogadraina ireo mpanao gazety, ahoana hoy izy ireo? Sa mahita sy mahatsapa izy ireo, fa dia rariny sy hitsiny izao zavatra manjo ny namany izao? Iniana avoaka mihitsy ity fanambarana tamin’ny 2003 ity, satria dia miandry ny fivondronana tahaka izao ny mpanao gazety ankehitriny, eny na dia maro amin’ireo mpanao gazety nanao sonia ireo aza no efa miasa miaraka amin’ny Fate ankehitriny. Mazava ho azy fa ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana tsy midika fa adino tanteraka ny lalana nahatongavana teo. Mila tsaroana ihany koa fa ny asa mitoetra fa ny toerana mandalo ihany.