Maro ireo nahay vava andro vitsy nialoha ny nahatongavan’ny Filoha RAVALOMANANA. Nanomboka tany amin’i TGV izany nandritra ny lahateny nataony tamin’ny fifampiarahaban’ny andrim-panjakana. Nampitahainy tamin’ny rivodoza ny Filoha RAVALOMANANA ka nambarany fa tsy maintsy ho sakanana. Mahagaga ihany io sarin-teny io satria tsy misy mahavita manakana rivodoza izany eto ambonin’ny tany fa ny hany azo atao dia manova ny lalana alehany saingy mbola vidiana lafo ny fanatanterahana izany. Ny lehiben’ny EMMOREG ihany koa dia mbola nanatitrantitra hatramin’ny andro farany fa tsy maintsy hampihatra ny didy fampisamborana « na mahafaly an’iza na tsy mahafaly an’iza ». Farany dia ny filohan’ny AV7 izay nandrangaranga fanakorontana sy valifaty ary sahy nilaza fa « raha miverina eo RAVALOMANANA dia maso efai-maso ary nify efai-nify ».
Ity farany dia mbola azo tazomina ho tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’ny mpiara-mitolona iray satria efa nanambara mialoha ny asa ratsy nokasainy hatao. Ny tiana hahatongavana eto dia manosika ny FATE hanaonao foana ny tahotra ny Filoha RAVALOMANANA. Tsy mbola tonga akory izy dia efa miboredika ny sasany, amin’ny andro ahatongavany dia mibolisatra Ambohitsorohitra ka mandidy mpanamory fiaramanidina vahiny ary aorian’ny fotoana tokony nahatongavany dia tsy sahy mifanatri-tava amin’ny Filoha RAVALOMANANA I TGV na dia ampanantsoin’ny SADC hivory tsy ara-potoana atsy Afrika Atsimo aza. Izany rehetra izany dia toa manamarina ilay fiteny iray hoe : “te-hividy ny lohany nefa matahotra ny masony”. Dia ny tanora no haneso hoe “te-hanao aminy koa…”.