Na dia niafina mafy aza dia nisy nahatsikaritra teny Ivato tamin’ny sabotsy 21 janoary 2012 teo ity vazaha fotsy hoditra iray nisalotra fanamiana miaramila Malagasy. Atin’akanjo no nanaovany ambony saingy ny fanamiana ambany kosa dia tsy misy valaka amin’ny nanaoavan’ny miaramila Malagasy teo akaikiny. Tsy nitsahatra nifandray amin’ny finday ity vazaha ity saingy tsy fantatra aloha hatreto izay mifampiresaka na mifandefa soratra maro sosona (sms) aminy. Rehefa niezaka nanantona akaiky ireo mpanao gazety nahita maso dia nahare fa miteny frantsay ilay fotsy hoditra. Itony izany ilay isan’ny miaramila frantsay milanja grady Malagasy sy manao fanamiana Malagasy ary ampiasaina amin’ny famoretana Malagasy na amin’ny fifofoana ny ain’ny Malagasy.
Tsy mersenera ???
Vao tsy ela akory izay fa tamin’ny 17 janoary raha nanao hetsika teny Ambohijatovo ny Ankolafy Zafy Albert dia nisy fiara Ford Ranger tazan’ny vahoaka nihodikodina teny amin’ny toerana nisian’ny fifanjevona. Fotsy hoditra efatra misaron-tava no hitan’ny olona tao anatiny ary namafisin’ny ankamaroan’ny mpanatri-maso fa ireo no nitifitra ka nandratra ilay mpiray tanindrazana teo amin’ny tongony.
Hatreto dia tsy misy manome fanazavana marina miakasika ireny tera-tany vahiny any anaty toby ireny na ny etamazaoron’ny tafika na ny ministeran’ny fiarovana an’ny FATE. Ny hany fantatra dia namafisina vao volana vitsy izay ny fiaraha-miasan’ny tafika Malagasy sy frantsay ary nandefasana miaramila mpanjanaka iray fiaramanidina teto Madagasikara hanao “fanazaran-tena miaraka” hono.
Rehefa frantsay dia tsy mersenera …
Tsaroan’ny mpanara-baovao rehetra angamba ny angoatenda natao eraky ny hainoamanjery tamin’ny taona 2009 raha nisy soazilande nampiofana ny mpitandro filaminana Malagasy tamin’ny fifehezana hetsi-bahoaka. Tao anatin’ny fanomanana ny fihaonam-ben’ny vondrona afrikana saika natao teto Antananarivo ny volana jolay 2009 no nisian’izany fanomanana izany ary nahitana azy ireo teny amin’ny toerena nisy ny EMMOREG. Nalaza mihitsy ny teny hoe “mersenera” tamin’izany ary na dia tsy nandray fitaovana mihitsy aza ireto afrikana fotsy hoditra ireto dia nolazaina fa “hamono Malagasy” ary niampangana ny Filoha RAVALOMANANA ho tomponandraikitra amin’izany. Ankehitriny dia any anaty tobin’ny tafika Malagasy mihitsy no tehirizin’I TGV sy ny namany ireo mersenera nomen’ny “reny malalany” handripaka izay mpiray tanindrazana sahy mitaky fahafahana ary mety tena hifofo ny ain’ny Filoha RAVALOMANANA mihitsy aza amin’ny fotoana hiverenany an-tanindrazana. Tsara ny mampahatsiahy fa raha tsy nosakanan’ny manamboninahitra iray tao amin’ny RFI dia efa nivonona ny hametraka “sniper” na “tireur d’élite” hamono ny Filoha RAVALOMANANA ny FIS mpanompon’ny FATE tamin’iny sabotsy 21 janoary iny.