« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
23/12/2011 : Mifety anaty fahoriana ny fianakaviana Malagasy (+vidéo)
Tsy misy fifaliana ny fankalazana ny krisimasy sy ny taom-baovao amin’ity indray mitoraka ity raha ny fahitana ny eny an-tsena sy ny endrikin’ny renim-pianakaviana. Ireto farany dia mahatsapa fa efa mihatra any anaty vilany ny fahantrana ankehitriny noho ny krizy lava reny lalovan’I Madagasikara. Tsy mahavita mifantoka amin’ny fizarana fifaliana amin’ny fianakaviany intsony izy ireo fa mikatro-doha mitady izay hohanina isan’andro sy ny fomba hitantanana ny kely miditra ao an-tokantrano. Ny fianaran’ny ankizy rahateo ihany koa tsy mandeha amin’ny laoniny noho ny fiatoan’ireo fanampiana rehetra nomen’ny fanjakana tany alohan’ny 2009.
Ireo fanampiana ireo dia nanamora kokoa ny vesatra zakain’ny Ray aman-dReny ao anatin’ny ankohonana sady nanosika ny fahavitrihan’ny kilonga namonjy sekoly. Ny any amin’ny distrika ambanivohitra moa dia mbola ampian’ny fitaintainana amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Raha misy tanàna iray nilamina dia lasa mandry an-driran’antsy ankehitriny, raha hala-botry no hita tao taloha dia efa miakatra amin’ny vaky trano izy amin’izao fotoana, ary raha omby no nangalarin’ny dahalo taona vitsy izay dia efa manapitra aina izy ireo tato anatin’ny telo taona. Ohatra velona amin’izany ny ao amin’ny Faritra Bongolava. Izany no manamarika fa tany tsy misy lalàna Madagasikara hatramin’ny nisian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Izany rehetra izany dia manamafy ny hetahetan’ny vahoaka miandrandra ny fiverenan’ny Filoha RAVALOMANANA Marc mba hamerina amin’ny laoniny ny gaboraraka sy hanorina tontolo mendrika ny hasin’ny Malagasy tsirairay avy.