Flash News: 
Confirmation de soutien au Président Marc Ravalomanana
HMF : fahasahiana no dingana manaraka (+vidéo)
Hetsika Free FM : atao haza lambo ireo mpitarika
Vondron’ny mpanohitra : tsy manaiky ny hamindrana ny Kianjan’ny Demokrasia (+vidéo)
19 Mey 2012 : faritra mena ho an’ny zanak’i Dada ny eny Ambohijatovo (+vidéo)
Radio Fahazavana : son directeur et Lolot Ratsimba condamnés …
VHF-TV : fanambaran-kery sy fiaraha-mihetsika … ho an’ny tetezamita vaovao (+vidéos)
Ry Malagasy, ahirato ny maso ... misy "mafia" eto amintsika
Ankolafy Zafy Albert : tsy hiray tsikombakomba amin’ny mpamita-bahoaka (+vidéos)
Vondron’ny mpanohitra : « Avereno amin’ny vahoaka ny Kianjan’ny demokrasia » (+vidéos)


Dia tena voavidim-bola sy adalam-pahefana marina ny tafika Malagasy. Tsy nisy iray izay tsy gaga raha naheno ny vavan’ingahy Jeneraly Ranto Rabarisoa omaly. Inona no nahatonga azy nivoaka tampoka tamin’ny fahanginany ka nahavita nanao « analyse » ny raharahm-pirenena ? Raha izay aloha tsy mampaninona loatra, fa ity izy dia sahy niaka-pofona nilomay niteny fa « tena hitondra korontana ny fahatongavan’ny filoha Ravalomanana Marc, satria ‘iray kalahy io dia mivonona tsy hiditra antsokosoko, fa te hiseho ho rôla hatrany ». Dia velom-panontaniana ny rehetra hoe « inona loatra ny nahazo ity manamboninahitra iray ity no lasa mankahala ny filoha Ravalomanana » ? Ny ady amin’ny polisy sy mpitsara tsy miravona, ny mahamay dia ny hampiakatra grady. Mazava ny resaka, amin’izao fotoana mivoaka ny didy fampiakarana grady ireo manamboninahitra maromaro, ka isan’izany ireo niray petsapetsa tamin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Takalom-patsa vidin-tseza? Mahay vava dia grady no setriny, ary aleo ny firenena hikorontana sy hihamahantra ? Hitondra inona amin’ny krizy sy ny fahantran-dRamalagasy anefa izato grady mora ? Misy hifandraisany amin’ny fahatongavan’ireo manamboninahitra frantsay ve ? 