« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
22/12/2011 : Ankolafy RAVALOMANANA : tafiditry ny resaka « zanak’anabavy » ny fanendrena ny CT avy any Bongolava (+vidéos)
Araka ny filazan’ireo mpitolona ao amin’ny Distrikan’ny Tsiroanomandidy sy ny Faritra Bongolava dia “miverina indray ny fomba ratsy fanao tany aloha” mikasika ny tsy fisian’ny teny ifampierana amin’ny fanolorana solotenam-paritra ho tendrena amina toerana iray. Raha ny fanazavan’ireto mpandala ny ara-dalàna ao Bongolava ireto dia isan’ny lesoka lehibe nandritran’ny fotoana nitondran’ny Filoha RAVALOMANANA ny “parachutage » ataon’ireo mirehareha ho akainy ny Filoha ka sahy mandidy alohan’ny vahoaka momba ireo hitana andraikitra amin’ny anaran’ny Ankolafy.
Tsy vitan’ny hoe tsy demokratika ny nanendrena ity mpikambana ao amin’ny Kongresy ity fa mbola ben’ny tanàna lany tamin’ny anaran’ny antoko AME ihany koa ny tenany. Ity antoko ity anefa dia tena nitsipaka tanteraka ny zava-tsoa vitan’ny Filoha RAVALOMANANA sy ny fiverenany an-tanindrazana .
Raharaham-pianakaviana sy famadiham-pitokisana Ny fanazavan’ireo solotenan’ny vahoaka ireo ihany no nahafantarana fa zanak’anabavina ministra iray avy aminn’y Ankolafy RAVALOMANANA no tena nanao tery vaimanta nanolotra ity ben’ny tanànan’ny Kaomina ambanivohitra Fihaonana ity ho mpikambana ao amin’ny kongresin’ny tetezamita. Nialoha izany anefa dia efa nisy ny hevitra maro nentina sahady nanilihana ireo mpitari-tolona tena nafana fo sy niaritra ny mafy tao anatin’izao krizy izao. Notohizana tamin’ny fampivakisana ireo mpitari-tolona tao Bongolava izany mba nahafahana nisisika mora amin’ny fanolorana anarana. Mialoha ny fanolorana ny anaran’ireo CT anefa dia mbola niantso an-telefona ny mpitarika ny Ankolafy RAVALOMANANA any Bongolava hono ilay ministra volaza ery ambony ary nilaza fa « tsy misy atahorana ny momba anao satria fantatra ny asa nataonao». Saingy rehefa tonga kosa ny lisitra dia tsy tazana tao ny anaran’izany mpitarika izany fa olon-kafa no notendrena amin’ny anaran’i Bongolava. Araka ny nampitain’izy ireo dia efa nihaona tamin’ilay ministra voakasiky ny toe-draharaha ny solotena avy any Tsiroanomandidy saingy toa zary valy boraingona no azon’izy ireo. Raha ny fantatra dia tsy misy olon’antoko ireto mpitari-tolona any Bongolava ireto fa ny fitiavana ny Filoha RAVALOMANANA no tena nanosika azy ireo hivondrona rehefa nisitrika ireo tomponandraikitra TIM tamin’ny taona 2009. Notsorin’izy ireo fa tsy afaka hiara-miasa amin’ireto ekipan’ny « zanak’anabavy » ireto izy ireo satria tsy te-ho mpiray tsikombakomba amin’ny tsy famerenana ny Filoha RAVALOMANANA.