Dia zesta anie ny an'ny avy amin'ny prezidansa ny Fate omaly nampiseho ny fanasana an' ny TGV avy amin'ny Sekretera Jeneralin'ny firenena mikambana Ban Ki Moon. Fanasana tafiditra anatin'ny fivorian'ny firenena mikambana izy ity. Fa saingy fanasana tsy amin'ny maha olom-panjakana azy fa an'ny tenany manokana, amin'ny maha Andry Nirina Rajoelina azy. Fantatra ihany koa fa tsy handeha ho any TGV fa dia haniraka olon-kafa hisolo-toerana azy, haniraka olona hafa ho afa-baraka, ho ''sans qualité '' eo amin'ny toerany. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia nandritra ny fivoriam-be ara-potoana sahala amin'izao mihitsy no naha-afa-baraka an'i TGV, teo imason'ny firenena rehetra eran-tany, ka nahatonga ny solon'anarany hafa hoe '' le TGV, sans qualité''.
Demokrasia marina
Efa tamin'ny herinandro lasa teo no nanomboka ity fivoroam-be ity, saingy tamin'ity herinandro ity vao manomboka ny dinika eo amin'ireo firenena rehetra mpikambana. Anisan'ny hibahan-toerana anatin'ny lahadinika ny fahatrarana ny tanjon'ny taonarivo fahatelo sy ny demokrasia. Nandritra ny fankalazana ny andron'ny demokrasia ny 15 Septambra lasa teo, dia notsipihan'ny Ban Ki Moon manokana ny maha zava-dehibe ny demokrasia. « Fepetra voalohany ahafahana miady amin'ny fahantrana ny demokrasia » hoy Ban Ki Moon tanatin'ny lahateniny. Nanao antso avy manokana amin'ireo filoham-pirenena sy filoham-panjakana ny tenany mba hijery ny fomba rehetra ahafahana mampanjaka ny demokrasia « demokrasia izay efa tsy misy intsony amin'ireo firenena sasany » hoy ihany ny kabary.