« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
20/09/2011 : Me Hanitra Razafimanantsoa : “Olona notendrena teny an-dalambe no mamoaka didy fampisamborana ny Filoham-pirenena” (+vidéos)
“Vonona hivoaka ny krizy ve isika sa tsy vonona?”, io fanontaniana io avy hatrany no naroson’ny mpisolovava ny Filoha RAVALOMANANA raha niresaka momba ny didy fampisamborana nivoaka tamin’ny faha-17 septambra teo ny tenany. Aminy dia misy dikany lehibe ny daty namoahana indray izany didy izany satria ny andro nahavitana sonia ny tondro zotra indrindra no fantatra fa nandefasana ity didy fampisamborana ny Filoham-pirenena ity. Raha ny fanazavana nentin’ny Me Hanitra dia tsy vaovao akory io didy fampisamborana io fa efa tamin’ny taona 2010. “Raha nanao sonia iny tondro zotra iny ny hery politika rehetra dia noheverina fa fivoahana amin’ny krizy no katsahina” hoy ihany Me Hanitra. Mazava manko ny voarakitra ao amin’ny andininy faha-18 ao anatin’ny tondro zotra fa “atsahatra avy hatrany ny fanenjehana rehetra noho ny antony ara-politika”. Saingy ny famoahana ireny didy fampisamborana ireny dia fanehoana avy hatrany ny finiavana hanalava ny krizy.
Fitaovan’ny FATE ny fitsarana Tsy misy atahoran’ny Filoha RAVALOMANANA raha toa ka fitsarana tsy mitanila no itondrana ny raharaha momba azy fa tsy mpitsara terena hamoaka didy noho ny fombana ny mpanongam-panjakana. Tsy manankery avy hatrany ireny didim-pitsarana sy fampisamborana ireny satria tsy feno ny fepetra maha-“neutre” ny fitsarana tamin’ny fotoana nitondran’ny mpanongam-panajakana. Marina fa misy ny paipaika afaka hanoherana ireny didy mivoaka ireny saingy ilay fitsarana mihitsy no tsy mahefa hitondra raharaha mahakasika ny Filoha RAVALOMANANA.