« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
20/09/2011 : Ankolafy RAVALOMANANA : « Mandrava ny andrim-panjakana rehetra ny tondro zotra » (+vidéo)
Amin’ny maha-fifanarahana politika ny tondro zotra natao sonia dia maka ny toeran’ny lalam-panorenena avy hatrany izy mandritran’ny fe-potoana itondranan’ny tetezamita iombonana. Midika izany fa rava niaraka tamin’ny fanaovana sonia iny tondro zotra iny ireo andrim-panjakana natsangan’ny FATE rehetra. Tsy filam-baniny sanatria fa fenitra iraisam-pirenena amina fifanarahana politika izany. Tsy manam-pahefana avokoa izany nanomboka ny 17 septambra 2011 teo ireo olona notendren’i TGV rehetra noho izany tsy manan-kery ihany koa ireo fanapahan-kevitra rehetra noraisin’izy ireo. Ankoatr’izay dia voafaritry ny andininy faha-23 ao amin’ny tondro zotra fa tsy misy afaka manana « droit de véto » amin’ny fomba fanatanterahana io tondro zotra io satria efa niaraha-nanaiky matoa nosoniavina teo imason’ny fiankaviam-be iraisam-pirenena.
Noho ireo fanazavana ara-teknika rehetra ireo dia mazava fa tsy manan-kery avokoa ireo lazaina fa fanapahan-kevitra entin’ny FATE mibahana ny fiverenan’ny Filoha RAVALOMANANA Marc eto Madagasikara. Ankoatr’izay dia tokony manaraka avy hatrany ny fanaovana sonia iny tondro zotra iny ny fametrahana fahatoniana ara-politika toy ny famoahana ireo gadra politika sy ny famelana malalaka ny fanehoan-kevitra na an-kalamanjana na amin’ny alalan’ny famohana ireo hainoamanajery nakatona rehetra.
Ny fizarana andraikitra Efa ela loatra no « ratsy tarehy » teo imason’izao tontolo izao I Madagasikara noho ny fanonganam-panjakana sy ny fiziriziriana tsy ara-drariny. Fotoana tokony hanehoana fahamendrehana manoloana ny fianakaviam-be iraisam-pirenena ny fizarana andraikitra amin’ny fananganana ny tetezamita. Ankoatra ny tondro zotra izay efa mametraka tsara ny tsy tokony hisian’ny fitanilana amin’ny fananganana ireo rafitra ireo dia misy ihany koa ny fenitra iraisam-pirenena sy traikefa ananan’ireo mpanelanelana amin’ny fananganana rafitra iombonana toy ireny. Araky ny fanazavana nentin’ny lohololona Ravatomanga Rolland dia “ankinina amin’ny fahendren’ny SADC tanteraka ny fitsinjarana izany”.