TARATASY MISOKATRA HOAN'NY MPITONDRA FIANGONANA MALAGASY ETO FRANTSA
Ry Raiamandreny hajaina,
Manoloana ny zavamisy amin'izao fotoana izao any Madagasikara Tanindrazana iombonana dia natao ny tsy hiteny kanefa toa tsy mety fa sao hanenenana. Iarahantsika mahalala mantsy fa :
- efa herinandro maro izao dia nanaitra ny olom-pirenena rehetra ny mpitondra fivavahana any amin'ny Firenena ary miezaka manohy ilay hetsika antsoina hoe : Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF), ary
- vao tamin'ny Asabotsy 15 mey teo koa, dia nampaneno ny lakolosim-panairana ny vondrom-pinoana katolika raha nahatsapa fa tsy re feo intsony ny raiamandenim-mpanahin'izireo efa ho 17 volana izao.
Matoa mihetsika tahaka izao ny mpino kristiana, sy ny mpitondra fivavahana tsotra dia satria tsy taty ary tsy tako-nafenina intsony ny fangirifiriana mianjady amin'ny vahoaka iray manontolo, izay hiaràn'izao krizy mivantana izao : fahaverezan'ny asa fotom-pivelomana sy famelomana ny ankohonana, fahalafosan'ny vidim-piainana andavanandro, fampihorohoroana amin'ny asan-jiolahy miteraka tsy fandriampahalemana. Izany rehetra izany no mitambatra dia hita fa maro no efa mamoifo noho ny tsy laitran'ny aina miseho ankehitriny.
Mihetsika daholo ny ankolafim-bahoaka, miantso, mitalaho ; eto indrindra no ilàna anareo Raiamandreny am-panahy aty andafin'ny riaka, handray ny andraikitra izay ao anatin'ny asa nomen'ny Tompo anareo. Aiza ianareo ? Efa halohalika ny ranom-bary, hiandry fahafatesana loza amin'atambo ve vao hiteny ka hiloa-bava ? Mila anareo ankehitriny ny ondry nitaominareo hanaraka anareo satria tsy mahita ho sarangotina intsony, ka mila teny, hetsika fampaherezana avy aminareo.
Koa manentana anareo izahay, mba tsy hitazam-potsiny, fa kosa hiray hina, hiray feo ary hiray hetsika.
Sanatria tsy fangatahana anareo hiandàny hoan'ny atsy na hoan'ny eroa izay mifanandrina amin'izao krizy izao. Maniry kosa anefa ny andraisanareo ny andraikitra anatin'ny asanareo mba hiteny hanome hery ireo Vahoaka efa anatin'ny haizin'ny fahantràna sy horohoro tanteraka ankehitriny.
Koa manainga anareo raiamandreny am-panahy aty dilambato, hifanantona, hifampidinika, hitarika hetsika na fiombonam-bavaka hoan'ny Firenena sy ny Vahoakan'i Madagasikara izay miandrara feo fankaherezana avy aminareo.
Fotoana izao hiraisanareo hina ka hijoroanareo hoan'ny Fahamarinana. Tsy hiandry loza efa mitatao hilatska, hianjàdy amin'ny Firenena vao hitsangana handrenesam-peo, sao dia ho tara loatra !
"Ny nenina tsy eo aloha hananatra, fa any aoriana handatsa." Koa misaotra anareo mialoha amin'izay hetsika ho raisinareo hoan'ny Firenena amin'ny Anaran'ny Tompo.
18 mey 2010
Collectif GTT
Gasy Tia tanindrazana
Hoan'ny Mpitondra Fiangonana malagasy eto Frantsa :
- FJKM
- FPMA
- Katolika
- Loterana
------------------
LETTRE OUVERTE AUX DIRIGEANTS DES ÉGLISES MALAGASY EN FRANCE
Devant la situation dramatique qui prévaut à Madagascar actuellement, tout citoyen malagasy, responsable ne peut se sentir indifférent, car :
- depuis plusieurs semaines, des dirigeants d'Église à Madagascar se mobilisent pour sensibiliser les politiciens,
- de simples fidèles de l'Église catholique se sont mobilisés samedi dernier pour tirer la sonnette d'alarme afin de faire sortir leur Archevêque de son silence de 17 mois maintenant, malgré la misère grandissante de la population, entraînant la désertion de plus en plus grande des paroissiens de leurs églises.
Si de telles mobilisations de simples gens d'Églises et paroissiens se multiplient, c'est que l'heure est grave, la situation de paupérisation de la population n'est plus viable : les pertes d'emplois par centaines de milliers, la hausse vertigineuse des prix des produits de première nécessité, l'insécurité inquiétante, entraînent de la part de grand nombre à s'adonner aux actes irrémédiables, faute de solutions et surtout de soutien.
C'est pour ce soutien que vous, responsables d'Églises malagasy en France, avez un rôle à jouer car ce soutien est partie intégrante de vos missions sinon la principale. Nous osons espérer que vous prendrez vos responsabilités. Devons-nous attendre que l'irréparable se produise pour entendre des mots de réconfort, de soutien de votre part ? Tous vos paroissiens en France ont de la famille au Tanindrazana. Vous avez donc le devoir de soutien, de réconfort, pour qu'ils ne se sentent pas abandonnés. Nous vous exhortons à unir vos voix pour une action commune de solidarité.
Loin de nous l'idée de vous demander de prendre parti dans ce conflit politique, source de ce malheur. Mais nous sommes convaincus que l'heure est arrivée pour vous, responsables d'Églises malagasy en France, vous, qui êtes en mesure de soulager la souffrance de vos paroissiens et de leurs familles à Madagascar, ne serait-ce que par une action de grâce commune, d'agir, qu'ils ne se sentent pas seuls à se battre pour leur survie.
Que ce que vous déciderez soit guidé par l'amour de la Patrie au nom du Christ, nous vous en remercions par avance.
18 mai 2010
Collectif GTT
Gasy Tia tanindrazana
A l'attention des responsables des Eglises :
- FJKM
- FPMA
- Catholique
- Luthérienne