« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
19/12/2011 : SMM vs Polisy : … dia afaka avokoa ny gadra rehetra ! (+vidéo)
Herinandro izao no nifandrirotra lava ny mpitsara sy ny polisy noho ny raharaha iray izay namoizana ny ain’ny mpitsara iray tany Toliara. Polisy maromaro no volaza fa namono nahafaty azy taorian’ny hatezeran’izy ireo noho ny fampidirana am-ponja ny namany. Voarohirohy tamina fanafihana mitam-basy tany Toliara anefa ity polisy ity saingy notakian’ny namany ny famoahana azy.
An’iza ny lalàna ? Androany dia nentin’ny Polisy sy ny Zandary teny amin’ny lapan’ny Fitsarana ireo olona manan-draharaha ao amin’ny fitsarana ka tokony nalefa eny amin’ny fampanoavana. Nisy ny fihaonan’ny solotena avy amin’ny sindikan’ny mpitsara ary voalazan’ny avy amin’ny polisy sy zandary iraka avy amin’ny Jly Baomba dia ireo mpitsara no nilaza taminy hoe avoaho ireo efa notanana mihoatra ny 48 ora.
Taorian’ny fivoriam-be nataon’izy ireo kosa anefa dia nilaza ny tao amin’ny SMM fa tsy niteny izany velively fa “kajikajy avo lenta no anton’ny fihetsika nataon’ny EMMOREG androany”. Nomarihin’ny sindikan’ny mpitsara eto Madagasikara fa mbola manohy ny fitokonana izy ireo mandrapaha-tanteraka ny fitakian’izy ireo. Taorian’ity loza nitranga tany Toliara ity tokoa dia nitaky ny fialan’ny ministrin’ny filaminana anatiny sy ny fampidirana am-ponja ireo polisy nahavanin-doza ny SMM. Ankoatr’izay dia nomarihin’ny filohan’ny SMM fa tsy maintsy fivoriam-be ihany no manapaka ny fiverenana miasa satria io no nanapaka ny fanombohana ny fitokonana. Nomelohin’izy ireo moa ny tsy fandraisana andraikitra ataon’ny fitondrana foibe izay fositra nahatonga ny tantara hitatra toy izao.