« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
17/07/2010 - Filoha Marc Ravalomanana nahazo fanasana hanatrika ny fivorian'ny vondrona afrikana any Ouganda(+Audio)
Hafa ihany oa ny ara-dàlana e! Raha sahirana mafy ny mitady fankatoavana iraisam-pirenena etsy sy eroa ny Fate, tsy mitsahatra tonga kosa ny fanasana iraisam-pirenena ho an'ny filoha Marc Ravalomanana, lanim-bahoaka. Amin'izao dia manomana ny diany ho any amin'ny fivorian'ny vondrona afrikana, izay ho tontosaina any Kampala-Ouganda manomboka amin'ny 25 Jolay izao, ny tenany. "Dosie Madagasikara rano fotsiny no entiko any" hoy ny filoha raha niditra mivantana teo amin'ny Magro ny tenany androany.
Voaresany nandritra ity tafa mivantana tamin'ireo vahoaka ity ny mahakasika ireo fafy lainga ataon'ny mpanao gazety. "Milaza vaovao tsy marina, miteniteny foana ka manakorontana ny saim-bahoaka" hoy ny filoha. Aparitaky ny actus-mada izay site an'ny Hat indray mantsy izao fa "mety haverin'ny filoha Jacob Zuma hody ny filoha, raha misy hifandraisany amin'ny raharaha FIGN. Hamarino tsara ny loharanom-baovao anareo mpanao gazety'' hoy ny filoha.
Momba ny conférence nationale indray dia tsy nivaona velively tamin'ny nambaran'ireo mpitarika politika eto Madagasikara ny heviny." Tokony iraisana io".
Nanamafy teo am-pamaranana ny dinika ny filoha Marc Ravalomanana fa nisy ny fihaonany tamin'ireo delegasiona avy amin'ny APP ACP-UE " tokony henoina sy arahina ny fangatahn'izy ireo fa zava-dehibe. Niaiky ireto parlemantera ireto fa lavitry ny fanajana ny zon'olombelona ny fonja eto madagasikara".