« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
17/02/2012 : Pr. Ranjeva Raymond : " tsy misy dikany ny tondro zotra raha …" (+vidéos)
« Ny Malagasy mihitsy no mila mahalala ny lanjan’ny fifanarahana izay vao misy hirika hy hivoahana amin’ny krizy ». Isan’ny nambaran’ny Pr. Ranjeva Raymond io raha nanao famelabelarana ny tenany. Maro ny fihetsika tsy am-piheverana sy tsy misy fahazavan-tsaina amin’ny fitadiavana vahaolana eto amin’ny Firenena hoy izy. Isan’ny fahadisoana ny fiheverana fa an’ny mpanao politika irery ny famahana ny olana satria izy ireo dia efa be famaritra ka manadino ny fototra ahafahana miala amin’ny krizy. Raha ny fahitan’ny Pr. Ranjeva dia ny famerenana amin’ny laoniny ny fiainan’ny sarababem-bahoaka no tena tokony hibahana an-tsain’ny isam-batan’olona mba ahafahany mieritreritra ny tombontsoa iombonana.
Isan’ny nomarihiny manokana fa raha tsy ny fiverenan’ny sosialim-bahoaka no banjinina dia tsy ho tafavoaka isika. « Ny tondro zotra tsy misy hasiny raha tsy ny olom-pirenena no mahatsapa ny andraikitra ho raisiny ao anatiny» hoy izy. Aminy dia fototra ihany iny amin’ny fiaraha-mitantana fa ny fifampihavanana na « conciliation » no fanoitra ahafahana miainga amin’ny famahana ny krizy.
Misy mafy hatoka … Efa misy ny dingana fanatonana ireo mpandray anjara politika rehetra araka ny nambaran’ity mpitsara iraisam-pirenena ity. « Efa nanaiky izany izy telo mirahalahy Filoham-pirenena » hoy izy « saingy mbola misy koa ny miziriziry ». Araka ny fanazavana nentiny ary dia fanaganana tetezamita vaovao no tena ilaina amin’izao fotoana ka izay rehetra mitsipaka ny fiarahana sy ny fihavanana no tokony miala tsy handray anjara amin’izany. Hita ho tsy afaka nivalapatra tamin’ny fanehoan-kevitra ihany anefa ny Profesora satria mbola voafatotry ny didim-pitsarana manome azy fahafahana vonjimaika tamin’ny fiampangana azy ho nikotrika fanakorontanana niaraka tamin’ny zanany vavy.