Flash News: 
Confirmation de soutien au Président Marc Ravalomanana
HMF : fahasahiana no dingana manaraka (+vidéo)
Hetsika Free FM : atao haza lambo ireo mpitarika
Vondron’ny mpanohitra : tsy manaiky ny hamindrana ny Kianjan’ny Demokrasia (+vidéo)
19 Mey 2012 : faritra mena ho an’ny zanak’i Dada ny eny Ambohijatovo (+vidéo)
Radio Fahazavana : son directeur et Lolot Ratsimba condamnés …
VHF-TV : fanambaran-kery sy fiaraha-mihetsika … ho an’ny tetezamita vaovao (+vidéos)
Ry Malagasy, ahirato ny maso ... misy "mafia" eto amintsika
Ankolafy Zafy Albert : tsy hiray tsikombakomba amin’ny mpamita-bahoaka (+vidéos)
Vondron’ny mpanohitra : « Avereno amin’ny vahoaka ny Kianjan’ny demokrasia » (+vidéos)


Voatery najanona ny fihaonambem-pirenena tamin’ny vaomiera roa androany maraina. Foana ny efitrano roa. Nitokona tsy nety nihazo ny CCi Ivato ireo mpizaika avy amin’ny distrika izay natobvy eny amin’ny Lycée Alarobia. Mitaky ny hanomezana azy ireo tambin-karama mitentina 100.000 Ar isan’andro ary isan'olona izy ireo raha 10.000 Ar izany ankehitriny. Io 100.000 Ar io no nampanantenana azy hatramin’ny Alahady. Nidin’ireo mpizaika ny vavahady teny Alarobia ary tsy
navelan’izy ireo nisy hiditra tao. Tonga teny an-toerana ny solon-tenan’ny mpikarakara sy ny avy amin'ny ray amandreny mijoro mba handamina saingy niala maina. Tonga teny an-toerana mihitsy avy eo ny Kolonely Richard sy Alain Ramaroson. Saingy tsy resy dohika ireo mpizaika, hany ka nisy ireo mpitarika ny fitakiana no voatery nosamborina ary nampidirina tany anaty fiara saika ho ampidirina am-ponja. Nentina teny amin’ny Fate ny raharaha ka nisy ny baiko voaray. Rehefa natao ny fifampidinihana dia tapaka ary fa dia omena 100.000 Ariary amin’ny fiafaran’ny fihaonambem-pirenena ny mpizaika.