« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
16/09/2010 - Ankolafy telo tao Antalaha : ampamoaka lehibe mikasika ny raharaha "bois de rose" (+audio +vidéo)
Vaky ny resaka. Nitondra fanazavana narahina porofo voarakitra anaty boky ny Profesora Albert Zafy mikasika ny raharaha « bois de rose ». Ny vahoakan’ Antalaha no namoahany voalohany ireto porofo isan-karazany ireto. Mikasika an’io no votoatin’ny lahateniny nandritra ny fitsidiam-paritra nataon’ny ankolafy telo ny tanànan’Antalaha ny Alarobia 15 Septambra 2010.
Nomarihin’ny Profesora fa nangonina avy amin’ny fanadihadiana iraisam-pirenena mahakasika manokana ny fanondranana hazo sarobidy eto Madagasikara natao vao tsy ela akory izay ity boky mirakitra ny lisitry ny tena mpanondrana azy ireo amin’izao fotoana izao sy ny isan’ny hazo voaondrana antsokosoko ary ny toerana handefasana azy ity. Ao anatin’izay indrindra ary no nampiasan’ny mpanadihady mari-drefy iray ka hatramin’ny folo ny mpanondrana kely ka hatramin’ny be indrindra ny “bois de rose” nanomboka ny taona 2001. Nivoaka tao anatin’izay fa ny fitondrana tarihin’I Andry Rajoelina amin’izao fotoana izao no mipetraka amin’ny mari-drefy ambony indrindra ao anatin’izany mpanondrana hazo sarobidy izany. Orinasa akaikin’ny mpitondra amin’izao fotoana izao ihany koa no manaraka azy araka ny fanazavan’ny Profesora. Maro amin’ny mambra ao amin’ny governemanta miaraka amin’andriamatoa Camille Vital no aos anatin’ny lisitra miaraka amina vahiny maro be. Ny olana, hoy ihany izy nanohy ny teniny, dia ny tsy fahafahan’ny faritra sy ny vahoaka ivoahan’ny hazo toa an’Antalaha mampiasa ny vola azo avy amin’ny fitrandrahana ny harena ananany tahaka izao vokatry ny fanaovan’ny mpitondra, indrindra ny mpitondra tsy ara-dalàna amin’izao fotoana izao, ampihimamba ny harem-pirenena. Nanamafy izany avokoa ny solontenan’ny mponina eto Antalaha ka naneho ny tsy fahafaliany ary nitondra ny fitarainany tamin’ireto mpitarika ny Ankolafy telo ireto.