Tahaka ny olom-pirenena rehetra dia manana ny ambarany ihany koa ny vondrona kristiana, mahakasika ny fianam-pirenena. Misy ny tosa-kevitra navoakan'izy ireo izay mifantoka amin'ny Tenin'Andriamanitra.
..."Mpitondra ankehitriny : ampy izay 18 volana niraparapàna tao anatin’ny aizina izay. Ampy izay ny tebiteby sy korontana niainana izay. Ampy izay, ampy fa aza ampiana intsony ! Raha mbola te hanohy ny tetezamita tsy mitondra afatsy fankahalana, fifandirana, ady lahy, fiavonavonana ianareo dia ambaranay fa tsy tia tanindrazana ianareo fa ny tenanareo sy ny tombotsoanareo ihany no fantatrareo. Tsy ny fanamboarana fotodrafitr’asa aloha no mahamaika ny Malagasy izao (efa be ny vitan’ny teo aloha ny amin’izany) fa ny fiainany tsaratsara, ny sakafony, ny fitafiany, fianaran-janany, ny filaminana, ny fifankatiavana, tsy mila vali-faty, tsy mila romoromo. Mitaky izahay VONDRONA KRISTIANA :
- Omeo fahafahana ny voafonja noho ny hevitra tsy mitovy. Hajao ny zon’olombelona.
- Sokafy ny Radio Fahazavana sy ny kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo
- Sokafy ho an’ny sokajin’olona rehetra ny TVM sy ny RNM.
- Hajao ny fifanekena natao fa aza miovaova fa izany no atao hoe olona mahatoky, azo itokisana.
Nampilendalenda be anay ilay teny hoe: vahaolan’ny samy Malagasy. Nefa vahaolan’ny Malagasy mpitady seza no hitanay teny Vontovorona"...
Manome fotoana ho an'ny rehetra ity vondrona kristiana ity mba ho tonga hanatrika ny fanompoam-pivavahana izay karakarainy ny Talata 21 Septambra izao, eny amin'ny FJKM Androndra. Tafiditra anatin'ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena momba ny fandriam-pahalemana ity hetsika ity.