« Le peuple malagasy est pris en otage. L'État de droit et la démocratie doivent être restaurés. Je demande votre aide pour sauver Madagascar. » Président Marc RAVALOMANANA
Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !Madagascar : jours de dictature. La liberté d'expression est en danger à Madagascar : la Radio Fahazavàna est toujours séquestrée, des prisonniers politiques croupissent illégalement dans les geôles des putschistes, l'opposition est bâillonnée. Libérez la démocratie !
15/07/2010 - Exclusivité collectif-gtt.org : Gadra politika - mitantara Raguy : « hazo fijaliako ka tsy maintsy nozakaiko » (+vidéos)
Izy no Guillaume R., fantatry ny mpitolona légalistes amin’ny solon’anarana hoe ‘’Ra-Guy’’. Andro vitsy izay no nivoahany ny fonjan’Antanimora, rehefa avy nanefa sazy an-tranomaizina telo volana, sazy mihatra avy hatrany ny tenany. Ny niampangana azy ? ‘’fihantsiana mpitandro ny filaminana sy fanapotehana voninkazo tamin’ny 29 Marsa’’. Ny 31 Marsa izy no nosamborina niaraka tamin’ny mpanao gazety iray, nandritra ny hetsika teny amin’ny 13 Mai. Tsy nandray anjara ra Guy fa nitrandraka vaovao araka ny fanaony. Navotsotra iny andro iny ihany ilay mpanao gazety, fa Ra-Guy kosa notazomina teny amin’ny Borigadin’ny zandarmariam-pirenena teny Betongolo.
Nogadraina tsy nisy porofo Ny 01 Aprily ihany dia efa nalefa teny amin’ny fampanoavana ra-Guy, « na dia tsy nipoitra aza ilay adjudant nilaza ho vavolombelona amin’ny fiampangana azy ». Nosoratan’ ny tompon’andraikitry ny fanadihadiana tsara tanaty PV alefa eny amin’ny fampanoavana io tsy fisiana vavolombelona io. Vita ny fanadihadiana teny amin’ny fampanoavana dia naiditra am-ponja vonjimaika Ra-Guy, ary ny 08 Aprily izy no niakatra fitsarana. Nivoaka ny didy ny 20 Aprily : “tsy maintsy miditra ery ambany atsinanana”.
Nolazaina fa ananan’ny FATE avokoa ny porofo rehetra iapangana an’ity
mpitolona ity. Vita ny fanadihadiana , vita ny fitsarana,
nozakain-dRaguy ny telo volana an-tranomaizina ary efa nivoka izy saingy
tsy mbola nisy nahita izay porofo nanamelohana azy.
Manao antso avo Raguy “Mafy izany telo volana an-tranomaizina izany” hoy ity zoky Raiamnadreny ity. “Miantso ny fahatsiarovan-tenan’ireo mitonona ho tompon’andraikitra eto amin’ny Firenena aho mba hamoaka ireo gadra politika rehetra” hoy izy “satria tsy rariny loatra raha tsy fitovian-kevitra no andaniana andro aman’alina any am-ponja”. Notononiny manokana tamin’izany moa Randrianantoandro Jules izay niara-niasa taminy tamin’ny fitandroana ny filaminana eo amin’ny tolonan’ny mpanadàla ny ara-dalàna. “Tokony hatao izay ivoahany” hoy izy “fa mijaly io rahalahy io any am-ponja any”. Tsy hadinony koa ireo mpanao gazety sy mpiasan’ny Radio Fahazavana izay efa mananika ny roa volana no nampidirana azy tany am-ponja”. Ra-Guy manokana dia nisafidy ny tsy hampiakatra ny raharaha.“Izay no mba hany hazo fijaliako amin’ity tolona ity” hoy izy. “Ho an’ny tanindrazana”!